Hijery ny anatiny

8 JONA 2015
UKRAINE

Manaja ny Zo Tsy Hanao Miaramila i Ukraine na Tsy Mandry aza ny Tany

Manaja ny Zo Tsy Hanao Miaramila i Ukraine na Tsy Mandry aza ny Tany

Namoaka didim-pitondrana ny filohan’i Ukraine tamin’ny 2014, mba hiantsoana miaramila mpampandry tany, noho ilay hotakotaka sy ady tany amin’ny faritra atsinanan’i Ukraine. Namaly ny fiantsoana azy i Vitaliy Shalaiko. Miaramila tao amin’ny tafika iokrenianina izy taloha fa Vavolombelon’i Jehovah izy izao. Tonga tany amin’ny birao mikarakara ny raharaha miaramila eo an-toerana Atoa Shalaiko, ary nilaza fa tsy afaka manao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany fa vonona hanao fanompoana sivily.

Nolavin’ny tao amin’ilay birao ny fitakian’Atoa Shalaiko hoe tokony hohajaina ny zony tsy hanao miaramila. Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy satria, hono, mandositra tsy hanao miaramila mpampandry tany. Hatramin’ny nisian’ilay hotakotaka tany Ukraine, dia io no fiampangana voalohany tany, momba ny fandavana tsy hanao miaramila mpampandry tany noho ny zavatra inoana ara-pivavahana.

Efa miaramila Atoa Shalaiko taloha, ka takany fa miezaka miaro ny fiandrianam-pirenena ny fitondrana, ary adidin’izy ireo ny miaro ny olom-pirenena. Nosaintsaininy anefa ilay toro lalan’ny Baiboly hoe “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra” a rehefa nantsoina hanao miaramila izy. Takany fa tsy maintsy manaja ny ain’ny olona sy tia ny olona rehetra foana izy satria Kristianina mpitory. b

Teny amin’ny fitsarana: Fandosirana raharaha miaramila ve ny fanompoana sivily?

Tamin’ny 13 Novambra 2014 no nohenoin’ny fitsaram-paritr’i Novomoskovsk, any amin’ny faritr’i Dnipropetrovsk, ilay fiampangana an’Atoa Shalaiko ho nanao heloka bevava satria nandositra tsy hanao miaramila mpampandry tany. Hitan’ilay fitsarana anefa hoe tsy nandositra an’ireo manam-pahefana sy mpaka am-bavany izy, fa tonga rehefa nahazo fiantsoana avy any amin’ny tafika. Nolazain’ilay fitsarana hoe “manan-jo tsy hanao miaramila” Atoa Shalaiko, ary “tafiditra amin’izany ny manao miaramila mpampandry tany. Afaka manao fanompoana sivily kosa izy ho solony. Ampianarina any amin’ny fivavahana misy azy mantsy hoe tsy azo atao ny mitana basy.”

Nohamafisin’ilay fitsaram-paritra koa fa “mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenan’i Ukraine” ny zon’Atoa Shalaiko hanao fanompoana sivily. Nekeny koa fa miaro ny fahalalahana ara-pivavahana ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona c sy ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH). Nanafaka madiodio an’Atoa Shalaiko ilay mpitsara. Nangataka fampakarana fitsarana ambony ilay mpampanoa lalàna.

Teny amin’ny fitsarana ambony: Miova ve ny fampiharana ny lalàna rehefa tsy mandry ny tany?

Nolazain’ilay mpampanoa lalàna tao amin’ny fangatahany fampakarana fitsarana ambony fa ny adidy voalazan’ny lalàm-panorenana momba ny fiarovam-pirenena no ambony kokoa noho ny zo hanaraka ny fivavahana sy ny zo hanao fanompoana sivily. Nilaza izy hoe tsy mihatra ireo didim-pitsarana navoakan’ny CEDH amin’ny fotoana ilana miaramila mpampandry tany.

Nolazain’ny Fitsarana Ambony tao Dnipropetrovsk, tamin’ny 26 Febroary 2015, fa “tsy hoe mandositra tsy hanao miaramila mpampandry tany tsy amin’antony akory ny olona iray raha tsy mety manao an’izany noho ny feon’ny fieritreretany.” Nojeren’ilay fitsarana ny zavatra inoan’Atoa Shalaiko rehefa namoaka an’ilay fanapahana izy, sady noresahiny ny didy navoakan’ny CEDH. Nolazainy hoe “ny zavatra inoana dia tafiditra ao amin’ny Andininy Faha-9 amin’ilay Fifanarahana [Eoropeanina]” d momba ny zo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretana ary hanana fivavahana.

Neken’io fitsarana ambony io koa hoe mihatra foana ny Andininy Faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona fa tsy fialan-tsiny tsy hanajana an’ireo zo efa mipetraka ny fanahiana momba ny “filaminam-pirenena.” Nilaza ireo mpitsara fa “tsy hoe rehefa voatohintohina ny filaminam-pirenena dia tsy hohajaina ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.” Nilaza àry izy ireo hoe mihatra foana ny lalàn’i Ukraine momba ny zo hanao fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila, na dia amin’ny fotoana ilana mpampandry tany aza. Nanamafy ny fanapahan’ilay fitsarana ambaratonga voalohany io fitsarana ambony io ka nanafaka madiodio an’i Vitaliy Shalaiko.

Tsy heloka bevava ny fampiharana ny zon’olombelona

Manan-jo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana sy hanao fanompoana sivily ny olona iray na dia rehefa latsaka an-katerena aza ny fireneny. Manaja sy manohana an’izany ny fanapahana navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy faharoa any Ukraine atsinanana. Mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena, izay manaja ny zo fototra tsy hanao miaramila, ireo didim-pitsarana tamin’ilay raharaha mahakasika an’Atoa Shalaiko. e

Mbola nangataka fampakarana fitsarana ambony kokoa anefa ilay mpampanoa lalàna. Nalefany tany amin’ny Fitsarana Ambony Manokana Mikarakara Ady Madio sy Ady Heloka any Ukraine ireo fanazavana efa nodinihin’ilay fitsarana ambaratonga faharoa sy notsiniany. Nandefa fanoherana an’ilay fampakarana ny raharaha ny mpisolovavan’Atoa Shalaiko, tamin’ny 30 Aprily 2015.

Tsy i Vitaliy Shalaiko irery no Vavolombelon’i Jehovah iokrenianina antsoina hanao miaramila, fa misy an’arivony. Tonga amin’ny fiantsoana azy izy ireo ary mangataka hanao fanompoana sivily tsy mifanohitra amin’ny zavatra inoany mafy ao amin’ny Baiboly. Matetika no hajaina ny fangatahan’izy ireo ary vitsy ihany ny Vavolombelon’i Jehovah niakatra fitsarana. Eo am-pelatanan’ny fitsarana ambony any Ukraine izao ny raharaha, ary anjarany ny manome toky hoe hajain’i Ukraine ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hekena ho tsy manao miaramila.

c Nanaiky ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona i Ukraine, tamin’ny 1997.

d Ireo didy navoakan’ny CEDH tamin’ny raharaha Vavolombelon’i Jehovah any Moscou sy ny Hafa miady amin’i Rosia sy Bayatyan miady amin’i Armenia no noresahin’ilay fitsarana ambaratonga faharoa.

e Jereo Bayatyan miady amin’i Armenia [GC], no. 23459/03, § 98-111, CEDH 2011; Jeong sy ny Hafa miady amin’ny Repoblikan’i Korea, UN Doc CCPR/C/101D/1642-1741/2007 (24 Martsa 2011) § 7.2-7.4.