Hijery ny anatiny

18 JOLAY 2014
UKRAINE

Vaovao Farany Momba ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine sy Crimée

Vaovao Farany Momba ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine sy Crimée

LVIV, any Ukraine—Nanao tatitra ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine fa nisy Vavolombelona iray maty tany Kramatorsk, any amin’ny faritra atsinanan’i Ukraine, tamin’ny 17 Jona 2014. Nisy baomba nipoaka mantsy teo akaikin’ny fiarany. Tsy nisy Vavolombelona hafa maty na naratra mafy nandritra izay volana vitsivitsy nisian’ny hotakotaka tany Ukraine izay. Na izany aza, dia nafindra toerana niala tao amin’ireo faritra mampidi-doza any amin’ny faritra atsinanana ny Vavolombelona an-jatony. Mipetraka any amin’ny mpiara-mivavaka aminy izy ireo.

Mbola mitory hafatra mampahery avy ao amin’ny Baiboly foana ireo Vavolombelona any Ukraine, na dia mitohy aza ny herisetra. Nanao fivoriambe maromaro nilamina tsara tany amin’ny faritra atsinanan’i Ukraine koa ny Vavolombelona, tamin’ny voalohandohan’ny Jona 2014 ka hatramin’ny tapatapak’io volana io. Nisy lahateny sy fampisehoana ara-baiboly tany, momba ny hoe ahoana no hampiharana ny torohevitry ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro. Nisy 5200 mahery ny mpanatrika. Efapolo eo ho eo ny fivoriambe hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine sy Crimée, ary hasongadina amin’izany hoe milaza ny Baiboly fa hilamina ny tany rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Olona 165000 mahery no antenaina hanatrika an’ireo fivoriambe ireo, anisan’izany ireo 7500 any Crimée.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Ukraine: Vasyl Kobel, tel. +38 032 240 9323