Hijery ny anatiny

21 NOVAMBRA 2014
UKRAINE

Vaovao Fanampiny: Manampy An’ireo Tsy Maintsy Mifindra Toerana ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine

Vaovao Fanampiny: Manampy An’ireo Tsy Maintsy Mifindra Toerana ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine

LVIV, any Ukraine—Mbola mitohy ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah an’ireo mpiara-mivavaka aminy. An’arivony mantsy no tsy maintsy nifindra toerana noho ny ady any amin’ny faritra atsinanan’i Ukraine.

Dimanjato sy fito arivo eo ho eo izao ny Vavolombelona efa niala an’ilay faritra misy ady. Efa ho ny 4000 amin’izy ireo no karakarain’ny komitin’ny vonjy rano vaky miisa fito, ary ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Lviv no mandamina an’ireo komity ireo. Ny ambiny kosa mipetraka any amin’ny havany na any amin’ny mpiara-mivavaka aminy any Ukraine sy any Rosia. Mbola misy Vavolombelon’i Jehovah 17500 mahery mipetraka any amin’ilay faritra misy ady, ka komitin’ny vonjy rano vaky miisa enina no mikarakara azy ireo.

Ravan’ny baomba ny tranon’ny Vavolombelona maro, toa an’ity tany Semenivka, any amin’ny faritr’i Donetsk, ity.

Nilaza ny biraon’ny sampana any Lviv fa enina izao no Vavolombelona namoy ny ainy, hatramin’ny nanombohan’ny ady. Maty tamin’ny 17 Jona 2014 ny iray tamin’izy ireo, rehefa nisy baomba nipoaka teo akaikin’ny fiara nisy azy. Baomba koa no nahafaty an’ireo Vavolombelona dimy hafa tany Donetsk, Sloviansk, Rozkishne, ary Luhansk.

Anisan’ny fanampiana ataon’ny biraon’ny sampana any Lviv koa ny mikarakara ny fanamboarana an’ireo trano sy toeram-pivavahana an’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Vavolombelon’i Jehovah manamboatra tafo amin’ny trano simba, any Sloviansk.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Ukraine: Vasyl Kobel, tel. +38 032 240 9323