Hijery ny anatiny

28 AOGOSITRA 2015
UKRAINE

Miaro ny Zo Tsy Hanao Miaramila ny Fitsarana Ambony any Ukraine na Tsy Mandry aza ny Tany

Miaro ny Zo Tsy Hanao Miaramila ny Fitsarana Ambony any Ukraine na Tsy Mandry aza ny Tany

Nilaza ny fitsarana ambony any Ukraine fa manana zo hanao fanompoana sivily foana izay tsy manaiky hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, na dia rehefa misy ady sy tsy milamina aza ny tany. Nisy vokany be teo amin’ny fampiharana ny zon’olombelona izany, na any Ukraine na any an-tany hafa.

Nampangaina i Vitaliy Shalaiko, izay Vavolombelon’i Jehovah, hoe mandositra tsy hanao miaramila nefa ny tany aza tsy mandry. Nangataka hanao fanompoana sivily mantsy izy rehefa nantsoina. Samy nanafaka azy madiodio ny fitsarana ambaratonga voalohany sy faharoa. Nampakatra ny raharaha tany amin’ny Fitsarana Ambony Manokana Mikarakara Ady Madio sy Ady Heloka any Ukraine anefa ilay mpampanoa lalàna. Nolavin’io fitsarana ambony io ilay fampakarana, tamin’ny 23 Jona 2015. Mbola ilay fanapahan-kevitra noraisin’ireo fitsarana ambany kokoa ihany àry no manan-kery.

Nilaza ilay fitsarana ambony fa “tena nety ny nataon’ny fitsarana ambaratonga voalohany rehefa nataony nifanaraka tamin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona sy ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny fanapahan-kevitra noraisiny.” Niombon-kevitra tamin’ilay fitsarana ambaratonga voalohany koa ny fitsarana ambony, hoe mihatra amin’ity raharaha ity ilay raharaha Bayatyan miady amin’i Armenia. Ny Filan-kevitra Ambony Indrindra Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona no namoaka didim-pitsarana momba an’io raharaha io, tamin’ny 7 Jolay 2011. Hita amin’iny didim-pitsarana manan-tantara iny fa manan-jo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny olona iray raha ny zavatra inoany no mahatonga azy tsy hanao miaramila, ary arovan’ny Andininy faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona izany. Nasehon’ny fitsarana ambony any Ukraine, tamin’ilay raharaha momba an’i Vitaliy Shalaiko, hoe mbola manan-jo tsy hanao miaramila ihany ny olona na dia tsy mandry aza ny tany, fa tsy hoe rehefa misy fiantsoana miaramila mahazatra ihany. Efa didim-pitsarana farany io navoakan’ny fitsarana ambony io ka tsy azo anaovana fampakarana fitsarana intsony.

Maivamaivana erỳ Atoa Shalaiko rehefa nivoaka iny didim-pitsarana farany iny. Hoy izy: “Azoko tsara hoe tena te hiaro ny vahoakany ny taniko dia miantso miaramila mpampandry tany. Tsy mety amin’ny saiko ny manao miaramila, nefa vonona hanao fanompoana sivily aho. Faly aho satria neken’ny fitsarana hoe noho ny zavatra inoako no mahatonga ahy tsy hanaiky hanao miaramila.”

Maro no handray soa

Miatrika olana ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony any Ukraine rehefa tsy mandry ny tany, satria tsy mety manao miaramila izy ireo. Afaka mampiasa ny didim-pitsarana nampiharina tamin’i Vitaliy Shalaiko amin’izay izao izay ampangaina ho mandositra tsy mety manao raharaha miaramila.

Hoy Atoa Vadim Karpov, mpisolovava niaro an’Atoa Shalaiko: “Raha atao amin’ny teny tsotra, dia nohazavain’ny fitsarana ambony fa tsy azo melohina Atoa Shalaiko raha tsy mety manao miaramila, satria Vavolombelon’i Jehovah izy. Tsara homarihina fa na any amin’ny tany miady sy mikorontana sahala amin’i Ukraine aza dia ampiharina foana ny lalàna iraisam-pirenena momba ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahalalahana hanaraka ny feon’ny fieritreretana.”

Modely i Ukraine satria manaja ny zon’olombelona

Eken’ny fitsarana any Ukraine fa tokony harovana ilay zo fototra hoe tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, na dia rehefa tsy mandry aza ny tany. Tsy miamboho adidy izay manao an’izany, ary tsy manohantohana ny fiandrianam-pirenena na ny filaminana anatiny. Niaro ny zon’olombelona ny fitsarana ambony rehefa nanohana ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo fitsarana ambany kokoa, ka nanampy ny Iokrenianina rehetra. Tokony hanao hoatran’i Ukraine ireo firenena manasazy an’izay tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.