Hijery ny anatiny

Sisa tavela tamin’ny tranon’ny anabavy iray tsy lavitra an’i Port-Vila renivohitra

17 MARTSA 2023
VANUATU

Nisy Rivo-doza Mahery Vaika Anankiroa Namely An’i Vanuatu

Nisy Rivo-doza Mahery Vaika Anankiroa Namely An’i Vanuatu

Nisy rivo-doza mahery vaika anankiroa namely an’i Vanuatu tamin’ny 1 Martsa sy 4 Martsa 2023. Judy ny sikilaonina voalohany, ary kelikely ihany ny zavatra simba tamin’izy io. Kevin kosa ilay sikilaonina faharoa namely taoriana kelin’i Judy, ary tena betsaka ny zavatra simban’izy io tany amin’ny nosy maromaro any amin’ny faritra atsimon’i Vanuatu, anisan’izany ny tao amin’ilay nosy lehibe indrindra atao hoe Efate.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy maty ny rahalahy sy anabavintsika

  • 3 ny trano rava

  • 30 ny trano simba kely

  • 2 ny Efitrano Fanjakana simba

Fanampiana tra-boina

  • Manampy sy mampahery ny tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy

  • Misy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky anankiray notendrena mba hiandraikitra ny fanampiana tra-boina

Matoky isika fa na dia miady saina aza ny rahalahy sy anabavintsika any Vanuatu, dia ‘hampionona sy hampitony’ an-dry zareo foana i Jehovah.​—Salamo 94:19.