21 APRILY 2021
VENEZOELÀ
Fahatsiarovana 2021: Venezoelà
Nitady Fomba Hanatrehana ny Fahatsiarovana sy Hanasana Olona ny Rahalahy sy Anabavy any Venezoelà, na eo aza ny Zava-tsarotra
Mbola miatrika zava-tsarotra foana ny mpiara-manompo amintsika any Venezoelà. Mitotongana be ny toe-karena, misy korontana ao amin’ilay firenena, ary mbola eo ny valanaretina COVID-19. Na teo aza anefa izany, dia nitady fomba samihafa hanatrehana ny Fahatsiarovana izy ireo sady niezaka nanasa olona hanatrika an’ilay izy.
Nandritra ny tapa-bolana talohan’ny Fahatsiarovana, ohatra, dia nisy ady tany La Victoria, any Apure any akaikin’ny sisin-tany manasaraka an’i Venezoelà sy Kolombia. Tsy maintsy nitsoaka haingana tany Kolombia daholo ny mpitory tany. Nampian’ny rahalahy sy anabavy any amin’ny Fiangonana Arauquita izy ireo, dia afaka nanatrika ny Fahatsiarovana.
Tsy mandeha ny tambazotra amin’ny Internet sy amin’ny telefaonina, any amin’ny faritra misy ny fiangonana iray any Falcón. Nampiasa talkie walkie àry ilay fiangonana misy mpitory 70 mba hampitana ny lahatenin’ny Fahatsiarovana.
Niteny ny anabavy iray hoe: “Naheno ny feon’ny mpiara-manompo izahay, fa tsy afaka nahita sy namihina an-dry zareo mivantana. Hoatran’ny hoe niaraka teo daholo ihany anefa izahay.”
Niezaka nanasa olona tany amin’ny faritra lavitra be ny fiangonana, andro maromaro talohan’ny Fahatsiarovana. Maromaro ny fomba nahafahan’ny olona nihaino an’ilay lahateny. Fanasana 3 000 mahery no voazara. Nahomby ilay ezaka manokana. Olona 100 mahery, ohatra, no nihaino ny lahatenin’ny Fahatsiarovana tamin’ny telefaonina, tany amin’ny tanàna amoron-tsiraka antsoina hoe Araya.
Nanapa-kevitra koa ny sampan’i Venezoelà hoe alefa amin’ny radio 82 sy tele 9 ilay lahateny. Nisy 8 000, fara fahakeliny, ny olona nasaina sy ny mpiara-manompo nijery sy nihaino an’ilay fandaharana. Natao tamin’ny fiteny maro ilay izy, anisan’izany ny teny guahibo, pemon, piaroa, pumé, warao, wayuunaiki, ary yekuana.
Tamin’ny 6:30 hariva no tokony handeha amin’ny radio iray eo an-toerana ilay lahatenin’ny Fahatsiarovana, tany Guasipati, any Bolívar. Tapaka matetika anefa ny jiro, dia tsy afaka mihaino an’ilay lahateny hatramin’ny farany ny mpanatrika sasany. Nisy olana anefa tany amin’ny foiben’ilay radio, dia niverina nandeha impolo mahery ilay lahateny, nandritra ny alina. Afaka nihaino an’ilay lahateny manontolo tamin’ny fotoana samihafa àry ny mpihaino. Nilaza ny tatitra fa 600 mahery ny olona nihaino an’ilay izy. Niteny ny rahalahy iray hoe: “Tsy namelan’i Jehovah raha tsy naheno an’ilay lahatenin’ny Fahatsiarovana daholo ny olona!”
Na teo aza ny “fitsapana maro samihafa,” dia mbola ‘niravoravo fatratra’ ny mpiara-manompo amintsika any Venezoelà. Hitan’izy ireo mantsy hoe tena nitahy azy ireo i Jehovah, dia afaka nanatrika an’ilay Fahatsiarovana sy nanasa olona izy ireo.