Hijery ny anatiny

5 NOVAMBRA 2021
VENEZOELÀ

Sambany vao Nisy Boky ao Amin’ny Baiboly Voadika Tamin’ny Tenin’ny Tanana Venezoelianina

Sambany vao Nisy Boky ao Amin’ny Baiboly Voadika Tamin’ny Tenin’ny Tanana Venezoelianina

Nivoaka tamin’ny 30 Oktobra 2021 ny bokin’i Matio sy Jaona amin’ny Tenin’ny Tanana Venezoelianina. Nalaina video mialoha ilay fandaharana ka nisy 2 200 mahery ny rahalahy sy anabavy nijery an’ilay izy. Ny Rahalahy Miguel Guillén, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Venezoelà, no namoaka an’ireo boky ireo. Efa nandika andinin-teny efa ho 7 000 tamin’ny Tenin’ny Tanana Venezoelianina ny sampana hatramin’ny 2006. Tamin’ity anefa vao nisy boky iray manontolo ao amin’ny Baiboly voadika amin’io fiteny io.

Ao amin’ilay biraon’ny fandikan-teny mitokana

Ny Filazantsaran’i Matio sy Jaona no natomboky ny mpandika teny rehefa nandika an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ry zareo. Be mpahafantatra mantsy ireo tantaran’i Jesosy ireo any. Ireo boky ireo koa no mora hadika kokoa raha oharina amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly satria fitantarana ilay izy.

Tamin’ny 2003 no nisy fiangonana tamin’ny tenin’ny tanana voalohany tany Cabimas, any amin’ny faritra andrefan’i Venezoelà. Misy mpitory 1 204 anefa izao manerana an’io tany io, ary manompo any amin’ny fiangonana 53 amin’ny tenin’ny tanana ry zareo. Betsaka ny marenina venezoelianina te hianatra Baiboly saingy tsy mahay Tenin’ny Tanana Espaniola ry zareo. Tsy misy itovizany mihitsy mantsy ny Tenin’ny Tanana Venezoelianina sy ny Tenin’ny Tanana Espaniola.

Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray: “Nisy lehilahy marenina anankiray izay niteny hoe nahita Baiboly tamin’ny teny espaniola izy saingy tsy nisy azony mihitsy ilay izy rehefa novakiny. Dia nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra izy. . . . Vao nisy niteny taminy hoe afaka mampiasa Baiboly amin’ny Tenin’ny Tanana Venezoelianina izy dia tonga dia nanaiky hianatra Baiboly.”

Nisy mpandika teny enina namita an’ilay fandikan-teny, tao anatin’ny folo volana. Nanasa rahalahy marenina fito avy any amin’ny faritra samy hafa tao amin’ilay tany ry zareo, mba hamerina hijery an’ilay fandikan-teny. Tena nanampy ny mpandika teny izany ka nahatonga an’ilay fandikan-teny ho azon’ny marenina avy any amin’ny faritra samy hafa.

Tsy maintsy nisara-toerana ny mpandika teny rehefa niasa dia nampiasa vidéoconférence, noho ilay valanaretina COVID-19. Vao mainka nanasarotra ny asa izany satria matetika no tsy nahazo tsara ny Internet na tapaka mihitsy aza. Hoy ny mpandika teny iray: “Tsy mora ilay izy fa nanampy foana i Jehovah tamin’ireny olana ireny.”

Mivavaka isika mba handray soa be dia be amin’ny “volafotsy voadio” ao amin’ny Tenin’i Jehovah ny rahalahy sy anabavy rehetra any Venezoelà, satria efa amin’ny fiteniny ilay izy izao.​—Salamo 12:6.