Hijery ny anatiny

Mazoto mivory sy manompo ny rahalahy sy anabavy any Venezoelà mba hatanjaka ara-panahy foana.

5 NOVAMBRA 2018
VENEZOELÀ

Vaovao Farany: Matanjaka ny Finoan’ny Namantsika any Venezoelà na Mihasarotra aza ny Fiainana

Vaovao Farany: Matanjaka ny Finoan’ny Namantsika any Venezoelà na Mihasarotra aza ny Fiainana

Efa ela no nisy krizy ara-toe-karena tany Venezoelà ary vao mainka miharatsy ny fiainana any. Izany no iainan’ny rahalahy sy anabavy any. Misy mpitory iharan’ny heloka bevava foana isan-kerinandro, araka ny tatitra voarain’ny biraon’ny sampan’i Venezoelà. Be dia be koa ny Efitrano Fanjakana misy mandroba. Misondrotra be mihitsy ny vidim-piainana sady tsy ampy ny sakafo sy ny fanafody ary ny zavatra hafa tena ilaina isan’andro. Mpitory 20000 mahery no nifindra tany Arzantina, Brezila, Ekoatera, Espaina, Etazonia, Italia, Kolombia, Peroa, Portogaly, ary Silia, nanomboka tamin’ny 2013. a Mbola mazoto manompo an’i Jehovah ireo Vavolombelona 140000 eo ho eo mijanona any Venezoelà, na eo aza izany rehetra izany.

Manohy mandamina ny fanampiana ny mpiara-manompo ny biraon’ny sampan’i Venezoelà izao. Misy komitin’ny vonjy rano vaky 60 any, ary ny hizara sakafo amin’ny rahalahy sy anabavy no tena ataon’izy ireo voalohany. Mifanampy ny sampan’i Venezoelà sy ny sampan’i Brezila ka sakafo an-jatony taonina no efa nozaraina tamin’ny mpitory 64000 mahery any amin’ny fiangonana 1497, hatramin’izao.

Miezaka foana ny sampan’i Venezoelà manampy ny mpiara-manompo mba tsy hivadika amin’i Jehovah sy hanohy hanompo azy foana. Natao manerana an’i Venezoelà ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe “Manàna Herim-po”! Vita tamin’ny 2 Septambra 2018 ny farany tamin’ireo fivoriambe 122 natao tany. Sarotra ho an’ny rahalahy sy anabavy maro ny nitady vola mba hanatrehana ny fivoriambe nefa nahazo fampaherezana daholo izy ireo rehefa tonga tany.

Mazoto mampahery ny olona kivy amin’ny alalan’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah any Venezoelà. Mitarika fampianarana Baiboly efa ho 200000 isam-bolana izy ireo. Nitombo be koa ny olona vaovao manatrika fivoriana, ary 7259 ny olona natao batisa tamin’ny taom-panompoana 2018.

Hita amin’ireny tatitra mampahery ireny hoe mampiasa ny fanahiny i Jehovah mba hanomezana hery ny rahalahy sy anabavy any Venezoelà. Mivavaka isika mba hatoky an’i Jehovah foana izy ireo mandra-pahatongan’ny Fanjakan’Andriamanitra izay hanala ny olana rehetra mitranga ankehitriny.—Ohabolana 3:5, 6.

Jereo ilay video hoe Venezoelà: Manam-pinoana sy Mifankatia Izy Ireo na dia ao Anatin’ny Fotoan-tsarotra Aza, raha te hahafantatra misimisy kokoa momba ny zava-mitranga any Venezoelà.

a Anjaran’ny mpitory tsirairay ny manapa-kevitra na hijanona ao amin’ilay firenena misy azy izy na hifindra any amin’ny firenena hafa, rehefa misy krizy ara-toe-karena na ara-tsosialy na ara-politika. Tsy mampirisika ny olona hijanona na hiala ny fandaminana.—Galatianina 6:5.