Hijery ny anatiny

6 JONA 2019
VENEZOELÀ

Vaovao Farany any Venezoelà: Mihamazoto Foana ny Vavolombelon’i Jehovah na eo aza ny Olana

Vaovao Farany any Venezoelà: Mihamazoto Foana ny Vavolombelon’i Jehovah na eo aza ny Olana

Mbola mitohy ny korontana sy ny krizy ara-toe-karena any Venezoelà. Sarotra ny mahazo sakafo, rano, solika, ary fanafody satria vitsy izy ireny sady lafo. Vao mainka kely ny sakafo satria tapaka matetika ny herinaratra ka mora simba ny sakafo atao amin’ny vata fampangatsiahana. Manjaka koa ny tsy fandriampahalemana.

Mazoto mitory foana ny mpitory 136500 mahery any Venezoelà, na eo aza ny olana. Nihena 7000, ohatra, ny isan’ny mpitory tamin’ny Janoary 2019 raha oharina amin’ny tamin’ny herintaona, nefa niampy 90000 ny ora lanin’izy ireo teny amin’ny fanompoana. Nitarika fampianarana Baiboly 195600 mahery izy ireo, tamin’ny Aprily 2019. Niakatra 30000 mahery koa ny isan’ny mpisava lalana maharitra. Ankoatra izany, dia 20400 no nanao mpisava lalana mpanampy, tamin’ilay ezaka manokana hanasana ny olona hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Azo antoka hoe izany rehetra izany no nahatonga ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ho 471000 latsaka kely, izany hoe avo telo heny mahery amin’ny isan’ny mpitory. Miezaka mitory foana ny rahalahy sy anabavy mba hanampiana ny olona mitady vahaolana azo antoka, ary izany no anisan’ny mahatonga ny mpivory ho be dia be.

Mbola mandamina ny fanampiana ny mpiara-manompo foana ny sampan’i Venezoelà, mba hahazoan’izy ireo ny sakafo ilainy. Mahazo fanampiana avy amin’ny sampana hafa sy ny asa maneran-tany ny sampan’i Venezoelà, ka sakafo an-jatony taonina isam-bolana no zarainy amin’ny mpitory 75000 any amin’ny fiangonana 1595.

Betsaka ny olana atrehin’ny mpiara-manompo amintsika any Venezoelà nefa mampahery antsika ny hoe ‘mbola mifaly amin’i Jehovah ihany izy ireo, ary miravoravo amin’ilay Andriamanitry ny famonjena’ azy ireo.—Habakoka 3:17, 18.