Hijery ny anatiny

Ilay biraon’ny sampana ao Harare, any Zimbabwe, amin’izao fotoana izao. Sary kely anatiny: Ny iray amin’ireo trano voalohany natao biraon’ny sampana, tany Bulawayo

3 OKTOBRA 2023
ZIMBABWE

Dimy Amby Fitopolo Taona Amin’ity ny Biraon’ny Sampan’i Zimbabwe

Dimy Amby Fitopolo Taona Amin’ity ny Biraon’ny Sampan’i Zimbabwe

Feno 75 taona tamin’ny Septambra 2023 ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Zimbabwe. Ao Harare renivohitr’i Zimbabwe ny toerana misy azy io amin’izao fotoana izao.

Ny biraon’ny sampan’i Afrika Atsimo no nandrindra ny asan’ireo fiangonana tany Zimbabwe, tamin’ny vao nanomboka ny fitoriana tany. Nisy mpisava lalana efatra nirahin’ny sampan’i Afrika Atsimo tamin’ny 1932 mba hanao ezaka manokana amin’ny fitoriana any Zimbabwe. Rodezia Atsimo no niantsoana an’io firenena io tamin’izany. Vetivety dia be dia be ny olona nanaiky ny fahamarinana.

Avy any ankavia miankavanana: Eric Cooke, Myrtle Taylor, Phyllis Kite, Ruby Bradley, ary George Bradley

Nafana fo be tamin’ny ady sady tena nanindrahindra firenena anefa ny olona tany, dia lasa voarara ny fanafarana boky sy gazety tamin’ny Novambra 1949. Lasa tsy azo natao koa ny nizara azy ireny tamin’ny olona. Be dia be ny rahalahy nigadra satria tsy nety nandray anjara tamin’ny ady. Nitory ny vaovao tsara foana anefa ny mpiara-manompo amintsika fa nitandrina mba tsy hisehoseho fotsiny, ary tena tsara ny vokatry ny fitorian-dry zareo. Afaka ilay fandrarana enin-taona tatỳ aoriana. Tsy ela taorian’izay dia lasa 3 500 ny isan’ny mpitory, izany hoe nitombo avo telo heny mahery.

Mba hikarakarana an’ireo mpitory be dia be ireo, dia nasiana biraon’ny sampana tao Bulawayo tamin’ny 1 Septambra 1948. Io no firenena faharoa be mponina indrindra ao Zimbabwe. Ny Rahalahy Eric Cooke no voatendry ho mpikarakara ny sampana voalohany tany. Tatỳ aoriana dia voatendry ho any amin’ny sampan’i Zimbabwe i George sy Ruby Bradley ary Phyllis Kite sy Myrtle Taylor. Misionera nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada daholo ry zareo.

Rahalahy sy anabavy anisan’ny fianakavian’ny Betelan’i Zimbabwe. Tena mazoto miasa ry zareo. Avy any ankavia miankavanana: Rahalahy iray mikarakara sakafo ho an’ny fianakavian’ny Betela, ekipa mpandika teny amin’ny tenin’ny tanana fampiasa any Zimbabwe, anabavy iray manao zaridaina

Nitombo haingana be ny isan’ny mpitory tany Zimbabwe nandritra an’ireo taona maro tatỳ aoriana. Vokatr’izany, dia lasa nila toerana betsaka kokoa ny sampana mba handaminana ny asa.

Boky sy gazety amin’ny fiteny folo ampiasaina ao amin’ny faritany iandraiketan’ny sampan’i Zimbabwe

Any Harare no misy ny biraon’ny sampan’i Zimbabwe amin’izao, ary tamin’ny Desambra 1998 izy io no notokanana. Miandraikitra ny fandikan-teny amin’ny fiteny fito io biraon’ny sampana io, ary 960 ny fiangonana ao amin’ny faritany karakarainy. Misy rahalahy sy anabavy 46 000 mahery mitory ao Zimbabwe, ary 120 702 ny tontalin’ny olona nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 2023.

Faly isika hoe mihabetsaka foana ny mpanompon’i Jehovah ao Zimbabwe. Porofo izany fitomboana izany hoe “hifantoka” amin’ny olona tsy mivadika foana ny mason’i Jehovah sy ny fony.​—2 Tantara 7:16.