24 OKTOBRA 2023
ZIMBABWE
Fitoriana Tany Amin’ilay Foara Tany Zimbabwe Tamin’ny 2023
Nisy foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy fiompiana tany Harare, any Zimbabwe tamin’ny 28 Aogositra hatramin’ny 2 Septambra 2023. Olona 500 mahery no nampiranty vokatra tao, ary 250 000 mahery ny mpitsidika tonga. Nametraka tranoheva iray tao koa ny rahalahy sy anabavy teny akaiky teny. Boky sy gazety amin’ny teny anglisy sy ndebele (Zimbabwe) ary shona no navoakan-dry zareo teo amin’ilay tranoheva. Mpitory 79 no nandray anjara tamin’ilay hetsika. Efa ho 6 300 ny boky sy gazety voazaran-dry zareo, ary olona 116 no nangataka hampianarina Baiboly.
Nisy tanora iray antsoina hoe Tamuka tonga teo amin’ilay tranoheva satria nahaliana azy ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky 1 sy Boky 2. Nohazavaina tamin’izay olona tonga teo koa anefa hoe mampianatra Baiboly maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah. Vao henon’i Tamuka izany, dia faly be izy sady nanontany hoe: “Fa hoatran’ny ahoana ny fandehan’ilay fianarana?” Naseho azy ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, dia natoro azy hoe ahoana no hatao rehefa miara-midinika an’ilay izy. Tonga izy dia nangataka hianatra Baiboly, dia nisy rahalahy iray nifanao fotoana taminy mba hanohy an’ilay izy.
Nisy lehilahy iray hafa nankeo amin’ilay tranoheva, dia niteny hoe mahafinaritra azy ny Vavolombelon’i Jehovah satria manetry tena sady mazoto mitory. Novakin’ny rahalahy iray taminy ny Matio 28:19, 20, sady nohazavain’ilay rahalahy hoe raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho zava-dehibe ilay didin’i Jesosy ao. Nitsotra ilay lehilahy hoe tiany raha mba sahy mitory koa izy. Nilaza ilay rahalahy avy eo hoe afaka mampianatra Baiboly azy raha tiany, dia nanaiky izy.
Ny vehivavy iray indray niteny hoe tiany isika Vavolombelon’i Jehovah satria tsara fanahy sady manetry tena. Dia nohazavaina taminy hoe mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy mankatò an’izay voalaza ao isika, dia izay no mahatonga antsika hanana an’ireo toetra tsara ireo. Nisy anabavy iray nanazava taminy avy eo hoe mampianatra Baiboly isika, dia nasehon’ilay anabavy azy ny fomba fianarana an’ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Gaga be ilay vehivavy hoe be dia be mihitsy ny boky sy gazety teo amin’ilay fampirantiana sady misy natao ho an’ny fianakaviana sy ny tanora. Maimaim-poana daholo koa ilay izy. Naka Baiboly sy boky ary gazety vitsivitsy teo izy, sady nanaiky hianatra Baiboly. Hoy izy: “Mbola tsy nahazo fanomezana tsara be hoatran’ny androany aho!”
Nitory tsy ara-potoana koa ny rahalahy sy anabavy tao amin’ilay foara. Niresaka kely tamin’ny vehivavy iray nandray anjara tamin’ilay foara, ohatra, ny rahalahy iray. Niverina teo amin’ilay vehivavy izy avy eo, dia nanome azy Baiboly sy boky ary gazety. Faly be ilay vehivavy nahazo an’ireo. Nohazavainy hoe efa ela izy no nanao izay hananana Baiboly fa tsy nety nahazo mihitsy. Nanome adiresy sy nomeraon-telefaonina izy avy eo, amin’izay mba misy anabavy afaka mitsidika azy.
Izao no tenin’ny anabavy iray atao hoe Ranganai rehefa avy nandray anjara tamin’ilay fampirantiana: “Tsy salama mihitsy aho tamin’ny herintaona dia tsy tena afaka nitory sy nampianatra. Miezaka mifantoka amin’ny fitahiana azoko anefa aho fa tsy amin’ny olana atrehiko. Anisan’ny fitahiana azoko izao ilay hoe mba afaka nandray anjara tamin’ity fampirantiana ity. Nampahery ahy ilay izy. Lasa nahatsapa koa aho hoe hay mba mahavita zavatra tsara ihany.”
Tena mahafinaritra antsika ny fitantarana hoatran’ireo. Faly be koa isika satria miara-manao asa iray ihany isika sy ny mpiara-manompo amintsika any Zimbabwe. Samy “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika rehetra.—1 Korintianina 3:9.