Hijery ny anatiny

14 APRILY 2023
ZIMBABWE

Lasa Mahita “Hazavana” Izao ny Jamba sy ny Tsy Mahita Tsara any Zimbabwe

Lasa Mahita “Hazavana” Izao ny Jamba sy ny Tsy Mahita Tsara any Zimbabwe

Nahazo taratasy fankasitrahana avy amin’ny fikambanana roa ny biraon’ny sampan’i Zimbabwe teo am-piandohan’ity taona ity: Ny iray avy amin’ny Fikambanana Dorothy Duncan Mikarakara ny Jamba sy ny Sembana, ary ny iray avy amin’ny Oniversiten’i Zimbabwe. Nandefa fisaorana ry zareo satria nomen’ny biraon’ny sampana Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy boky ara-baiboly amin’ny soratra braille. Izao no tao amin’ilay taratasy avy amin’ny Oniversiten’i Zimbabwe: “Hanampy ny mpianatray mba hanao ny tsarany fanomezanareo. Tena mandray soa avy amin’ny asanareo ny olona ary tena mankasitraka an’izany izahay.”

Ireo mpivady mpisava lalana manokana voatendry hanampy ny jamba sy ny tsy mahita tsara. Ankavia: Rahalahy Willard Mazarura sy Nyembezi vadiny. Ankavanana: Rahalahy Thungulula Ncubei sy Eunice vadiny

Miisa 10 000 mahery ny olona jamba sy tsy mahita tsara any Zimbabwe, ary io fizarana boky sy Baiboly io no anisan’ny ezaka nataon’ny biraon’ny sampana vao haingana mba hanampiana azy ireny. Nandamina ezaka manokana mba hitoriana tamin’ireny olona ireny ny sampana tamin’ny 2017. Nanendry mpivady roa mpisava lalana manokana, ohatra, ry zareo mba hanampy ny mpitory hahita vokatra kokoa amin’ny fitoriana amin’ireny olona ireny. Vokatr’izany, dia 46 ny fampianarana Baiboly natomboka ary telo ny olona natao batisa.

Anisan’ireo natao batisa ny Ranabavy Mavies Chaya. Nitory taminy an-telefaonina ny mpiara-manompo tamin’ny 2021. Efa tany amin’ny mpanasitrana i Mavies taloha satria nanantena hoe hahavita hampahiratra ny masony ry zareo. Tsy nisy vokany anefa izany dia kivy tanteraka izy. Lasa nanana fanantenana indray anefa izy, rehefa nianarany tao amin’ny Baiboly hoe mbola hahita indray ny jamba any amin’ny tontolo vaovao. Nianatra Baiboly indroa isan-kerinandro izy, dia natao batisa tamin’ny Aprily 2022.

Mbola miandry ny fotoana hampahiratan’i Jehovah ny mason’ny jamba aloha isika izao. Eo am-piandrasana an’izany anefa, dia tena faly isika satria ataony mahita “hazavana” sy ampiany mba ‘hahira-tsaina’ izay rehetra mitady azy.​—Salamo 119:130.