Hijery ny anatiny

Ilay Fitsarana Avo any Zimbabwe any Mutare. Sary kely (avy eo ankavia miankavanana): Ny Rahalahy Jabulani Sithole sy Wonder Muposheri ary Tobias Gabaza

18 NOVAMBRA 2022
ZIMBABWE

Manome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Avo any Zimbabwe

Manome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Avo any Zimbabwe

Namoaka didy manome rariny ny Rahalahy Tobias Gabaza, sy Wonder Muposheri, ary Jabulani Sithole ny Fitsarana Avo any Mutare, any Zimbabwe, tamin’ny 29 Septambra 2022. Nampiharana ny tsy rariny mantsy ry zareo, satria tsy nanaiky nandray anjara tamin’ny fombafomba fanao ara-pivavahana noho ny feon’ny fieritreretany.

Nampiantsoana hankeny amin’ny tribonaly izy telo mirahalahy tamin’ny Oktobra 2020, ka ilay raiamandrenin’ny tanàna no nitarika an’ilay fitsarana. Nisy manam-pahefana hafa mantsy mbola nisisika niteny an-dry zareo ihany mba handray anjara tamin’ny fombafomba tao an-tanàna. Anisan’ny fombafomba natao tamin’ilay izy ny hoe miantso ny fanahin’ny maty, dia amin’izay, hono, misy orana. Tsy maintsy mandray anjara daholo ny olona eo an-tanàna. Tsy mety tamin’ny feon’ny fieritreretan’ireo rahalahintsika ireo ilay izy satria mandika ny fitsipiky ny Baiboly, ka tsy nanaiky handray anjara tamin’ilay fombafomba ry zareo.

Namoaka didy ilay raiamandrenin’ny tanàna hoe tsy mety ny ataon’ireo rahalahintsika ireo, ka norahonany izy ireo amin’izay miova hevitra. Naleon’ireo rahalahintsika ireo àry nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny fitsarana tany Chipinge.

Namoaka didy manohana an’ireo rahalahintsika ireo ilay fitsarana any Chipinge, tamin’ny 5 Janoary 2021. Tsy nety nanaraka an’ilay fanapahan-kevitry ny fitsarana anefa ny manam-pahefana tao amin’ilay tanàna, fa mbola nanery an’ireo rahalahintsika ireo ihany ry zareo. Lasa navakavahan’ny mpiray tanàna taminy koa ry zareo sady nampijaliny.

Nampakarin’ny rahalahintsika tany amin’ny Fitsarana Avo àry ilay raharaha, satria mbola iharan’ny tsy rariny foana ry zareo. Niaiky ilay Fitsarana fa nanao tsinontsinona ny zon’ny rahalahintsika ny manam-pahefana teo amin’ilay tanàna. Namoaka didy koa izy hoe tsy mahazo manery an’ireo rahalahintsika hanaraka fomban-drazana mihitsy ireo manam-pahefana ireo, na inona ilay fombafomba na inona, raha hoe tsy mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretan’ny rahalahintsika izany. Ankoatra izay, dia namoaka didy izy hoe mila mandoa onitra amin’ny rahalahintsika ireo manam-pahefana ireo.

Enga anie ka hiaro ny mpiara-manompo amintsika manerana an’i Zimbabwe iny didim-pitsarana iny, satria manerana an’ilay firenena mihitsy no anaovana an’ireo fombafomba ireo. Misaotra an’i Jehovah isika amin’iny didim-pitsarana tena niavaka iny.​—Ohabolana 2:8.