Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Taurai Mazarura mitazona tablette mampiseho an’ilay bokin’i Matio amin’ny Tenin’ny Tanana Zimbabwe, nandritra an’ilay fandaharana noraisim-peo mialoha

26 JANOARY 2021
ZIMBABWE

Namoaka ny Bokin’i Matio Tamin’ny Tenin’ny Tanana Zimbabwe ny Vavolombelon’i Jehovah

Namoaka ny Bokin’i Matio Tamin’ny Tenin’ny Tanana Zimbabwe ny Vavolombelon’i Jehovah

Nivoaka tamin’ny tenin’ny tanana zimbabwe Ny Baiboly: Ny Filazantsaran’i Matio, tamin’ny 24 Janoary 2021. Ny Rahalahy Taurai Mazarura, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Zimbabwe no nanao ny lahateny namoahana an’ilay Baiboly, tao anatin’ny video noraisim-peo mialoha.

Misy 401 ny mpitory ao amin’ny fiangonana tenin’ny tanana zimbabwe. Tsy andrin’izy ireo erỳ ny nahazoana an’ilay Baiboly vaovao. Efa te hampiasa an’ilay Baiboly ry zareo mba hanaovana fianarana samirery sy fanompoana.

Ny ekipa mpandika teny amin’ny Tenin’ny Tanana Zimbabwe, nandritra ny fandraisam-peo

Nampisy olana fanampiny ho an’ny mpandika teny ny fisian’ny valanaretina. Mila mifankazatra tsara amin’ilay fiteny handikana an’ilay Baiboly ny mpandika teny mba hahalalan’izy ireo ny teny fampiasa andavanandro. Sarotra anefa izany satria tsy azo natao ny nihaona mivantana tamin’ny marenina teo an-toerana noho ny COVID-19. Niezaka nanao vidéoconférence matetika tamin’ny marenina àry ny mpandika teny. Tena nanampy an-dry zareo hamoaka fandikan-teny azon’ny marenina rehetra tany Zimbabwe izany.

Hoy ny Rahalahy John Hunguka, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Zimbabwe: “Mbola santatra am-bava rano fotsiny iny namoahana ny bokin’i Matio iny. Mbola mikasa handika ny Baiboly manontolo amin’ny tenin’ny tanana zimbabwe mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Eo amin’ny folo taona eo izany no vao vita.”

Hita amin’io tetikasa io fa tena tia ny karazan’olona rehetra i Jehovah. Tena ankafizintsika izany fitahiana izany, rehefa mitory an’ilay ‘vaovao tsara mandrakizay amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra’ isika.​—Apokalypsy 14:6.