Hijery ny anatiny

10 AOGOSITRA 2015
ZIMBABWE

Herintaona Izay Ilay Fivoriambe Manan-tantara, ary Manomboka Indray ny Fivoriambe 2015 “Tahafo i Jesosy”

Herintaona Izay Ilay Fivoriambe Manan-tantara, ary Manomboka Indray ny Fivoriambe 2015 “Tahafo i Jesosy”

HARARE, any Zimbabwe—Nanomboka an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra 2015 hoe “Tahafo i Jesosy” ny Vavolombelon’i Jehovah any Zimbabwe, tamin’ny zoma 31 Jolay. Maharitra telo andro ny fivoriambe tsirairay ary hisy fivoriambe foana mandritra ny telo volana, ka amin’ny tapaky ny Oktobra ny farany.

Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, manao lahateny ara-baiboly, tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany Zimbabwe, tamin’ny 2014. Misy Vavolombelona roa eo akaikiny, mandika an’ilay lahateny.

Hoy i John Hunguka, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Zimbabwe: “Efa tsindrian-daona ny olona amin’ny fivoriambe amin’ity taona ity, indrindra moa fa nisy an’iny fivoriambe iraisam-pirenena tany Harare tamin’ny 2014 iny. Tena niavaka teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Zimbabwe mihitsy iny!” Nilaza ny NewsDay, anisan’ny gazety malaza any Zimbabwe, fa iny fivoriambe iraisam-pirenena iny no “fivoriana ara-pinoana nisy mpanatrika betsaka indrindra” tany amin-dry zareo, ary noho iny fivoriambe iny, dia lasa “matoam-baovao sy ambentin-dresaky ny olona” ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2014.

Olona 82000 mahery no nameno an’ilay kianja tao Harare, ny andro famaranana an’ilay fivoriambe tamin’ny 2014. Hoy i John Jubber, solontenan’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Zimbabwe, rehefa nadinadinina taorian’ilay fivoriambe: “Nisy vahiny 3500 avy any Brezila, Alemaina, Etazonia, Zambia, ary Kenya tao.”

Nisy vokany be teo amin’ilay faritra ilay izy, ka nankany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any New York mihitsy i Walter Mzembi, Minisitry ny Fizahan-tany sy ny Fandraisam-bahiny any Zimbabwe. Te hisaotra ny Vavolombelona amin’ny fomba ofisialy izy satria Zimbabwe no nofidin’izy ireo hanaovana an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena. Hoy Atoa Mzembi, tao amin’ny video fanadinadinana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Ny hafatra ampitaiko avy amin’ny olon-tsotra any Zimbabwe dia hoe ‘Maninona moa raha asiana fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Harare isan-kerinandro?’ ... Mampita ny fisaorany ho anareo ny Prezidànay, ary te hahita anareo indray izy mba hanohy hampandroso ny finoana, any aminay.”

Misy fivoriamben’ny vondrom-paritra 39 hoe “Tahafo i Jesosy” ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Zimbabwe, amin’ity taona ity. Maro ny toerana anaovana azy, anisan’izany ny ao amin’ny Tranombarotra Iraisam-pirenen’i Zimbabwe. Hatao amin’ny teny anglisy, chitonga (Zimbabwe), ndebele (Zimbabwe), shona, sinoa (mandarin), swahili, ary tenin’ny tanana any Zimbabwe ilay fivoriambe manontolo na ny ampahany. Ho hitanao ao amin’ny jw.org, tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny daty sy toerana hanaovana an’ireo fivoriambe any Zimbabwe.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Zimbabwe: John Hunguka, tel. +263 4 2910591