Ahoana no Ampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah An’izay Fanomezana Voarainy?
Mampiasa ny fanomezana voarainay izahay mba hanohanana ny zavatra ataon’ny fikambananay, na zavatra mifandray amin’ny fivavahana izany na asa soa. Manao an’ireo izahay mba hanatratrarana ny tanjonay lehibe indrindra. Tsy inona izany fa ny hanampy ny olona ho lasa mpianatr’i Kristy Jesosy.—Matio 28:19, 20.
Tsy ampiasainay mba hampanan-karena olona ireny fanomezana ireny. Tsy karamaina ny anti-panahy, na ny mpiandraikitra ao aminay. Tsy karamaina hitory isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mikarama koa ireo rehetra miasa any amin’ny biraon’ny sampanay na any amin’ny foibenay, anisan’izany ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ny sasany amin’ny zavatra ataonay
Famoahana boky sy lahatsoratra: Mandika Baiboly sy boky ara-baiboly an-tapitrisany izahay isan-taona, ary manao pirinty sy mizara azy ireny maimaim-poana. Tsy andoavam-bola koa ny maka an’ireo zavatra avoaka ao amin’ny tranonkala jw.org sy ao amin’ny programa JW Library, ary tsy ahitana dokam-barotra natao hitadiavam-bola.
Fanorenana sy fikojakojana: Manorina trano tsotsotra izahay maneran-tany, mba hahafahan’ny fiangonana mivory sy midera an’Andriamanitra. Mikojakoja an’ireny trano ireny koa izahay. Manorina biraon’ny sampana sy biraon’ny fandikan-teny koa izahay, ary mikojakoja azy ireny. Mpiasa an-tsitrapo no manao ny ankamaroan’ny asa, amin’izay kely kokoa ny vola lany.
Fitantanana: Fanomezana an-tsitrapo avy amin’ny asa ataonay maneran-tany no anohanana ny asa atao any amin’ny foibenay, biraon’ny sampana, biraon’ny fandikan-teny, ary ny asa ataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany.
Fitoriana: Tsy karamaina ny Vavolombelona mitory ny Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! sy mampianatra “ny tenin’Andriamanitra.” (2 Korintianina 2:17) Misy mpitory sasany omena fanampiana anefa, mba ho afaka hanokana ny ankamaroan’ny fotoanany hanaovana ny asa fitoriana, hoatran’ny nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Afaka mahazo an’izay tena ilainy eo amin’ny fiainana izy ireny amin’izay, ary afaka mipetraka amin’ny trano tsotsotra. Ampiofanina ny mpitory voafidy hanao an’izany.—Filipianina 4:16, 17; 1 Timoty 5:17-18.
Fampianarana: Ny vola fanomezana voarainay no anohanana ny fivoriamben’ny faritra sy ny fivoriamben’ny vondrom-paritra ataonay. Mamokatra raki-peo sy video ara-baiboly koa izahay. Mandamina sekoly hampiofanana anti-panahy sy mpitory manontolo andro koa izahay mba hahafahan’izy ireo mamita tsara ny andraikiny.
Fanampiana ny tra-boina: Omenay sakafo sy rano ary trano izay tra-boina noho ny rivo-doza, ohatra, na noho ny ady. Tsy ny ‘mpiray finoana aminay’ ihany no anaovanay asa soa, fa ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah koa.—Galatianina 6:10.