Ahoana no Andaminana ny Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
Anti-panahy vitsivitsy no miandraikitra ny fiangonana tsirairay. Fiangonana 20 eo ho eo no atambatra dia antsoina hoe faritra. Mitsidika tsy tapaka an’ireny fiangonana ireny ny anti-panahy mpitety faritany, antsoina hoe mpiandraikitra ny faritra.
Manana Filan-kevi-pitantanana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary izy io no manome tari-dalana sy toromarika avy ao amin’ny Baiboly. Vavolombelona efa ela daholo no ao anatin’izy io, ary any amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Warwick, any Etazonia izy ireo no miasa.—Asan’ny Apostoly 15:23-29; 1 Timoty 3:1-7.