Ahoana no Fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Siansa?
Tena mankasitraka ny zava-bitan’ny siansa izahay. Manaiky ny vokatry ny fikarohana ataon’izy ireo koa izahay, raha misy porofo ilay izy.
Hoy ny diksionera iray: “Ny siansa dia fianarana momba ny toetoetran’ny zavaboary, sy izay fahalalana azontsika avy amin’izy ireny.” Tsy boky momba ny siansa ny Baiboly, nefa mampirisika ny olona hianatra momba an’izao rehetra izao, sy handray soa amin’ny vokatry ny fikarohana ataon’ny mpahay siansa. Ireto misy ohatra:
Momba ny kintana sy ny planeta: “Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny? Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy.”—Isaia 40:26.
Momba ny zavamananaina: “Niresaka momba ny hazo [i Solomona], hatramin’ny sedera any Libanona ka hatramin’ny hysopa mivoaka avy eny amin’ny rindrina. Niresaka momba ny bibidia sy ny biby manidina sy ny biby mandady ary ny trondro koa izy.”—1 Mpanjaka 4:33.
Momba ny fitsaboana: “Tsy ny salama no mila dokotera, fa ny marary.”—Lioka 5:31.
Momba ny toetrandro: ‘Efa niditra tao amin’ny trano fitehirizana ny lanezy ve ianao? Sa ianao efa nahita ny trano fitehirizana ny havandra? Aiza ny lalana ielezan’ny rivotra avy any atsinanana, eny ambonin’ny tany?’—Joba 38:22-24.
Mihevitra ny siansa ho zava-dehibe ny boky sy gazetinay. Ahitana lahatsoratra momba ny zavaboary sy ny vokatry ny fikarohana ataon’ny mpahay siansa mantsy ao amin’izy ireny. Mampirisika ny zanany hianatra tsara koa ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah, amin’izay izy ireo mahafantatra tsara ny zava-misy manodidina azy. Mpahay siansa mihitsy aza ny Vavolombelon’i Jehovah sasany, ohatra hoe manam-pahaizana momba ny simia, matematika, ary fizika.
Voafetra ihany ny zava-bitan’ny siansa
Tsy mino izahay hoe afaka mamaly ny fanontaniana rehetra apetraky ny olona ny siansa. a Ny mpandinika ny nofon-tany, ohatra, miezaka mamantatra hoe vita amin’ny inona ny tany. Ny mpikaroka momba ny vatan’olombelona indray mandinika hoe ahoana no fiasan’izy io. Fantatr’izy ireo ve anefa hoe nahoana ny tany no azo onenana tsara, ary nahoana no miara-miasa tsara ny faritra rehetra amin’ny vatan’olombelona?
Araka ny hevitray, dia ny Baiboly ihany no afaka mamaly an’ireo fanontaniana ireo. (Salamo 139:13-16; Isaia 45:18) Mino izahay fa raha te ho ampy fahalalana tsara ny olona iray, dia tsara kokoa raha sady mianatra momba ny siansa izy no mianatra momba ny Baiboly.
Hoatran’ny hoe mifanohitra amin’ny siansa ny Baiboly, indraindray. Ny antony mahatonga an’izany anefa, dia satria tsy azon’ny mpahay siansa tsara izay tena lazain’ny Baiboly. Tsy mampianatra, ohatra, ny Tenin’Andriamanitra hoe noforonina tao anatin’ny enina andro ara-bakiteny ny tany.—Genesisy 1:1; 2:4.
Eken’ny olona maro ny zavatra sasany ampianarin’ny siansa, nefa tsy misy porofo mazava manamarina azy ireny akory. Na dia ny mpahay siansa malaza aza tsy manaiky azy ireny. Betsaka, ohatra, ny mpikaroka momba ny zavamananaina sy ny mpahay simia no miaiky fa tsy marina ilay hoe sendra niova ny fototarazon’ny zavamananaina ka nanome karazany hafa. Tsy marina koa, hono, ilay hoe izay matanjaka amin’izy ireo ihany no velona. Mitovy hevitra amin’izy ireo izahay satria hita hoe nisy namorona izao rehetra izao ary tena mahay ilay namorona azy.
a Hoy i Erwin Schrödinger, Aotrisianina mpahay fizika nahazo loka Nobel: ‘Tsy resahin’ny siansa mihitsy izay tena zava-dehibe amintsika.’ Hoy koa i Albert Einstein: “Rehefa miatrika zava-tsarotra isika, dia lasa fantatsika hoe tsy ampy hamahana ny olana eo amin’ny fiainana ny fahaizana.”