Inona no Atao hoe Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
Ny Filan-kevi-pitantanana dia Kristianina matotra vitsivitsy manome tari-dalana ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Mizara roa ny asan’izy ireo:
Miandraikitra ny fanomanana ny fampianarana ara-baiboly havoaka any amin’ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na hianarana amin’ny fivoriana sy amin’ny sekoly ataon’izy ireo.—Lioka 12:42.
Manara-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, ka mitarika ny asa fitoriana ataonay sady mitantana ny vola sy fanomezana an-tsitrapo omen’ny olona.
Manahaka ny ‘apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema’ tamin’ny taonjato voalohany ny Filan-kevi-pitantanana. (Asan’ny Apostoly 15:2) Nandray fanapahan-kevitra lehibe ireo lehilahy ireo tamin’izany, mba hahasoa ny fiangonana manontolo. Tsy izy ireo anefa no mpitarika ny fiangonana kristianina. Tsy ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana koa no mpitarika ny fandaminana misy anay. Eken’izy ireo fa i Jesosy Kristy no notendren’i Jehovah Andriamanitra ho Lohan’ny fiangonana, ary mitady tari-dalana ao amin’ny Baiboly izy ireo rehefa hanapa-kevitra.—1 Korintianina 11:3; Efesianina 5:23.
Iza avy no anisan’ny Filan-kevi-pitantanana?
Ireto avy no anisan’ny Filan-kevi-pitantanana: Kenneth Cook, Gage Fleegle, Samuel Herd, Geoffrey Jackson, Stephen Lett, Gerrit Lösch, Mark Sanderson, David Splane, ary Jeffrey Winder. Manompo any amin’ny foibenay any Warwick, any Etazonia, izy ireo.
Ahoana no fomba fiasan’ny Filan-kevi-pitantanana?
Nanangana komity enina ny Filan-kevi-pitantanana mba hiandraikitra ny asa samihafa ataonay Vavolombelon’i Jehovah, ka manompo ao amin’ny iray na maromaro amin’ireo komity ireo ny tsirairay amin’izy ireo.
Komitin’ny Mpandrindra: Miandraikitra ny resaka lalàna. Mandray andraikitra rehefa misy loza, na rehefa enjehina noho ny finoanay izahay Vavolombelon’i Jehovah, na rehefa misy olana hafa mahazo anay ka mila alamina haingana.
Komitin’ny Mpiasa: Mikarakara an’izay ilain’ny fianakavian’ny Betela eran-tany.
Komitin’ny Fampanontana: Manara-maso ny famoahana boky sy gazety sy ny fandefasana azy ireny any amin’ny toerana samihafa. Manara-maso ny fanorenana toeram-pivoriana sy biraon’ny fandikan-teny ary tranon’ny sampana.
Komitin’ny Fanompoana: Miandraikitra ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana” ataonay.—Matio 24:14.
Komitin’ny Fampianarana: Manomana ny fampianarana ara-baiboly homena amin’ny fivoriana, amin’ny sekoly isan-karazany, ary amin’ny raki-peo sy video.
Komitin’ny Fanoratana: Manomana ny fampianarana ara-baiboly hatao pirinty sy havoaka ao amin’ny tranonkalanay. Miandraikitra ny asa fandikan-teny.
Ankoatra ny asa ataon’ny Filan-kevi-pitantanana ao amin’ireo komity ireo, dia mivory koa izy io isan-kerinandro mba handinika ny zavatra ilain’ny fandaminanay. Miara-mandinika an’izay lazain’ny Soratra Masina izy ireo amin’ireny fivoriana ireny, ary manaiky hotarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra ka mifanaraka tsara rehefa misy fanapahan-kevitra raisina.—Asan’ny Apostoly 15:25.
Iza ireo antsoina hoe mpanampy ny Filan-kevi-pitantanana?
Kristianina azo itokisana izy ireo ary manampy an’ireo komity eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana. (1 Korintianina 4:2) Efa mahay tsara ny asa ataony ao amin’ilay komity misy azy izy ireo sady manana traikefa amin’izany. Manatrika ny fivoriana isan-kerinandro ataon’ilay komity misy azy koa izy ireo. Tsy manapa-kevitra izy ireo fa manome soso-kevitra sy fanazavana mety hilaina, manatanteraka ny fanapahan-kevitr’ilay komity, ary mijery tsy tapaka hoe nanao ahoana ny vokatr’ilay izy. Mety hasain’ny Filan-kevi-pitantanana hitsidika ny Vavolombelon’i Jehovah namanay any amin’ny toerana maro eran-tany izy ireo, na mety hotendreny hanao anjara amin’ny fandaharana manokana, ohatra hoe amin’ny fivoriana fanao isan-taona, na amin’ny Fizarana Diplaoman’i Gileada.
Komitin’ny |
Anarana |
---|---|
Mpandrindra |
|
Mpiasa |
|
Fampanontana |
|
Fanompoana |
|
Fampianarana |
|
Fanoratana |
|