Mahazo Mampiaraka ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
Ilaina ny manaraka ny toro lalana sy fitsipika ao amin’ny Baiboly rehefa hanapa-kevitra, araka ny hevitray Vavolombelon’i Jehovah. Mampifaly an’Andriamanitra izany sady mahasoa. (Isaia 48:17, 18) Tsy izahay no namorona an’ireny toro lalana sy fitsipika ireny, nefa miezaka manaraka azy ireny izahay. Ireto, ohatra, misy toro lalana ho an’ny olona miaraka alohan’ny fanambadiana na mampiaraka: a
Natao haharitra mandrakizay ny fanambadiana. (Matio 19:6) Zava-dehibe aminay Vavolombelon’i Jehovah àry ny fiarahana alohan’ny fanambadiana, satria dingana mialoha ny fanambadiana izy io.
Ny olona efa ampy taona hanambady ihany no afaka mampiaraka. Tokony ho “efa dila ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana” vao mampiaraka ny olona iray, izany hoe efa tsy mafy be intsony ny faniriany hanao firaisana.—1 Korintianina 7:36.
Ny olona mahazo manambady ihany no afaka mampiaraka. Tsy izay rehetra nisara-panambadiana ara-dalàna anefa no mahazo manambady indray, rehefa jerena ny fitsipik’Andriamanitra. Milaza mantsy ny Baiboly fa tsy mahazo misaraka amin’ny vadiny ny olona iray ka manambady indray, raha tsy hoe fijangajangana no antony nisarahany tamin’ilay vadiny taloha.—Matio 19:9.
Milaza ny Baiboly fa tsy tokony hanambady afa-tsy mpiray finoana aminy ihany ny Kristianina te hanambady. (1 Korintianina 7:39) Tsy hoe rehefa manaja ny fivavahanay ny olona iray, dia efa heverinay ho mpiray finoana aminay. Tokony ho Vavolombelon’i Jehovah vita batisa kosa izy ary manaiky sy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. (2 Korintianina 6:14) Efa hatramin’ny ela Andriamanitra no nandidy ny mpanompony mba tsy hanambady afa-tsy mpiray finoana aminy ihany. (Genesisy 24:3; Malakia 2:11) Na ny manam-pahaizana aza mahita fa mahasoa ny manaraka an’io fitsipika io. b
Tokony hankatò ray aman-dreny ny ankizy. (Ohabolana 1:8; Kolosianina 3:20) Ny ankizy mbola miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny no tena mila manao izany. Tokony hankatò, ohatra, izy raha milaza ny ray aman-dreniny hoe rehefa firy taona izy vao mahazo mampiaraka ary inona no azony atao na tsy azony atao rehefa mampiaraka.
Rehefa jerena ny Soratra Masina, dia anjaran’ny Vavolombelona tsirairay ny manapa-kevitra hoe hampiaraka izy sa tsia, ary iza no hiarahany. Voalaza ao hoe: ‘Samy hitondra ny entany avy ny tsirairay.’ (Galatianina 6:5) Na izany aza, dia hendry ny Vavolombelona maro ka mitady torohevitra any amin’ny Kristianina hafa, izay hitany hoe matotra sy mahalala an’izay hahasoa azy.—Ohabolana 1:5.
Be dia be ny zavatra fanaon’ny olona rehefa mampiaraka, nefa fahotana lehibe ny sasany amin’izy ireny. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa ratsy ny mijangajanga. Tsy izay manao firaisana amin’ny olona tsy vadiny ihany no atao hoe mijangajanga, fa izay manao zavatra vetaveta amin’ilay olona koa, ohatra hoe manafosafo ny filahiany na ny fivaviany, na manao firaisana amin’ny vava na amin’ny lava-pitombenana. (1 Korintianina 6:9-11) Misy koa manao zavatra hafa manaitra ny filan’ny nofo, na dia tsy tonga hatramin’ny fanaovana firaisana aza. Efa “fahalotoana” izany ka halan’i Jehovah. (Galatianina 5:19-21) Tsy tiany koa ny “resaka vetaveta.”—Kolosianina 3:8.
Mamitaka ny fo. (Jeremia 17:9) Mety hahatonga ny olona iray hanao zavatra efa fantany fa ratsy izy io. Inona àry no azon’ny olona mampiaraka atao mba hisorohana an’izany? Tsy tokony hiaraka irery any amin’ny toerana mety hahatonga azy ho resin’ny fakam-panahy izy ireo. Tsara raha miaraka amin’ny olona iray na olona maromaro izy ireo fa tsy mitokantokana. (Ohabolana 28:26) Mailo koa ny Kristianina tsy manambady ka tsy mitady vady ao amin’ny Internet. Fantany mantsy fa mety hahita loza izy, indrindra raha olona tsy fantany tsara ilay ifandraisany.—Salamo 26:4.
a Tsy fanao any amin’ny tany sasany ny mampiaraka. Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy maintsy mampiaraka aloha ny olona roa vao mivady.
b Milaza, ohatra, ny gazety Marriage & Family Review fa “nisy fanadihadiana telo natao momba ny fanambadiana, ka hita fa maharitra ela izy io (25 taona ka hatramin’ny 50 taona na mihoatra), raha toa ny mpivady ka mitovy hevitra momba ny resaka fivavahana sy mitovy zavatra inoana ary mitovy fivavahana.”—Gazety faha-38, laharana 1, pejy 88 (2005).