Fitsidihana Betela
Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay. Betela no anarany. Misy fampirantiana any amin’ny sampana sasany, dia tsy mila mpitarika ianao rehefa mitsidika azy ireny fa azonao jerena samirery ilay izy.
Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.
Japon
Fampirantiana
Ny Lovantsika: Aseho ao hoe ahoana no nitahian’i Jehovah ny asa fitoriana tany Japon tato anatin’ny 100 taona mahery. Hahafantatra ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’io firenena io ny mpitsidika. Ho hitan’izy ireo ao, ohatra, ny fitaovana hafakely nampiasaina tamin’ny fitoriana sy ny asa vitan’ny misionera.
Baiboly any Japon: Ahitana Baiboly vitsy mpanana ao, anisan’izany ny Baiboly voalohany nadika ho amin’ny teny japoney.
Adiresy sy Telefaonina