Efitrano Fanjakana ho An’ny Vavolombelona Iray Tapitrisa
Nanorina Efitrano Fanjakana 5000 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah any Amerika Afovoany a sy Meksika, teo anelanelan’ny 1999 sy 2015. Mbola mila manorina Efitrano Fanjakana 700 mahery fanampiny ny Vavolombelona, satria efa iray tapitrisa izy ireo ary misy olon-kafa koa manatrika ny fivoriany.
Sarotra tamin’ny fiangonana tany Amerika Afovoany sy Meksika ny nanorina toeram-pivavahana, taloha. Tany an-tranon’olona, ohatra, ny ankamaroan’ny Vavolombelona no nivory tany Meksika. Tsy navelan’ny lalàna nividy tany mantsy ny fivavahana, nandritra ny taona maro. Niova anefa ny lalàna taorian’ny 1990, ka nanorina Efitrano Fanjakana maro ny Vavolombelon’i Jehovah. Na izany aza, dia naharitra volana maromaro ny fanorenana ny efitrano tsirairay.
Nohafainganina ny asa fanorenana
Nohafainganina ny asa fanorenana nanomboka tamin’ny 1999. Natsangana mantsy ny Ekipa Mpanorina Efitrano Fanjakana mba hiasa any amin’ny tany mahantra, ka nasiana koa tany Meksika sy tany amin’ireo firenena fito anisan’i Amerika Afovoany. Ny biraon’ny sampana any Meksika indray no miandraikitra an’ilay asa fanorenana eran’i Amerika Afovoany sy Meksika, nanomboka tamin’ny 2010.
Tsy mora ny manorina Efitrano Fanjakana any amin’ny toerana mitokana. Voatery nandeha lakana adiny telo teo ho eo teny an-dranomasina, ohatra, ireo mpanao fanorenana tany Panama, rehefa nanorina Efitrano Fanjakana iray. Voatery nampiasa fiaramanidina kely koa ireo mpanao fanorenana tany Chiapas, any Meksika, rehefa nitatitra fitaovana tany amin’ny toerana lavitra iray.
Tian’ny olona ny Efitrano Fanjakana vaovao
Matetika no faly ny olona tsy Vavolombelona fa hisy Efitrano Fanjakana haorina ao an-tanànany. Nisy olona te hanorina toeram-pandihizana, ohatra, teo amin’ny tany iray tany Honduras. Tsy tia an’izany anefa ny lehilahy iray. Faly be kosa izy rehefa nilaza ny Vavolombelon’i Jehovah hoe hanorina Efitrano Fanjakana teo amin’ilay tany izy ireo.
Gaga be ny olona rehefa mahita fa tena mazoto ireo mpanao fanorenana. Hoy ny lehilahy iray tany Goatemalà: “Mahandro sakafo ihany no asan’ny vehivavy atỳ aminay. Gaga be anefa izahay fa manao ny asan-dehilahy koa ny vehivavy manorina eto, ka misy manambatra vy, ary misy mandalotra rindrina.” Nividy sakafo sy zava-pisotro ho an’ny mpanao fanorenana mihitsy aza ny olona sasany nipetraka teny akaikin’ny toerana nanaovana fanorenana.
Maro koa no nilaza hoe tsara tarehy ireo Efitrano Fanjakana. Nilaza tamin’ny ben’ny tanàna, ohatra, ny injeniera iray tany Nikaragoà, fa tsara tarehy ilay Efitrano Fanjakana, sady tena tsara koa ny fitaovana nanorenana azy. Izy io no trano tsara indrindra teo an-tanàna, hoy izy.
Tena faly koa ny Vavolombelon’i Jehovah fa manana toeram-pivoriana mahafinaritra. Hitan’izy ireo fa mazoto mivory ireo mpianatra Baiboly, rehefa vita ilay Efitrano Fanjakana. Nanampy an’ireo mpanao fanorenana ny Vavolombelona tao amin’ny fiangonana iray any Meksika, ka nahavita Efitrano Fanjakana izy ireo. Hoy izy ireo: “Misaotra an’i Jehovah izahay fa afaka nandray anjara tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana izay manome voninahitra ho an’ny anarany.”
a Anisan’i Amerika Afovoany ny repoblikan’i Goatemalà, Salvadaoro, Honduras, Nikaragoà, Costa Rica, Panama, ary Belize, raha jerena ny Merriam-Webster’s Collegiate Dictionary, Fanontana Faha-11.