Hijery ny anatiny

Asa no Tadiaviny fa Tsy Karama

Asa no Tadiaviny fa Tsy Karama

Vavolombelon’i Jehovah 11000 mahery no nandao ny tranony sy ny taniny mba handraisana anjara tamin’ny fanorenana trano tany amin’ny firenena 120, tato anatin’ny 28 taona. Faly erỳ izy ireo miasa tontolo andro mampiasa ny fahaizany sy ny heriny nefa tsy mandray karama.

Maro tamin’izy ireo no niantoka ny saran-dalany mba handehanana any amin’izay toerana hanaovana fanorenana. Mampiasa ny andro tsy iasany ny sasany, ary ny hafa kosa miera mihitsy mba tsy hiasa mandritra ny fotoana lavalava ka mahafoy karama be.

Tsy nisy nanery izy ireo rehefa nahafoy an’izany rehetra izany, fa nanolo-tena an-tsitrapo kosa mba hampandrosoana ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, izay atao maneran-tany. (Matio 24:14) Nanorina birao, trano fonenana, ary trano fanaovana pirinty Baiboly sy boky ara-baiboly izy ireo. Nanorina Efitrano Fivoriambe misy seza hatramin’ny 10000 koa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nanorina Efitrano Fanjakana misy seza hatramin’ny 300.

Mbola mitohy hatramin’izao izany. Ny biraon’ny sampana any amin’izay toerana anaovana fanorenana no manome trano sy sakafo ary zavatra hafa mety hilain’ireo mpiasa an-tsitrapo ireo isan’andro. Sasana koa ny lamban’izy ireo. Faly koa ny Vavolombelona eo an-toerana mandray anjara amin’ny fanorenana.

Nisy birao natsangana tamin’ny 1985 mba handaminana an’io asa goavana io. Izay te hanolo-tena handray anjara amin’ny fanorenana, dia tsy maintsy Vavolombelon’i Jehovah, 19 taona ka hatramin’ny 55 taona, ary havanana amin’ny karazan’asa fanorenana iray, fara fahakeliny. Matetika izy ireo no tendrena hiasa mandritra ny tapa-bolana ka hatramin’ny telo volana. Mety haharitra herintaona na mahery koa anefa izany.

Ampianarina mamatotra vy amin’ny tariby ny vadin’ireo lehilahy mpanao fanorenana, na mametaka karô, na mandoko, na ny toy izany. Ny sasany kosa mikarakara sakafo na manadio trano.

Misy amin’ireny mpiasa an-tsitrapo ireny te haneho fisaorana noho izy ireo nasaina hiasa, ka manoratra taratasy rehefa tafody any aminy. Nanoratra toy izao ny mpivady iray: “Misaotra betsaka anareo izahay fa afaka niasa tany amin’ny sampan’i Budapest. Be fitiavana sady mahay mankasitraka ny Vavolombelona any Hongria. Iray volana izahay no tany nefa tena sarotra taminay ny nanao veloma an-dry zareo. Fa efa fantatray hoe hoatr’izany foana ireny. Enga anie ka mbola ho afaka hanao fanorenana izahay amin’ny lohataona. Isaky ny avy manao fanorenana izahay, dia hoatran’ny hoe iny foana no volana tsara indrindra hatramin’izay.”