Hijery ny anatiny

Sasana ao Amin’ny Betela Daholo na Lamba Fanadiovana na Akanjo Mihaja

Sasana ao Amin’ny Betela Daholo na Lamba Fanadiovana na Akanjo Mihaja

Tsy mitsitsy fotoana sy hery hanasana lamba ireo lehilahy sy vehivavy tanora maro any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia. Lamba 1 800 taonina eo ho eo isan-taona no sasan’izy ireo, any Brooklyn sy Patterson ary Wallkill. Ny habetsahan’ny lamba fotsiny dia efa mahavariana. Be dia be koa anefa ny karazana lamba sasana ka izany no tena mampiavaka an’io asa io.

Mandefa lamba 11 000 mahery ireo mipetraka any amin’ny Betelan’i Etazonia isan’andro, ny alatsinainy hatramin’ny zoma: Lobaka 2 300, pataloa 650, tiserta, ba, ary silipy sy ny toy izany. Mandefa akanjo 900 hafa koa izy ireo mba hodiovina amin’ny ranoka manokana nefa tsy lemana amin’ny rano.

Antontan-damba maro misavovona koa no sasana, anisan’izany ny lambam-pandriana, servieta, bodofotsy, aron’akanjon’ny mpandroso sakafo, ary lamba fanadiovana. Mila sasana sy hamainina ary aterina daholo ny lamba rehetra. Diovina tambabe ireo lamba fanadiovana sy ny toy izany, fa ny lamba toy ny kravaty sy ny akanjo ambony kosa atao tsirairay.

Mijery ny akanjo tsirairay ny mpanasa lamba sao misy rovitra na misy bokotra miendaka. Raha misy bokotra mila soloana, dia milina no manao an’izany na ilay izy zairina tanana. Efa misy mpanjaitra mahay koa mikarakara izay akanjo simba na mila fanamboarana kely.

Ahoana no itadidiana an’ireo akanjo an’arivony? Misy milina manisy fitomboka kely amin’ny akanjo tsirairay mba hanavahana azy ireo. Rehefa voasasa sy voapasoka àry ireo akanjo, dia voavaka ho azy mba halefa any amin’ny trano fonenan’ireo mpianakavin’ny Betelan’i Etazonia, arakaraka ny fitomboka eo aminy.

Izay efa za-draharaha no mampiofana an’izay vaovao ao amin’ny fanasan-damba. Mety hianatra karazan’asa efa ho 20 ilay mpiofana. Hoatran’ny hoe tsotsotra, ohatra, ny fiheverantsika ny fanalana tasy nefa ela be vao hay tsara. Tsy maintsy hain’ilay mpiofana tsara hoe inona daholo no azo atao sy tsy azo atao amin’ny karazan-damba tsirairay mba tsy hahasimba azy.

Hoy i Tajh, izay efa niasa tao amin’ny fanasan-damba nandritra ny herintaona sy tapany, momba ny mpiara-miasa aminy: “Mahafinaritra be daholo ry zareo. Tiako ilay miara-miasa amin’olona isan-karazany.” Hoy koa i Shelly: “Madio sy mihaja tsara ny fianakavian’ny Betela, ary tombontsoa ny hoe mandray anjara amin’izany.”