Hijery ny anatiny

Andao Hijery An’ilay Fampirantiana ny Tantaran’ny Kristianina!

Andao Hijery An’ilay Fampirantiana ny Tantaran’ny Kristianina!

Nisokatra tamin’ny Oktobra 2012 ny fampirantiana ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny foibenay any Brooklyn, any New York. a Azo tsidihina izy io ary tsy mila mpitarika. Asongadin’ilay fampirantiana ny ady mafy sy ny zava-tsarotra natrehin’ny olona sasany ary ny fandresena azon’izy ireo, rehefa niezaka ho lasa Kristianina izy ireo.

Zava-nitranga nanomboka tamin’ny taona 33 ka hatramin’izao no ho hitan’ny mpitsidika. Misy fizarana efatra ilay fampirantiana, ary tsipika mampiseho ny zava-nitranga nandritra ny vanim-potoana samihafa no mampifandray azy rehetra. Mitondra loha hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina ny fizarana tsirairay ary manomboka amin’ny horonan-tsary amin’ny teny anglisy. Misoratra eny ambany amin’ny teny espaniola, frantsay, italianina, japoney, koreanina, na portogey ny zavatra tenenina amin’ilay horonan-tsary.

Ireo fizarana amin’ilay fampirantiana

“Naleon’ny Olona ny Haizina.” Io no loha hevitry ny fizarana voalohany ary nalaina avy amin’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 3:19 izany. Efa nilaza ny Baiboly fa ho avy ny fotoana “hipoiran’ny olona manolana hevi-teny.” (Asan’ny Apostoly 20:30) Hita eo amin’ilay tsipika mampiseho ny zava-nitranga samihafa ny zavatra ratsy mampalahelo be dia be nataon’ireny olona ireny.

Nalaina avy ao amin’ny 2 Korintianina 4:6 kosa ny loha hevitry ny fizarana faharoa hoe “Aoka ny Hazavana Hamirapiratra.” Izay zava-nitranga taloha kelin’ny 1900 sy taoriana kelin’izay no hita ao amin’io fizarana io. Ny tantaran’ireo lehilahy nafana fo niezaka hahalala an’izay tena lazain’ny Soratra Masina no manomboka an’io fizarana io. Aseho ao koa ny nitomboan’izy ireo sy ny nahafantarany ny fahamarinana tsikelikely, talohan’ny Ady Lehibe I.

Ilay horonan-tsary malaza hoe “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” (anglisy) no aseho ao amin’ny tapany manaraka amin’io fizarana faharoa io. Nanomboka nandefa an’io horonan-tsary miavaka io ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny), tamin’ny 1914. Fitambarana sary tsy mihetsika sy sary mihetsika ilay izy sady misy feo. Olona an-tapitrisany no nijery an’io fandaharana io nandritra an’ireo taona maro taorian’ny nivoahany. Aseho amin’ilay fampirantiana koa ny sary sasantsasany nalaina avy amin’ilay horonan-tsary, sy video kely mampiseho ny voalohandohan’ilay fampisehoana an-tsary, ary sary miloko 500 mahery.

Nalaina avy ao amin’ny Apokalypsy 12:17 ny loha hevitry ny fizarana fahatelo hoe “Tezitra Ilay Dragona.” Resahina ao amin’io fizarana io ny fanenjehana niaretan’ny mpanara-dia an’i Kristy teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, sy ny tantaran’ireo Kristianina tsy nety nandray anjara tamin’ny ady. Aseho ao amin’ny video iray, ohatra, ny tantaran’i Remigio Cuminetti. Vavolombelona izy ka tsy nety nanao ny fanamian’ny miaramila italianina, ary tsy nety nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe I. Ny video iray hafa indray mampiseho ny tantaran’i Alois Moser, avy any Aotrisy. Tsy nety nanao fiarahabana hoe “Heil Hitler!” izy ka voaroaka tamin’ny asany ary nalefa tany amin’ny toby fitanan’i Dachau.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah nogadraina tany Gresy, Japon, Polonina, Serbia, ary tany an-toeran-kafa, satria tsy nivadika tamin’ny zavatra ninoany izy ireo. Misy sarin’izy ireo ao amin’ilay fampirantiana, ary misy toerana kely namboarina mba hitovy amin’ny efitra maizimaizina nigadran’izy ireo.

Nalaina avy tao amin’ny Matio 24:14 ny loha hevitr’ilay fizarana farany hoe “Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra.” Hazavaina ao ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1950 ka hatramin’izao. Misy sary maromaro napetaka amin’ny rindrina koa ao mampiseho hoe mitombo haingana ny Vavolombelon’i Jehovah, mikiry amin’ny fitoriana, sady mifankatia toy ny mpirahalahy, ary izany rehetra izany no mampiavaka azy ireo.

Alohan’ny hivoahan’ny mpitsidika avy ao amin’ilay fampirantiana, dia azony atao ny mijery ny Tranon’ny Baiboly sy ny Tranolain’i Brooklyn, izay trano nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah 100 taona mahery lasa izay. Misy fitaovana elektronika manokana azony ijerena an’izany.

Ny antony nanaovana an’ilay fampirantiana

Herintaona no nikarakarana an’ilay fampirantiana ary volana maro no nanamboarana ny zavatra rehetra tao amin’ilay izy. Vavolombelona maro maneran-tany no nanome zavatra izay noheveriny hoe vakoka sy rakitry ny ela.

Nahoana tokoa no natao izany asa be izany? Hoy ny lehilahy iray anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nanontaniana hoe inona ny soa horaisin’ny Vavolombelona mitsidika an’io toerana io: “Ilaina ny mitodika ny lasa mba hiatrehana ny hoavy.”

a Ao amin’ny 25 Columbia Heights, any Brooklyn, any New York, no misy an’ilay fampirantiana ary misokatra ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma manomboka amin’ny 8.00 maraina ka hatramin’ny 5.00 tolakandro. Tsy misy vidim-pidirana.