Hijery ny anatiny

Ezaka Natao Maneran-tany mba Hampahafantarana ny JW.ORG

Ezaka Natao Maneran-tany mba Hampahafantarana ny JW.ORG

Nizara taratasy mivalona ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany tamin’ny Aogositra 2014, mba hampahafantarana ny jw.org. Nisy fitomboana 20 isan-jato mahery àry ny isan’ny olona nitsidika an’ilay tranonkala tamin’io volana io, izany hoe efa ho 65 tapitrisa. Olona 10000 latsaka kely no nandefa fangatahana tao amin’ny Internet satria te hianatra Baiboly. Nisy fitomboana 67 isan-jato izany, raha oharina amin’ny tamin’ny volana Jolay! Nahasoa olona tany amin’ny faritra rehetra ilay ezaka manokana.

Nahazo fanampiana ireo nitady ny valin’ireo fanontaniana momba ny fiainana

Nihaona tamin’i Madeline tao anaty ascenseur ny Vavolombelona iray any Kanada. Nomeny azy ilay taratasy mivalona nanaovana ezaka manokana, izay mitondra ny lohateny hoe Iza no Mahavaly ny Fanontaniana Momba ny Fiainana? Nilaza i Madeline fa vao ny alin’io mihitsy izy no nivavaka teny an-davarangana, ary nangataka tamin’Andriamanitra mba hanoro azy ny valin’ny fanontaniana toy izany. Efa niantso fiangonana maro, hono, izy ary nangataka ny hampianarina Baiboly, fa mbola tsy nisy niantso ry zareo. Tsy ela i Madeline dia nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nahazo fanampiana ireo mbola tsy mahalala Baiboly

Nahita lehilahy sinoa i Rowena teo anoloan’ny toerana iray fivarotana sakafo masaka, any Philippines. Nomeny an’ilay taratasy mivalona ilay lehilahy. Nohazavainy koa fa vonona hampianatra Baiboly maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tian’izy ireo handray soa avy amin’izany ny olona.

Nilaza ilay lehilahy fa mbola tsy nahita Baiboly mihitsy izy. Lasa te hanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, noho ny resaka nifanaovan’izy ireo. Nilaza izy taorian’izay fa te hahalala bebe kokoa momba ny Baiboly, ary haka azy io avy ao amin’ny tranonkalantsika.

Nahazo fanampiana ny marenina

Nihaona tamin’i Jorge, mpiara-mianatra taminy taloha, i Guillermo, Vavolombelona any Espaina. Samy marenina izy roa lahy. Nilaza i Jorge fa maty vao haingana ny reniny, ka maro ny fanontaniana nanahiran-tsaina azy. Nomen’i Guillermo an’ilay taratasy mivalona izy, ary natorony azy ny fampiasana ny jw.org mba hahitany ny valin’ny fanontaniany amin’ny tenin’ny tanana. Nasain’i Guillermo hamonjy fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana koa izy. Tonga tokoa izy, ary tsy nanapaka fivoriana mihitsy nanomboka teo, na dia any amin’ny 60 kilaometatra miala an’ilay efitrano aza no misy azy.

Nahazo fanampiana ireo mipetraka any amin’ny toerana mitokana

Nandany vola be ny Vavolombelona efatra (mpivady roa) any Groenlandy mba hahatongavana tany amin’ny tanàna kely iray nisy mponina 280. Nandeha sambo kely nandritra ny adiny enina izy ireo tamin’izany. Nitory izy ireo nony tonga tany, nizara taratasy mivalona, ary nampiseho video amin’ny teny groenlandey tao amin’ny jw.org. Nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny mpivady anankiray koa ry zareo. Mianatra indroa isan-kerinandro izao izy mivady, fa atao an-telefaonina ny fianarany.

Tsy ireo tany amin’ny tendron-tany avaratra ihany no nanao ezaka be toy izany, fa ireo Vavolombelona tany Nikaragoà koa. Nandeha bisy nandritra ny adiny 20 izy ireo. Ilay bisy amin’izany efa kadraoka be moa ny lalana koa feno lavadavaka. Mbola nanao dia an-tongotra adiny 11 izy ireo taorian’izay, ary nandeha tao anaty fotaka mandrevo indraindray. Ny hizara an’ilay taratasy mivalona tamin’ireo mponina tany anaty ala any Karaiba no tanjon’izy ireo. Taratasy mivalona tamin’ny teny mayangnan no nentin’izy ireo, satria izany no fitenin’ny olona any. Nampiseho video tamin’ny teny mayangnan koa ry zareo, ka talanjona ny mponina sady faly.

Sendra nandalo tao amin’ny tanàna kely iray tany anaty alan’i Amazonia ny lehilahy iray any Brezila, ka nomen’i Estela an’ilay taratasy mivalona. Noraisiny ilay izy ary nataony tao am-paosy, satria tsy tena nahaliana azy. Maty anefa ny maoteran’ilay sambo nitondra azy hody, ka nihitsoka teny afovoan-drano izy. Inona no nataony mandra-piandry an’ireo olona hamonjy azy? Novakiny ilay taratasy mivalona. Nampiasainy koa ny findainy mba hidirana tao amin’ny jw.org. Namaky lahatsoratra maromaro izy ary naka video vitsivitsy. Nihaona tamin’ny vadin’i Estela izy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nasainy nampitaina tamin’i Estela ny fisaorana tamin’ilay taratasy mivalona. Hoy izy: “Tony be aho mandra-piandry an’ilay sambo hanavotra ahy, noho ireo lahatsoratra novakiko. Tian’ny zanako koa ireo video misy an’i Kaleba. Hitsidika ny jw.org foana aho izao.”