Mahatratra Tampon’isa ny Vavolombelon’i Jehovah
Nandaha-teny tao amin’ny kianja Plaza Monumental any Valence, any Venezoelà, i Lyman Swingle, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1987. Nisy 63 580 ny mpanatrika ary maro tamin’izy ireo no nandeha bisy nandritra ny alina mba hihaino an’ilay lahateny. Hoy ny Rahalahy Swingle: “Tsy sampana kely intsony izao ny sampanareo, fa antonony. Raha izao fandehany izao, dia kely sisa ianareo dia ho anisan’ny tany manana mpitory 100 000!”
Mbola 38 000 mahery ny mpitory tany Venezoelà tamin’ny 1987, izany hoe ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah mazoto miresaka momba ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Firenena valo ihany no mbola nanana mpitory 100 000 mahery tamin’izany.
Nitombo be mihitsy ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. An’arivony vitsivitsy fotsiny no nitory momba ny Fanjakan’i Jehovah, taorian’ny Ady Lehibe I. Niova anefa izany. Hoy ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1943: “Notahin’i Jehovah isika rehefa jerena ny fitambaran’ny tatitra tamin’ny 1942, na dia mbola tsy feno aza ilay izy satria sarotra ny fifandraisana. ... Hita mantsy hoe 106 000 mahery izao maneran-tany ny mpitory manao an’ilay asa [fitoriana ny vaovao tsara].” Maro no nandray tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly na dia nandritra ny Ady Lehibe II aza. Tany Etazonia fotsiny dia efa 100 000 mahery ny isan’ny mpitory, tamin’ny 1950.
Nahatratra 100 000 koa ny isan’ny mpitory tany Nizeria, tamin’ny 1974.
Samy nihoatra ny 100 000 ny isan’ny mpitory tany Brezila sy Alemaina, herintaona taorian’izay. Kontinanta efatra àry no nahitana fitomboana ka hita hoe mahaliana ny olona eran-tany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
Nitombo foana ny isan’ny olona nanaiky ny vaovao tsara, maneran-tany. Mifanaraka tsara amin’ity efa nolazain’ny Baiboly mialoha ity izany: “Ny vitsy ho lasa arivo, ary ny kely ho lasa firenena mahery. Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoanany.”—Isaia 60:22.
Asehon’ny tatitra tamin’ny taom-panompoana 2014 fa firenena 24 izao no samy ahitana Vavolombelona 100 000 mahery. Tafiditra amin’ireo i Venezoelà, izay nahatratra an’io tampon’isa io tamin’ny 2007. Miisa 115 416 izao ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, ary 8 201 545 ny mpitory.
Kontinanta |
Firenena |
Mpitory |
---|---|---|
Afrika |
Angola |
108 607 |
Ghana |
125 443 |
|
Nizeria |
362 462 |
|
Repoblika Demokratikan’i Congo |
216 024 |
|
Zambia |
178 481 |
|
Azia |
Japon |
215 703 |
Philippines |
196 249 |
|
Repoblikan’i Korea |
100 641 |
|
Eoropa |
Alemaina |
166 262 |
Espaina |
112 493 |
|
Frantsa |
127 961 |
|
Grande-Bretagne |
138 515 |
|
Italia |
251 650 |
|
Polonina |
123 177 |
|
Rosia |
171 268 |
|
Ukraine |
150 906 |
|
Amerika Avaratra |
Etazonia |
1 243 387 |
Kanada |
116 312 |
|
Meksika |
829 523 |
|
Amerika Atsimo |
Arzantina |
150 171 |
Brezila |
794 766 |
|
Kolombia |
166 049 |
|
Peroa |
123 251 |
|
Venezoelà |
140 226 |