Hijery ny anatiny

Fizarana Diplaoman’i Gileada, Kilasy Faha-134—“Tahafo ny Finoany”

Fizarana Diplaoman’i Gileada, Kilasy Faha-134—“Tahafo ny Finoany”

Nizarana diplaoma tamin’ny 9 Martsa 2013 ny kilasy faha-134 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Tao amin’ny foibem-pampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Patterson, any New York, ilay izy no natao. Nampiofanina mba hahay hitory kokoa sy hahay hampianatra Baiboly kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah efa za-draharaha nandritra an’io sekoly io. Nanatrika an’ilay fizarana diplaoma ny naman’izy ireo sy ny havany ary ny vahiny maro hafa ka nisy 9 912 ny mpanatrika.

I Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no mpanolotra fandaharana. Nampahatsiahiviny fa tamin’ny 1 Febroary 1943, izany hoe 70 taona lasa izay, no notokanana ny Sekolin’i Gileada. Nanazava ny antony nanaovana an’ilay sekoly i Nathan Knorr, talen’ilay sekoly, tamin’izay. Nilaza izy fa raha mihamaro ny mpitory dia hihamaro koa ny olona azo itoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Natoky anefa izy hoe ho tanteraka izany noho ny fitahian’ny Tompo. Marina ve ny tenin’ny Rahalahy Knorr?

Diniho ity ohatra ity: Nankany Meksika ny Rahalahy Knorr taoriana kelin’ny nanombohan’ilay sekoly voalohany, mba hitady faritra azo anendrena an’ireo ho misionera. Nisy fivoriana nalamina tamin’izay, ary nasaina hanatrika azy io daholo izay fiangonana tao anatin’ny 240 kilaometatra manodidina an’i Mexico, ka 400 ny mpanatrika. Efa ho 70 taona lasa izay no nanendrena ny misionera voalohany tany Meksika. Raha averina asaina amin’ny fivoriana iray ny fiangonana ao anatin’io faritra io izao, dia olona 200 000 mahery no hantenaina ho avy.

“Inona ny eny An-tananao?” Io no lahateny nataon’i Anthony Griffin, izay anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia, ary nalainy avy tao amin’ny Eksodosy 4:2 izy io. Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy, ao amin’io andinin-teny io: “Inona iny eny an-tananao iny?” Dia hoy i Mosesy: “Tehina.” Ilay tehina no nataon’i Jehovah famantarana hoe izy no naniraka sy nanome fahefana an’i Mosesy. (Eksodosy 4:5) Tsy nahita olana izy rehefa nampiasa ny fahefany mba hanomezana voninahitra an’Andriamanitra. Nampahatezitra an’Andriamanitra kosa izy rehefa nampiasa an’ilay izy mba hanomezana voninahitra ny tenany sy hanomezana tsiny ny hafa, toy ny nataony tany “Meriba.”—Nomery 20:9-13.

Nampitahain’ny Rahalahy Griffin tamin’ny tehin’i Mosesy ny fampiofanana azon’ny mpianatra nandritra an’ilay sekoly. Nampirisika azy ireo izy mba tsy hampiasa an’izany hanjakazakana amin’ny hafa. Hoy kosa izy: “Ampiasao mba hiderana sy hanomezana voninahitra an’i Jehovah ny zavatra nomena anareo, dia ho fitahiana ho an’ny olona any amin’izay hanendrena anareo ianareo.”

“Tadidio ny Mana.” Niresaka momba ny mana nomen’Andriamanitra ny Israelita tany an-tany efitra i Stephen Lett, izay anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nilaza izy fa misy zavatra efatra azontsika ianarana avy amin’izany.

  • Miezaha foana hiasa mafy. (Nomery 11:8) Tsy maintsy nanangona sy nikarakara haingana an’ilay mana ny Israelita raha te hihinana an’ilay izy.—Eksodosy 16:21.

  • Aza mimenomenona amin’izay zavatra omen’i Jehovah mihitsy. (Nomery 11:5, 6) Nimenomenona momba an’ilay mana ny Israelita, nefa noraisin’i Jehovah hoe nimenomenona taminy mihitsy izy ireo. Tsy voatery hahaliana antsika foana koa ny sakafo ara-panahy omena antsika, nefa tena ilaintsika daholo. Tokony hankasitraka an’izay rehetra omen’i Jehovah antsika isika.

  • Matokia tanteraka hoe hanome izay ilainao i Jehovah. Tsy niovaova mihitsy Andriamanitra fa nanome mana isan’andro, ary nataony avo roa heny izany ny andro talohan’ny Sabata. (Eksodosy 16:22-26) Matoky koa isika fa hanome izay ilaintsika Andriamanitra.—Matio 6:11.

  • Tsy hotahina mihitsy izay tsy mankatò. (Eksodosy 16:19, 20, 25-28) Nitady hanangona mana tamin’ny Sabata ny Israelita sasany. Tsy nahita na inona na inona anefa izy ireo fa vao mainka aza nampahatezitra an’i Jehovah. Nitahiry mana mandra-maraina koa ny sasany tamin’izy ireo tamin’ny andro hafa. Niteraka olitra sy maimbo be anefa ilay mana ny ampitso.

Nampirisihin’ny Rahalahy Lett àry ny mpianatra mba hitadidy foana an’izany lesona momba ny mana izany. Raha manao izany izy ireo, dia ‘hovohan’i Jehovah ho azy ireo ny vavahadin-dranon’ny lanitra, ary handrotsaka fitahiana be dia be ho azy ireo izy, mihoatra noho izay ilain’izy ireo aza.’—Malakia 3:10.

“Vonona ho ao Amin’ny Tontolo Vaovao ve Ianao?” I William Samuelson, mpiandraikitra ny sampan-draharahan’ireo sekoly ara-baiboly any Patterson, no namelabelatra an’izany. Marina fa maika ny ho ao amin’ny tontolo vaovao isika, hoy izy. Vao mainka anefa isika tokony ho vonona, amin’ny heviny hoe tokony hiomana tsara ny hiditra ao. Tokony “hisaina tsara” àry isika.—1 Petera 4:7.

Hita amin’ny fomba fiheverantsika ny toetra ratsy ananantsika raha misaina tsara isika na tsia. Tsy tokony hoe i Satana na ny tontolo eo ambany fahefany foana no homentsika tsiny rehefa manao diso isika. Tsy tokony hieritreritra isika hoe rehefa any amin’ny tontolo vaovao isika vao hanitsy ny toetrantsika, satria amin’izay vao tsy ho eo intsony i Satana sy ny tontolony. Dieny izao isika dia efa afaka miezaka miala amin’ny toetra ratsy ananantsika, ohatra hoe tia tena, ka miezaka ny “hitafy ny toetra vaovao.”—Efesianina 4:24.

“Apetraho ny Peninao.” Nampiasa fanoharana i Mark Noumair, mpampianatra amin’ny Sekolin’i Gileada. Toy ny penina “ny fanirianao hanoratra an’izay ho fiainanao”, ary toy ny hoe ‘apetrakao ny peninao’ rehefa i Jehovah no avelanao hanoratra an’izay ho fiainanao.

Fampitandremana ho antsika ny zavatra nitranga tamin’i Saoly Mpanjaka. Tsy nirehareha izy tamin’izy vao lasa mpanjaka, fa tena nanetry tena. (1 Samoela 10:22, 27; 11:13) Nanomboka “nanoratra ny fiainany” anefa izy, izany hoe nanao izay noheveriny fa mety ary nitady voninahitra ho an’ny tenany. Nolavin’Andriamanitra izy satria tsy nankatò.—1 Samoela 14:24; 15:10, 11.

Na tsy nivadika aza ireo mpianatra hatramin’izao, dia mbola nampahatsiahy azy ireo ihany ny Rahalahy Noumair hoe mila manohy manao ny asan’i Jehovah amin’ny fomba itiavany azy izy ireo. Hoy izy tamin’ireo mpianatra: “Tandremo sao mieritreritra hoe ankasitrahan’Andriamanitra foana ianareo matoa ampiasainy.” Tsy nanaraka ny toromarik’Andriamanitra, ohatra, i Mosesy rehefa namoaka rano avy tao amin’ny vatolampy tamin’ny fomba mahagaga. Tsy notahin’i Jehovah izy na dia nisy vokany aza ilay izy.—Nomery 20:7-12.

“Mampanakoako ny Feon’ilay Anjely Manidina eny Afovoan’ny Lanitra.” Nanao fanamarihana niorina tamin’ny Apokalypsy 14:6, 7 kosa i Sam Roberson, mpampianatra amin’ny Sekolin’i Gileada. Nasainy nanao fampisehoana ny zavatra hitan’izy ireo vao haingana teny amin’ny fanompoana ny mpianatra avy eo. Nitory tamin’ny mpitsabo mpanampy tany amin’ny hopitaly, ohatra, ny iray tamin’ireo mpianatra rehefa avy nodidiana. Avy any Peroa ilay mpitsabo mpanampy ka sarin’olona mitory any Chachapoyas, any Peroa, avy ao amin’ilay tranonkala jw.org no nanombohany ny resaka. Mianatra Baiboly izao ilay vehivavy sy ny vadiny.

“Nofitahinao Aho ... ka Voafitaka.” (Jeremia 20:7) Nanadinadina mpivady roa tamin’ireo mpianatra i Allen Shuster, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia. Nahatsapa hoe nofitahin’i Jehovah ireo mpianatra. Natahotra mantsy izy ireo tamin’ny voalohany hoe tsy haharaka an’ilay sekoly. Gaga anefa izy ireo tamin’ny fanampiana be dia be azony rehefa tena nandeha ilay sekoly, ka vitan’izy ireo ihany ilay izy. Hoy ny anabavy Marianne Aronsson: “Tsy ho sarotra amiko intsony ny mieritreritra hoe inona no ianarana, satria toy ny harena sarobidy ny andinin-teny tsirairay ao amin’ny Baiboly.”

“Tahafo ny Finoany.” I David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao an’ilay lahateny fototra miorina amin’ny Hebreo 13:7. Izao no voalaza ao: “Tsarovy ireo mitarika eo aminareo, dia ireo nilaza ny tenin’Andriamanitra taminareo. Ary rehefa mandinika ny soa entin’ny fitondran-tenany ianareo, dia tahafo ny finoany.” Ahoana no nisehoan’ny finoan’ireo ‘nitarika’ ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 70 taona lasa?

Novorin’i Nathan Knorr ireo mpitantana ny fikambanana roa nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 24 Septambra 1942. Nanao soso-kevitra izy tamin’izay hoe hasiana sekoly vaovao, antsoina hoe Sekolin’i Gileada, mba hampiofanana misionera hitory any amin’ny toerana mbola tsy misy mpitory. Sarotsarotra ihany anefa ny hanaovana an’izany, satria mbola nafana ny Ady Lehibe II tamin’izay. Sarotra ny handefa misionera any amin’ny tany maro. Nitotongana be koa ny toe-karena taorian’ny 1930, ka vola hanaovana an’ilay sekoly mandritra ny dimy taona fotsiny no nananan’ny fandaminana. Naneho finoana anefa ireo rahalahy ireo ka samy nanaiky an’ilay soso-kevitra.

Mendrika hotahafina koa ny finoan’ireo nanatrika ny Sekolin’i Gileada voalohandohany. Niezaka ny hahay hianina izy ireo ary tsy tia vola. (Hebreo 13:5, 6) Fantatry ny maro tamin’izy ireny hoe mety tsy hahita ny fianakaviany intsony izy. Tsy hanam-bola hiantohana ny saran-dalan’izy ireo mantsy ny fianakaviany raha mba te hitsidika ny havany izy ireo. Maro aza ny misionera tsy nahita ny havany nandritra ny 10 na 15 taona, rehefa lasa tany amin’ny fanendrena azy. Resy lahatra anefa izy ireo hoe hikarakara azy sy ny fianakaviany foana i Jesosy, toy ny efa nataony hatramin’izay.—Hebreo 13:8.

Kilasy voalohany, tamin’ny 1943

Nitantara ny tsipirian’ny olana natrehin’ireo nanompo tany an-tany hafa sy ny olana natrehin’izy ireo talohan’ilay sekoly ny Rahalahy Splane. Hoy izy avy eo tamin’ireo mpianatra: “Tafiditra ho anisan’ireo lehilahy sy vehivavy nanatrika ny Sekolin’i Gileada nandritra an’izay 70 taona izay ianareo izao. ... Mifalia foana na aiza na aiza hanompoanareo an’i Jehovah.”

Nampiseho ny sarin’ireo 77 nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada ny Rahalahy Splane, teo am-pamaranana ny anjarany. Nanatrika an’ilay kilasy voalohany tamin’ny 1943 ny roa tamin’izy ireo. Samy mbola manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia izy rehetra ireo izao. Nampiarahina tamin’ny hira nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny fivavahany tato anatin’ny 70 taona ireo sary ireo.

Namaky taratasy fankasitrahana ny solontenan’ny mpianatra, rehefa voazara ny diplaoma. Namarana an’ilay fandaharana avy eo ny Rahalahy Sanderson. Nohamafisiny hoe na dia efa 70 taona aza izay no lasa, dia mbola marina ny tenin’ny Rahalahy Knorr tamin’ilay kilasy voalohany hoe: ‘Na aiza na aiza andefasana anareo, dia tadidio hoe mpitorin’ilay Fanjakana ianareo. Ny ho mpitory mihira fiderana amin’izao fotoana alohan’ny Hara-magedona izao no tombontsoa lehibe indrindra ananan’ny zavaboary eto an-tany. Raha mbola manana tombontsoa hitory àry ianareo, dia mitoria.’