Hijery ny anatiny

Fizarana Diplaoman’ny Kilasy Faha-136 Amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Fizarana Diplaoman’ny Kilasy Faha-136 Amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Nandalina ny Baiboly nandritra ny dimy volana ireo mpianatra tamin’ny kilasy faha-136 amin’ny Sekolin’i Gileada, ary tamin’ny asabotsy 8 Martsa 2014 ny fizarana diplaoma. Nianaran’ireo Vavolombelon’i Jehovah za-draharaha ireo tamin’ilay sekoly ny fomba hahitany vokatra kokoa amin’ny fanompoany sy ny fomba hanatanjahana ny finoan’ny Vavolombelona namany. Olona 11548 no nanatrika an’ilay fizarana diplaoma. Nisy ny nanatrika mivantana tao amin’ny foibem-pampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Patterson, any New York, ary nisy ny nanaraka tamin’ny alalan’ny video, tany Kanada, Jamaika, Porto Rico, ary Etazonia.

“Aoka ho ao Aminareo Foana Izao Toe-tsaina Izao.” I David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no mpanolotra fandaharana. Nataony niorina tamin’ny Filipianina 2:5-7 ny lahateniny. Voalaza ao hoe: “Aoka ho ao aminareo foana izao toe-tsaina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa.” Tsy nieritreritra be momba ny toerana notanany i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Nanetry tena kosa izy ary be zotom-po tamin’ny asan’Andriamanitra.

Naka teny avy amin’ny lahateny nataon’i Mosesy ho an’ny firenen’Israely, ohatra, i Jesosy rehefa namaly ny fakam-panahy tsirairay nataon’ny Devoly, ka niteny foana hoe “Voasoratra hoe.” (Matio 4:4, 7, 10; Deoteronomia 6:13, 16; 8:3) Tsy ny fahefany amin’ny maha Zanak’Andriamanitra azy no namaliany an’i Satana. Nanetry tena kosa izy ka nampiseho hoe nankasitraka ny asan’i Mosesy. Tokony hekentsika koa hoe mahay ny hafa ary tsy tokony ho sasatry ny midera azy ireo isika.

Nasongadin’ny Rahalahy Splane koa hoe ahoana no nampisehoan’i Jesosy toe-tsaina tsara, rehefa nifarana ny fiofanany teto an-tany. Hoy i Jesosy rehefa nivavaka: “Efa nanome voninahitra anao aho teto an-tany, satria vitako ny asa nasainao nataoko. Koa ankehitriny, Ray ô, omeo voninahitra eo anilanao aho, dia ilay voninahitra nananako teo anilanao fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.” (Jaona 17:4, 5) Tsy nitady tombontsoa fanampiny i Jesosy. Nangataka fotsiny izy hoe mba haverina amin’ny toerany taloha, rehefa miverina any an-danitra. Tokony hifantoka amin’ny asa hataony koa ireo mpianatra amin’ny Sekolin’i Gileada, fa tsy amin’izay toerana hotanany. Tokony ho afa-po izy ireo na dia tsy hahazo tombontsoa fanampiny aza rehefa miverina any amin’izay anendrena azy.

“Aza Anenenana Izay Nafoinareo.” Mpanampy ny Komitin’ny Fampianarana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana i William Malenfant. Nampirisihiny hahafoy tena toy ny apostoly Paoly ny mpianatra. Nisy zavatra nafoin’i Paoly rehefa nanompo an’i Jehovah izy. Tsy nanembona an’izany anefa izy fa nilaza hoe: “Manadino ny zavatra any aoriana aho ary mikely aina hanatratra ny eo aloha.”—Filipianina 3:13, 14.

Hanahaka ny mpanompon’Andriamanitra fahiny sy ankehitriny ireo mpianatra raha tsy manenina amin’izay afoiny. Niresaka momba an’i Clara Gerber Moyer, ohatra, ny Rahalahy Malenfant. Mbola kely izy dia efa nanomboka nanompo an’i Jehovah. Hoy io anabavy io: “Tena tombontsoa ny mitodika an’ireo 80 taona mahery lasa nanolorako ny tenako ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra—tsy misy fanenenana! Raha afaka mamerina indray ny fiainako aho, dia hiaina mitovy amin’izany.”

“Mitory Ilay Fanjakana Miaraka Amin’ny Anjely sy toy ny Anjely.” Manana tombontsoa manokana roa ny mpitory, ary izany no nohazavain’i Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ireo mpianatra. Voalohany, toy ny hoe anjelin’Andriamanitra izy ireo rehefa mitondra ny hafatra momba ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Azo adika hoe “mpitondra hafatra” koa mantsy ny teny hebreo sy grika nadika hoe “anjely” ao amin’ny Baiboly. Faharoa, anjely no mitarika ny fitoriana ataon’ireo mpianatra, toy izay nitranga tamin’i Filipo.—Asan’ny Apostoly 8:26-35.

Nitantara zavatra maro hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah teny am-pitoriana ny Rahalahy Lösch, avy eo. Nandondòna inefatra tao amin’ny trano iray, ohatra, i Gabino, mpitory any Meksika. Indray mandeha na indroa fotsiny anefa no mahazatra azy. Nilaza ilay olona namoha varavarana fa efa saika hamono tena izy. Hoy ilay rangahy: “Efa nofatorako [tamin’ny tady] ny tendako tamin’ny ianao nandondòna faninefany. Nesoriko anefa ilay izy mba hamohako anao. Misaotra anao nandondòna foana. Raha tsy izany mantsy dia efa maty aho hoatr’izay.”

Marina fa mety ho sendra teo fotsiny ny mpitory, amin’ny fitantarana sasany toy ireny. Fantatsika anefa fa maro amin’ireny fitantarana ireny no manaporofo hoe mitarika ny fitoriana maneran-tany ny anjelin’Andriamanitra.—Apokalypsy 14:6.

“Hotahina Ilay Nahazo Voninahitra.” I Michael Burnett, anisan’ny mpampianatra tamin’ilay sekoly, no namelabelatra an’io foto-kevitra io. Niresaka momba an’i Jabeza, taranak’i Joda, izay “nahazo voninahitra kokoa noho ny rahalahiny” izy. Nivavaka toy izao i Jabeza: “Raha hitahy ahy tokoa ianao, ka hanitatra ny faritaniko, sady homba ahy ny tananao, ary hiaro ahy tsy ho voan’ny loza ianao, ...”—1 Tantara 4:9, 10.

Afaka manahaka an’i Jabeza ireo mpianatra rehefa manao vavaka voafaritra tsara, indrindra rehefa mivavaka amin’i Jehovah mba hanampiany azy ireo hanatanteraka ny tanjon’ny fiofanana tamin’ilay sekoly. Mety koa raha mivavaka izy ireo mba harovan’i Jehovah amin’ny loza, izany hoe mba hampiany tsy halahelo na ho kivy loatra noho ny faharatsiana fa tsy hoe mba tsy hisy loza hitranga aminy mihitsy. Novalian’i Jehovah ny vavak’i Jabeza ary hovaliany koa ny an’ireo mpianatra.

“Avelao Hirehitra Foana ny Afonareo.” Niorina tamin’ny 1 Tesalonianina 5:16-19 ny lahatenin’i Mark Noumair, mpampianatra tamin’ilay sekoly sady mpanampy ny Komitin’ny Fampianarana. Mila solika sy oksizenina ary hafanana ny afo mba hirehitra foana. Zavatra telo koa no ilain’ny mpianatra mba hahatonga azy ireo hafana fo amin’ny fanompoana foana.

Voalohany, “mifalia mandrakariva.” (1 Tesalonianina 5:16) Ho faly ireo mpianatra rehefa misaintsaina hoe ankasitrahan’i Jehovah, ary fitahiana lehibe izany. Ho toy ny solika hamelona ny hafanam-pony izany. Faharoa, “aza mitsahatra mivavaka.” (1 Tesalonianina 5:17) Toy ny oksizenina mamelona afo ny vavaka. Tokony ho lavalava ny vavaka ataontsika satria mamboraka ny ao am-pontsika amin’i Jehovah isika. Fahatelo, “misaora amin’ny zava-drehetra.” (1 Tesalonianina 5:18) Raha tia mankasitraka isika, dia hafana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy amin’ireo rahalahy. Hoy ny Rahalahy Noumair: “Mahaiza mankasitraka foana, fa toy ny hafanana izany. Aza tia manakiana kosa, fa toy ny hatsiaka izany.”

“Miderà An’i Jehovah Miaraka Amin’ny Lanitra.” Mpampianatra amin’ny sekoly ara-baiboly i Sam Roberson ary hevitra avy ao amin’ny Baiboly no nanombohany ny lahateniny. Nasehony hoe midera an’i Jehovah daholo ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. (Salamo 19:1; 89:37; 148:3) Nilaza izy fa nanana tombontsoa nidera an’i Jehovah koa ireo mpianatra. Naverina nolalaovina an-tsehatra avy eo ny zavatra sasany hitan’ny mpianatra teny am-pitoriana. Intỳ misy ohatra: Najanon’ny mpianatra iray ny fiara nentiny mba ho afaka hiampita arabe ny lehilahy iray nandeha tamin’ny seza misy kodiarana. Nisaotra azy ilay lehilahy ary nisaorany koa. Nifampiresaka izy ireo ary nanaiky hianatra Baiboly maimaim-poana ilay lehilahy. Afaka nitory tamin’ny olona maromaro nitsidika an’ilay lehilahy ilay mpiofana tamin’ny Sekolin’i Gileada, rehefa nampianatra azy nandritra ny herinandro maromaro. Olona fito, tamin’ny farany, no nianatra Baiboly noho ilay resaka tamin’ny voalohany.

“Mihamatanjaka Foana Noho ny Fampianaran’Andriamanitra.” Nanadinadina mpivady roa tamin’ireo mpianatra i Donald Gordon, mpanampy ny Komitin’ny Fampanontana. Nilaza ny iray tamin’izy ireo fa niverimberina tamin’ilay sekoly ny Efesianina 3:16-20. Nahatonga azy ireo “hohatanjahina” izany satria nanampy an’ireo mpianatra hanetry tena sy ho mora hatonina ary hanaiky hoe mbola betsaka ny asa tian’i Jehovah hankinina amin’ny Vavolombelona tsirairay. Nilaza koa ny iray tamin’ireo nadinadinina hoe nisy mpampianatra nampirisika azy ireo mba tsy ho toy ny trondro be ao anaty vilia baolina kely misy rano ka tsy afaka mitombo intsony, fa mba ho toy ny trondro kely ao amin’ny ranomasimbe. Hoy izy: “Nianarako tamin’iny hoe raha mitondra tena toy ny kely indrindra aho eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah, dia hampiany hitombo ara-panahy.”

“Enga Anie i Jehovah Hahatsiaro Anao, ka Hankasitraka Anao.” I Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fototra, izay niorina tamin’ilay vavak’i Nehemia hoe: “Mba tsarovy aho, ry Andriamanitro ô, ka aoka aho hahazo sitraka aminao.” (Nehemia 5:19; 13:31) Tsy hoe natahotra i Nehemia sao hohadinoin’i Jehovah izy sy izay nataony mba hanompoana azy. Nangataka tamin’i Jehovah kosa izy mba hahazo ny fankasitrahany rehefa hotsaroany, ary mba hotahiny.

Afaka matoky koa ireo mpianatra hoe hahazo sitraka amin’i Jehovah izy ireo rehefa hotsaroany, raha mampihatra izay nianarany tamin’ny Sekolin’i Gileada. Tokony ho ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, ohatra, no antony voalohany hivavahany aminy. (Marka 12:30) Tia an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo i Abrahama, ary tena tia azy i Jehovah rehefa nahatsiaro azy. Mbola nantsoin’i Jehovah hoe “namako” ihany izy, na dia arivo taona taorian’ny nahafatesany aza.—Isaia 41:8.

Nampahatsiahivin’ny Rahalahy Sanderson avy eo ireo mpianatra mba ho tia ny namany, indrindra fa ny fianakaviany ara-panahy. (Marka 12:31) Tokony hiezaka hanao zavatra hanampiana an’ireo mila ampiana izy ireo, toa an’ilay Samaritanina tsara fanahy izay niezaka ho “lasa naman’ilay azon’ny jiolahy.” (Lioka 10:36) Noraisiny ho ohatra i Nicholas Kovalak, misioneran’i Gileada ary mpiandraikitra ny vondrom-paritra taloha. Malaza ho tsara fanahy sy be fitiavana izy. Nampirisihiny hazoto amin’ny fanompoana ny mpiandraikitra mpitety faritany iray sy ny vadiny, indray mandeha, ary nilazany hoe tsara raha manomboka “aloha isan’andro, isan-kerinandro, isam-bolana, ary isan-taona.” Nandinika an’ilay anabavy nandritra ny andro vitsivitsy anefa izy, ary niteny taminy hoe: “Aza raharahaina ilay noteneniko iny, fa efa manao be mihitsy ianao. Alaivo mora, amin’izay ianao haharitra amin’ny fanompoana.” Iny toroheviny feno hatsaram-panahy iny no nanampy an’ilay anabavy hanompo manontolo andro nandritra ny taona maro.

Nampirisihin’ny Rahalahy Sanderson ny mpianatra mba hanatanteraka ny tanjon’ilay sekoly ka hampianatra sy hampiofana ny hafa. (2 Timoty 2:2) Afaka manatanjaka sy manamafy orina ny mpiara-manompo aminy izy ireo any amin’izay anendrena azy, sady matoky fa hankasitrahan’i Jehovah rehefa hotsarovany.—Salamo 20:1-5.

Famaranana. Rehefa avy nozaraina ny diplaoman’ny mpianatra, dia namaky taratasy fisaorana ny solontenan’ny mpianatra. Teo am-pamaranana, dia nanao ny hira faha-123, ao amin’ny Mihirà ho An’i Jehovah ny 15 tamin’ireo mpianatra. “Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry” no lohateniny ary natao tsy nisy feon-kira ilay izy.