An’arivony no Mianatra Mamaky Teny sy Manoratra
Olona 5700 mahery no nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah hamaky teny sy hanoratra, tamin’ny 2011.
Ghana:
Olona 9000 mahery no nampianarinay hamaky teny sy hanoratra tato anatin’ny 25 taona.
Zambia:
Olona efa ho 12000 no nihanahay namaky teny sy nanoratra, nanomboka tamin’ny 2002. Hoy i Agnes, 82 taona: “Rehefa nampandrenesina hoe hisy kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra ao amin’ny fiangonana, dia faly erỳ aho nisoratra anarana. Nahay nanoratra ny anarako aho tamin’ny lesona voalohany.”
Peroa:
Hoy ny mpianatra iray 55 taona: “Tsy nalefan’ny ray aman-dreniko tany an-tsekoly aho ka tsy nieritreritra mihitsy hoe mba hahay hamaky teny sy hanoratra.”
Mozambika:
Olona 19000 mahery no nahay namaky teny tato anatin’ny 15 taona. Hoy i Felizarda: “Faly aho satria lasa afaka mitady andinin-teny ao amin’ny Baiboly sy mamaky azy ireny amin’ny hafa. Sarotra be tamiko izany taloha.”
Nosy Salomon:
Izao no nosoratan’ny biraon’ny sampanay: “Tsy afaka nianatra ny olona maro nipetraka tany amin’ny toerana mitokana, taloha. Vitsy koa ny ankizivavy nandia fianarana. Nandray soa tamin’ilay kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra àry ny olon-dehibe. Maro no lasa matoky tena kokoa aorian’ilay fianarana.”