Hijery ny anatiny

“Tena Modely Ianareo!”

“Tena Modely Ianareo!”

NOMENA mari-pankasitrahana ny Vavolombelon’i Jehovah ao Saponara, any Sisila, noho ny fanampiana nentin’izy ireo taorian’ilay tondra-drano nitranga tany.

Nisy tondra-drano be tao amin’ny tanàna sasany tao amin’ny faritr’i Messina, ny 22 Novambra 2011. Nisy tany nihotsaka ny harivan’iny tao Sapanora, ka olona telo no maty: Ankizy iray sy olon-dehibe roa.

Nandamina ekipa misy mpiasa an-tsitrapo maromaro ny Vavolombelon’i Jehovah, taorian’ilay loza. Nomena fitaovana izy ireo ary nanala ny fotaka sy fakofako tany amin’ireo toerana tena voa mafy.

Niara-niasa tamin’ny manam-pahefana ireny ekipa ireny, ary nitondra fanampiana tany amin’izay tena nilana an’izany. Mbola nanampy foana izy ireo, na dia efa vita aza izay tena nilana vonjy maika. Nisy 50 ka hatramin’ny 80 teo ho eo izy ireo, ary ny sasany aza avy any amin’ny 97 kilaometatra mahery.

Maro ny mponina nisaotra an’ireo Vavolombelona. Izao no naverimberin’ny ben’ny tanàna: “Tena modely ianareo!”

Nomena mari-pankasitrahana ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Saponara, dimy volana taorian’izay, ka i Fabio Vinci, izay solontenan’ireo manam-pahefana teo an-toerana, no nanolotra izany.