Hijery ny anatiny

Nahazo Mari-pankasitrahana ny Vavolombelon’i Jehovah Satria Manampy An’ireo Voafonja

Nahazo Mari-pankasitrahana ny Vavolombelon’i Jehovah Satria Manampy An’ireo Voafonja

Nomena mari-pankasitrahana ny Vavolombelon’i Jehovah sivy tany Aostralia. Tena nanampy ny olona tao amin’ny fonja iray fihazonana ny mpifindra monina tsy ara-dalàna mantsy izy ireo. Ny Fonja Fihazonana ny Mpifindra Monina any Curtin, akaikin’i Derby, any Aostralia Andrefana, no nanome an’ilay mari-pankasitrahana. a

Mitsidika an’ireo voafonja ny Vavolombelona isan-kerinandro, mba hihaino azy ireo sady hiresaka hafatra mampahery sy manome fanantenana avy ao amin’ny Baiboly. Hoy i Christopher Riddoch, polisy miandraikitra ny resaka fivavahana sy kolontsaina ao amin’ilay fonja: “Tonga dia hita be eo amin’ireo voafonja ny vokatr’ilay fitsidihana.” Nilaza izy fa lasa falifaly kokoa izy ireo satria “fantany hoe misy olona miahy izay hahasoa azy any ivelany any.”

Nilaza koa Atoa Riddoch fa tsy ampy ilay mari-pankasitrahana mba hisaorana an’ireo Vavolombelona noho izy ireo “manatsara ny fiainan’ireo lehilahy” ao amin’ilay fonja. “Mahatonga ny fianakaviany sy ny fiangonany ary ny fivavahany ho tsara laza” koa, hono, ny Vavolombelona.

a Antonona lehilahy hatramin’ny 1500 ilay toerana.