Hijery ny anatiny

Nanampy ny Mpiray Tanàna Aminy ny Vavolombelon’i Jehovah any Italia

Nanampy ny Mpiray Tanàna Aminy ny Vavolombelon’i Jehovah any Italia

Taorian’ilay oram-be nandalo tao amin’ny faritra avaratr’i Italia, tamin’ny faramparan’ny Novambra 2016, dia dibo-drano ireo tanàna maromaro tao atsimo kelin’i Moncalieri. Tafakatra 50 santimetatra mahery ny haavon’ny rano any amin’ny toerana sasany. Hoy ny gazety iray: “Tsy nisy afa-bela tamin’ny rano na olona na zavatra.” Nasain’ny manam-pahefana nafindra toerana avy hatrany ny olona 1500 teo ho eo. Tsy nisy maty satria nanao zavatra haingana ny ekipa mpamonjy voina. Na izany aza dia fianakaviana maro no namoy ny fananany.

Niara-niasa nanampy tra-boina

Niasa avy hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana. Nanala fotaka sy sisan-javatra simba avy tao an-tranon’olona izy ireo ary nanavotra an’izay tsy simba. Navelan’ny manam-pahefana hiditra tany amin’ny lalana tsy azo aleha ny Vavolombelona vitsivitsy rehefa hitan’izy ireo hoe nitondra fitaovana sy sakafo mafana ho an’ny fianakaviana iray tra-boina. Nanome tanana hanampy an’ireo Vavolombelona namany sy ny olon-kafa tsy mitovy finoana aminy ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tondraky ny rano, ohatra, ny lakalin’ny tranobe iray ary anisan’ny mipetraka ao amin’io tranobe io ry Antonio, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nanala an’ilay rano ny mpamonjy voina, ary nanampy an-dry Antonio hamoaka ny sisan-javatra simba tao amin’ny lakaliny ny Vavolombelon’i Jehovah avy eo. Nanampy ny olon-kafa nipetraka tao amin’ilay tranobe koa ny Vavolombelona. Nanao tana-maro izy ireo ka ora vitsy ihany dia afaka daholo ny entana rehetra tany amin’ny lakalin’izy ireo. Tena nankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ny olona tao. Nitomany i Viviana, anisan’ny mipetraka ao amin’ilay tranobe, rehefa nanatona ny vadin’i Antonio sady nilaza taminy hoe: “Raha sitrakao dia mba ampitao any amin’ny mpiara-mivavaka aminareo ny fisaorana avy atỳ aminay. Tena mahafinaritra be ianareo!”

Nahita Vavolombelon’i Jehovah nanampy tra-boina ny olona tao amin’ny tanàna anankiray tena voa mafy. Te hanampy koa izy ireo ka nanaraka ny toromarika nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fankasitrahana an’ilay “fanampiana tsy voavidim-bola”

Simba be ny tranon’ny lehilahy iray sady tototry ny fotaka ny garaziny. Gaga izy nahita Vavolombelona valo niasa adiny efatra nanala an’ireo fakofako tao amin’ilay garazy. Te hisaotra azy ireo izy ka nofihininy ny sasany taminy, ary nametraka hafatra tao amin’ny tranonkala fifaneraserana izy mba hisaorana azy ireo tamin’ilay “fanampiana tsy voavidim-bola.”

Mitantara toy izao ny Vavolombelona iray: “Betsaka tamin’ny olona nampianay no tsy Vavolombelon’i Jehovah, ary maro no 80 taona mahery. Latsa-dranomaso ny sasany taminy sady nisaotra anay noho ny fanampiana natao ho azy ireo.” Nisaotsaotra an’ireo Vavolombelona ny lehilahy iray katolika mafana fo. Hoy koa izy: “Mahafinaritra ny mahita hoe mifanampy isika na dia tsy mitovy fivavahana aza.” Izao no nolazain’ny lehilahy iray: “Mampalahelo hoe mpitety tranon’olona isaky ny alahady maraina fotsiny no ahafantaran’ny olona anareo fa tsy hoe ilay ianareo tia manampy olona.”