Hijery ny anatiny

Baiboly Noraisim-peo Misy Feon’olona Be dia Be

Baiboly Noraisim-peo Misy Feon’olona Be dia Be

“Tena mahaliana ilay izy. Mampisaintsaina sady velombelona.”

“Hoatran’ny tena izy mihitsy ilay tantara resahin’ny Baiboly.”

“Mahafinaritra be ilay izy. Efa henoko foana ny tantara ao amin’ny Baiboly, fa amin’izao izy ireny vao tena hoatran’ny hoe iainako mihitsy.”

Santionany amin’ny zavatra lazain’ny olona momba ny bokin’i Matio noraisim-peo ireo. Amin’ny teny anglisy izy io, ary efa ao amin’ny jw.org.

Tamin’ny 1978 ny Vavolombelon’i Jehovah no nanomboka namoaka Baiboly noraisim-peo. Navoaka tamin’ny fiteny 20 io Baiboly noraisim-peo io, tatỳ aoriana, na izy manontolo na ny ampahany.

Namoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2013, ka nila naverina noraisim-peo indray ny Baiboly. Tsy olona telo hoatran’ilay teo aloha anefa no raisina feo amin’ity, fa olona be dia be. Manao ny feon’ireo olona 1000 mahery ao amin’ny Baiboly izy ireo.

Tena tsara ilay misy feon’olona be dia be, satria lasa azon’ny mpihaino sary an-tsaina ny tantara ao amin’ny Baiboly. Marina fa tsy hoatran’ny tantara ara-baiboly henoina ilay izy ka hoe misy mozika sy feon-javatra hafa. Hoatran’ny tena izy mihitsy anefa ilay izy rehefa misy feon’olona samy hafa.

Mila fandaminana tsara ilay tetikasa, satria be dia be ny olona raisina feo amin’ilay izy. Mila karohina tsara aloha hoe iza no miteny amin’ny andinin-teny tsirairay, dia avy eo jerena ny hevitra tiana hasongadina amin’ilay izy sy ny fihetseham-po tiana havoaka. Raha apostoly, ohatra, no miteny, nefa tsy voatonona ao amin’ilay tantara ny anarany, dia mila fantarina hoe feon’iza ilay izy. Raha hita amin’ilay zavatra tenenina hoe olona misalasala ilay miteny, dia mety hoe izay mpanao ny feon’i Tomasy no asaina manao azy. Raha fitenin’olona taitaitra indray, dia mety hoe izay mpanao ny feon’i Petera no asaina manao azy.

Mila jerena tsara koa ny taonan’ilay olona miteny. Feon’olona tanora, ohatra, no ilaina tamin’ny apostoly Jaona mbola tanora, fa feon’olona efa antitra kosa rehefa antitra izy.

Olona mahay mamaky teny tsara koa no tadiavina. Tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia no nifidianana ny ankamaroan’izy ireo. Nampanaovina andrana aloha izy ireo, ka nasaina nanomana sy namaky fehintsoratra tao amin’ny gazety Mifohaza! Nasaina namaky tenin’olona mifampiresaka, ao amin’ny Baiboly, koa izy ireo ka nojerena raha tafavoakany ny fihetseham-po amin’ilay izy, ohatra hoe tezitra na malahelo na faly na diso fanantenana. Izany no nahalalana hoe hoatran’ny ahoana ny fahaizan’ilay olona nampanaovina andrana, ary feon’iza no tena mety aminy.

Raisina feo any amin’ny studio any Brooklyn na Patterson na Wallkill amin’izay ilay olona, rehefa avy nomena ny anjarany. Misy olona iray efa asaina manoro hevitra, ka izy no mijery raha mety tsara ny feon’ilay raisina feo, ary tafavoaka ny fihetseham-po amin’ilay izy. Samy manana an’ilay zavatra hovakina ny mpanoro hevitra sy ilay olona raisina feo, ary misy toromarika ao amin’ilay izy hoe aiza no miato ary inona no mila hamafisina amin’ny andinin-teny tsirairay. Mampiasa an’ilay Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao noraisim-peo teo aloha koa ilay mpanoro hevitra mba hahitany ny fomba fanaovana an’ilay izy.

Mandritra an’ilay fandraisam-peo no esorina izay feo tsy ilaina. Mety haverimberina raisina ny teny na fehezanteny sasany, ka izay tsara indrindra no alaina dia atambatambatra, mba hahatonga an’ilay zavatra noraisim-peo ho tena tsara.

Mbola tsy fantatra hoe rahoviana no ho vita tanteraka ny fandraisam-peo an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina tamin’ny 2013. Halefa ao amin’ny jw.org anefa izay boky vita, ary hisy sarina fitaovana fihainoana feo, eo akaikin’ny anaran’ilay boky, ao amin’ilay pejy hoe “Boky ao Amin’ny Baiboly.”