Hijery ny anatiny

Nifindra any Espaina Ireo Mpandika Teny Amin’ny Teny Espaniola

Nifindra any Espaina Ireo Mpandika Teny Amin’ny Teny Espaniola

Nilaza i Jesosy fa hotorina maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14) Efa nanomboka tamin’ny 1909 no nadika tamin’ny teny espaniola ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka olona maro maneran-tany no mandre ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’io fiteny io. Ny teny espaniola izao no fiteny ofisialy faharoa be mpampiasa indrindra aorian’ny teny sinoa, ary olona 500 tapitrisa eo ho eo no mampiasa an’io fiteny io eran-tany.

Hoy i William, anisan’ny mpandika teny amin’ny teny espaniola: “Fiteny iraisam-pirenena ny teny espaniola, ary tany maro samy hafa kolontsaina no mampiasa azy io. Ny tanjonay rehefa mandika teny dia ny hanohina ny fon’ireo mpamaky samy hafa fiaviana sy fahaizana ary fari-piainana.” Mba hanatratrarana an’izany tanjona izany, dia natao olona samy hafa koa ny mpandika teny amin’ny teny espaniola. Misy avy any Arzantina, Etazonia, Goatemalà, Kolombia, Meksika, Orogoay, Porto Rico, Salvadaoro, Venezoelà, ary Espaina mazava ho azy.

Efa am-polony taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah no nandika teny tamin’ny teny espaniola tany Etazonia, ary nanampy tamin’izany ny mpandika teny any Arzantina sy Espaina ary Meksika. Nafindra tany Porto Rico anefa ilay ekipa mpandika teny tamin’ny 1993, mba hahatonga azy ireo hiara-hiasa amin’ny toerana iray ihany.

Tapaka tamin’ny Martsa 2012 fa hafindra indray ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny Amin’ny Teny Espaniola. Nafindra any amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Espaina izy io. Hoy i Edward: “Tsy vitan’ny hoe namindra olona sy entana ary fitaovana fotsiny izahay, fa tsy maintsy nafindra koa ny fitehirizam-boky, izay ‘ampahany’ tena ilain’ny sampan-draharahan’ny fandikan-teny.” Misy boky 2500 eo ho eo ilay fitehirizam-boky, anisan’izany ny fandikan-tenin’ny Baiboly an-jatony amin’ny teny espaniola.

Noraisina tsara tany Espaina ireo mpandika teny

Tafafindra soa aman-tsara ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny Amin’ny Teny Espaniola, tamin’ny 29 Mey 2013, ary faly nandray azy ireo ny fianakavian’ny Betelan’i Espaina. Niampita ny Oseana Atlantika ireo mpandika teny, boky maro be, ary fitaovana. Nahazo boky sy gazety foana anefa ireo mpamaky amin’ny teny espaniola, tao anatin’izany fotoana izany, noho ny fandaminana mialoha sy ny asa mafy natao. Hoy i Edward: “Ny hafatra momba ilay Fanjakana no tena zava-dehibe, ary tianay ho betsaka araka izay azo atao ny olona miteny espaniola mamaky an’io hafatra io.”