Efa Amin’ny Fiteny 300 Mahery Izao ny JW.ORG!
Raha mijery ny lisitry ny fiteny eto amin’ity pejy ity ianao, dia hahita fiteny 300 mahery. Tsy hahita hoatr’izany ianao any amin’ny tranonkala hafa.
Andao ange hampitahaina amin’ireo tranonkala malaza hafa io isa io e! Tamin’ny Jolay 2013, dia nisy tamin’ny fiteny enina ny tranonkalan’ny Firenena Mikambana. Amin’ny fiteny 24 ny Europa, tranonkalan’ny Vondrona Eoropeanina, ny Google amin’ny fiteny 71, ary ny Wikipedia amin’ny fiteny 287.
Maka fotoana be ny mandika tranonkala iray ho amin’ny fiteny 300 mahery. Vavolombelon’i Jehovah an-jatony maneran-tany, izay maniry hidera an’i Jehovah, no manao ny ankamaroan’izany asa izany. Efa misy ekipa voalamina tsara ho an’ny fiteny tsirairay, ary samy mampiasa ny fahaizany izy ireo mba handikana an’ireo lahatsoratra amin’ny teny anglisy ho amin’ny fiteniny.
Misy pejy maro nadika ho amin’ny fiteny 300 mahery ato amin’ny jw.org. Mahatratra 200000 mahery àry ny isan’ny pejy ato amin’ity tranonkala ity.
Tsy hoe misy amin’ny fiteny maro fotsiny ny jw.org, fa be mpitia koa. Ahitana an’izany ny vokatry ny fandinihana nataon’ny Alexa, kompania mpandinika ny fampiasana Internet maneran-tany. Misy tranonkala 87000 eo ho eo ao amin’ilay sokajy hoe “Religion and Spirituality” (“Fivavahana sy Finoana”). Anisan’ny tranonkala ao ny an’ny fivavahana lehibe sy ny fikambanana mpamoaka boky ara-pivavahana ary ny fikambanana mitovitovy amin’izany. Nitana ny laharana faharoa ny jw.org, tamin’ny Jolay 2013. Eo amin’ny laharana voalohany kosa ny tranonkala iray andoavam-bola, izay ahafahana mijery Baiboly amin’ny fandikan-teny samihafa ato amin’ny Internet.
Nahatratra 890000 mahery teo ho eo ny mpitsidika ny jw.org isan’andro, tamin’ny Oktobra 2013. Hataonay foana izay hahafahan’ny olon-drehetra hijery maimaim-poana an’ireo fanazavana mahasoa avy ao amin’ny Baiboly.