Hijery ny anatiny

Sary Mamoaka Tsara An’ilay Lahatsoratra no Alainay

Sary Mamoaka Tsara An’ilay Lahatsoratra no Alainay

Tianao ho fantatra ve hoe ahoana no fomba akanay sary? Tokony hifandray tsara amin’ny lahatsoratra sy hamoaka tsara ny heviny mantsy izay sary alaina. Andeha àry isika handinika ny fonon’ny Mifohaza! Septambra 2015. Ahoana izao no nakana an’io sary io? Ary inona avy ireo dingana tsy maintsy narahina? a

  • Andrana. Misy mpanao sary matihanina ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Sary, any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, Etazonia. Vakin’izy ireo aloha ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Fiheveranao ny Vola?” ary manao kisarisary maromaro mifanentana amin’izany izy avy eo. Ny Komitin’ny Fanoratana no mifidy hoe iza amin’ireo kisarisary ireo no mety indrindra amin’ilay lahatsoratra. Izay kisarisary voafidy eo no avoaka amin’ny sary tena izy.

    Kisarisary andrana naseho an’ny Komitin’ny Fanoratana mba hisafidianany izay mety indrindra

  • Toerana. Tsy tena tany amin’ny banky akory no nakana an’ilay sary. Nohaingoin-dry zareo kosa ny iray amin’ireo efitra fandraisana olona any, ka toy ny hoe tany amin’ny banky mihitsy ilay izy. b

  • Iza no alaina sary? Vavolombelon’i Jehovah daholo aloha no fidina e! Jerena fotsiny hoe iza no mba metimety atao mpanjifa any amin’ny banky. Tehirizina avy eo ilay sary, amin’izay tsy ireo mpandray anjara ireo foana no fidina rehefa haka sary indray.

  • Fitaovana. Vola vahiny no nampiasain’ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Sary, ka toy ny hoe tsy tany Etazonia ilay banky. Nampiasa fanaka sy fitaovana maro samihafa koa ry zareo, mba hampivoaka an’ilay izy ho toy ny tena izy mihitsy. “Kalinay tsara daholo ny zava-drehetra”, hoy i Craig, mpaka sary iray.

  • Akanjo sy makiazy. Izay akanjo nanaovan’ny tsirairay ihany no nentiny naka sary tamin’io fotoana io. Raha sary tamin’ny andro taloha na sary mila akanjo manokana kosa anefa ilay halaina, dia ny Sampan-draharahan’ny Sary no miantoka ny akanjo. Indraindray aza tsy maintsy manjaitra akanjo vaovao mihitsy ry zareo. Mila amboarina na asiana makiazy koa matetika ny tarehin’ny mpandray anjara, mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny hevitra tian’ilay lahatsoratra havoaka ny endrik’izy ireo. “Avo lenta no sady mazava tsara ny sary amin’izao, ka mora hita be na dia pentina kely aza. Vao mainka àry izahay tena mila mitandrina satria na dia kely fotsiny aza no tsy mety amin’ilay izy, dia mety hanimba an’ilay sary manontolo”, hoy i Craig.

  • Fakana sary. Nataon’ny mpaka sary azo antoka tsara fa toy ny amin’ny andro antoandro ny hazavana ao amin’ilay banky. Miankina amin’izay hazavana ilaina mantsy ny jiro ampiasaina (ohatra hoe hazavan’ny masoandro na volana na zavatra hafa). Atao mifanaraka amin’izay fihetseham-po mila avoaka koa ny hazavana ao amin’ilay sary. “Io sary iray io ihany no hahafahanay mamoaka ny fihetseham-po rehetra, fa tsy mba hoatran’ny video. Izany no maha zava-dehibe ny hazavana”, hoy i Craig.

  • Fanatsarana. Natao somary manjavozavo avy eo ilay vola eo amin’ilay sary, amin’izay tsy mifantoka be any ny sain’ny mpamaky. Novana ho maitso koa ny sisin’ireo varavarambe sy varavarankely ireo, satria mena ireo tamin’ny voalohany. Amin’izay mantsy mba mifanaraka daholo ny loko rehetra eo amin’ilay sary.

Ankoatra an’ireo sary alaina atỳ Patterson, dia azo angatahana mba handefa sary koa ireo biraon’ny sampana maro be maneran-tany, toy ny any Afrika Atsimo, Alemaina, Aostralia, Brezila, Japon, Kanada, Korea, Malawi, ary Meksika. Manana mpaka sary koa mantsy ry zareo. Mahazo sary vaovao 2500 eo ho eo isam-bolana ny ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Sary any Patterson. Maro amin’ireny sary ireny no mivoaka ao amin’ny gazety Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Tamin’ny 2015 fotsiny, dia nahatratra 115 tapitrisa mahery isam-bolana ny gazety natao pirinty. Raha te hahalala bebe kokoa momba an’izany ianao, dia azonao atao ny mitsidika ny biraonay atỳ Patterson, na koa any amin’ny iray amin’ireo biraon’ny sampanay maneran-tany. Ho faly izahay handray anao.

Mpitory manolotra ilay gazety amin’olona

a Be dia be ny sary efa nalaina, nefa mbola tsy nampiasaina akory. Tehirizina foana anefa izy ireny, mba ho azo ampiasaina amin’ny manaraka.

b Mangataka alalana amin’ny manam-pahefana eo an-toerana koa ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Sary, raha ohatra ka eny an-dalana ilay sary no alaina. Tsy maintsy soratana ao anatin’ilay fahazoan-dalana ny isan’ny olona hiasa eo, ny fitaovana rehetra ilaina, ary ny karazana jiro hampiasaina rehefa haka an’ilay sary.