Fitehirizam-boky Azo Entin-tanana
Namoaka programa maimaim-poana atao hoe JW Library ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 7 Oktobra 2013. Azo ampiasaina amin’ny fitaovana entin-tanana io programa io. Natao hamakiana sy hianarana Baiboly izy io, sady misy fandikan-tenin’ny Baiboly amin’ny teny anglisy enina. Anisan’izany ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy) sy Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izay nohavaozina tamin’ny 2013. a
Nahoana no navoaka ny JW Library?
Olona an-tapitrisany no mampiasa smartphone, tablette, na fitaovana elektronika hafa satria ilainy amin’ny asany ilay izy, na hifandraisany amin’ny hafa. Nahoana no mbola navoaka ihany ny JW Library, na dia efa afaka mamaky Baiboly sy manao fikarohana ao amin’ny jw.org aza ireo olona mpampiasa fitaovana entin-tanana?
Voalohany, tsy ilana Internet intsony ilay fitaovana entin-tanana rehefa tafiditra ilay programa. Faharoa, natao hanampiana ny mpamaky tsy ho sahirana izy io rehefa mitady andinin-teny sy mandalina bebe kokoa ny Baiboly. Amin’ny fomba ahoana?
Manampy anao hianatra Baiboly ny JW Library
Raha vao misokatra ilay JW Library, dia hiseho ny lisitr’ireo boky ao amin’ny Baiboly. Raha manokatra boky iray ao amin’ny Baiboly ianao, dia hipoitra ny lisitr’ireo toko ao amin’ilay boky. Vetivety kely ianao amin’izay dia hahita andinin-teny. Ho hitanao ao koa ireto rehefa mianatra Baiboly ianao:
Fanamarihana ambany pejy misy fomba hafa azo andikana an’ilay teny sy tsipiriany hafa
Fanondroana andininy hafa
Fomba ahafahana manao fikarohana izay manampy anao hahita hoe aiza avy no mipoitra ny teny na fehezanteny tianao hokarohina
Topy Maso eo am-piandohan’ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly
Tabilao misy ny anaran’ireo mpanoratra ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly, ny toerana sy ny fotoana nanoratana azy, ary ny vanim-potoana tantaraina ao amin’ilay boky
Fizarana ahitana sarintany miloko, tabilao, tabilao misy ny fizotran’ny fotoana, ary kisary
Maimaim-poana hoatran’ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany ny JW Library. Fanomezana an-tsitrapo no isahanana ny famoahana azy io, ary efa iray tapitrisa mahery no naka azy io tao amin’ny Internet. (2 Korintianina 9:7) Maninona raha mba manandrana mampiasa azy io koa, dia ho hitanao fa handray soa ianao?
a Nohavaozina io programa io tamin’ny Janoary 2014, ka nasiana ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro sy ny fihiranan’ny Vavolombelon’i Jehovah.