Hijery ny anatiny

Azo Sary An-tsaina Izay Vakina Rehefa Misy Sary

Azo Sary An-tsaina Izay Vakina Rehefa Misy Sary

Misy sary miloko ny ankamaroan’ny lahatsoratra ao amin’ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mba toy izany anefa taloha. Tsy nisy sary mihitsy ny laharana voalohany tamin’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy), nivoaka tamin’ny 1879. Soratra fotsiny no nameno ny boky sy gazetinay nandritra ny am-polony taona. Indraindray ihany vao nahitana sary natao tanana na sary nopihina mainty sy fotsy tamin’izy ireny.

Feno sary ny ankamaroan’ny boky sy gazetinay izao. Manana mpanao sary sy mpaka sary izahay, ka izy ireo no manao ny ankamaroan’ny sary amin’ireny zavatra ataonay pirinty ireny sy amin’ity tranonkala ity. Misy fikarohana be atao mba hamoahana sary hianarana an’izay zavatra tena nitranga taloha sy hianarana fahamarinana ara-baiboly.

Jereo, ohatra, ny sary amin’ity lahatsoratra ity. Tao amin’ny toko faha-19 amin’ilay boky hoe ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’ izy io no niseho voalohany. Tany Korinto fahiny no nitranga ilay tantara. Eo anoloan’ny bema na toeram-pitsarana ny apostoly Paoly, araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly toko faha-18. Nanao fikarohana tamin’ireo zavatra hitan’ny manam-pahaizana izahay ary nomena an’ireo mpanao sary izay fanazavana mifandray amin’ny paozipaozin’ilay toeram-pitsarana vita amin’ny marbra sy ny lokony. Nomena azy ireo koa ny fanazavana momba ny fitafian’ny Romanina tamin’ny taonjato voalohany. Azo naseho ho nanao akanjon’ny mpanjaka àry i Galio Governora eo amin’ilay sary. Manao akanjo lava sy mitafy lamba lava be misy sisiny volomparasy izy, ary karazana kiraro antsoina hoe calcei no anaovany. Araka ny fikarohana natao, dia mety ho nitodika tany avaratrandrefana i Galio rehefa nijoro teo amin’ilay toeram-pitsarana. Izany no nahaizan’ireo mpanao sary hoe aiza no atao mazavazava na maizimaizina amin’ilay sary.

Milamina tsara sy manamora asa

Notehirizinay tao anaty valopy lehibe daholo ny sary natao tanana, taloha, ka nalahatray arakaraka ny boky sy gazety nivoahany. Notehirizinay arakaraka ny loha hevitra kosa ny sary nopihina. Lasa nanahirana anefa ny nitady sy nisafidy izay hampiasaina indray rehefa nihabetsaka ny sary notehirizina. Nitady fomba hafa àry izahay mba hitehirizana sary sy hanamorana ny fampiasana azy amin’ny manaraka.

Namorona fitehirizana sary ao anaty ordinatera izahay tamin’ny 1991, ary tena manampy be izy io. Efa sary 440000 mahery izao no voatahiry. Ankoatra an’ireo sary efa nivoaka tamin’ny boky sy gazetinay, dia mbola misy sary nopihina an’arivony fanampiny koa tehirizina mba hampiasaina amin’ny hoavy.

Ampidirina daholo ny tsipiriany rehetra, toy ny hoe oviana sy taiza ny sary tsirairay no nampiasaina, iza no anaran’ny olona tsirairay ao amin’ilay sary, ary oviana ilay zavatra aseho ao amin’ilay sary no nitranga. Rehefa misy boky na gazety vaovao omanina àry dia mora hita izay sary azo ampiasaina.

Mangataka alalana hampiasa sary manokana koa izahay indraindray. Mety hila hampiasa ny sarin’ny planeta Satiorna amin’ny lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza!, ohatra, izahay. Mitady izay sary mifanentana amin’izany aloha izahay, ary mangataka fahazoan-dalana any amin’ny tompony avy eo. Manome sary maimaim-poana ny olona sasany satria fantany fa natao hampianarana Baiboly maneran-tany ny asanay. Ny hafa indray mitaky sarany na mitaky ny hanoratana ny anarany ao amin’ilay izy. Ampiasaina ao amin’ilay boky na gazety ilay sary avy eo, ary atao ao amin’ilay toerana fitehirizanay sary, arakaraka izay fifanarahana natao.

Feno sary ny zavatra avoakanay sasany amin’izao. Ahitana Tantara An-tsary, ohatra, ato amin’ity tranonkala ity. Natao pirinty sy navoaka ato amin’ity tranonkala ity koa ny bokikely feno sary miloko, ohatra hoe ny Mihainoa An’Andriamanitra. Tsy dia be soratra izy ireny nefa be dia be no azo ianarana aminy. Samy natao hampianarana Baiboly daholo ireny sy ny zavatra hafa natao pirinty ary ny zavatra avoaka amin’ny Internet.