FANTARO NY TANTARANTSIKA
Fikambanana Ara-kolontsaina Nampianatra ny Marina ao Amin’ny Baiboly
Tia mandray vahiny ny olona any Meksika. Tamin’ny 1917 no nanomboka nitory tamin-dry zareo ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah amin’izao. An-jatony ny olona tso-po lasa nanompo an’i Jehovah, am-polony taona taorian’izay. Tsy neken’ny fitondram-panjakana meksikanina anefa ny toerana nitoriantsika sy nivoriantsika, nandritra ny Ady Lehibe II.
Nilaza ny lalàna meksikanina tamin’izany hoe any amin’ny tranom-panjakana ihany no azon’ny olona anaovana fanompoam-pivavahana ampahibemaso. Natao teny an-kalamanjana na tany an-tranon’olona anefa ny fivoriambe sy ny fivoriantsika. Rehefa nitory koa isika, dia nandeha teny an-dalana sy nitety trano.
Mba hankatoavana ny lalàna, dia nosoratana ho fikambanana sivily sy ara-kolontsaina tsy natao hitadiavam-bola ny fikambanantsika tamin’ny 1943. Nampianatra ny olona izy io mba hanatsara ny fiainan-dry zareo. Satria isika voasoratra ara-panjakana ho fikambanana ara-kolontsaina, dia zon’ny fikambanana hoatr’izany no nananantsika fa tsy zon’ny fivavahana. Tsy voafetra intsony àry hoe tsy maintsy tany amin’ny tranom-panjakana ihany isika no nahazo nivory sy nitory.
Lasa nandamina fandaharana ara-kolontsaina sy fandaharana natao hampianarana ny olona isika, dia amin’izay mahafeno tsara ny fepetra ara-panjakana ho an’ny fikambanana sivily sy ara-kolontsaina. (Romanina 13:1) Mazava ho azy anefa fa mbola ny hampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny olona ihany no tanjontsika. (Isaia 48:17, 18) Tsy ela dia hita hoe notahin’i Jehovah io fanapahan-kevitra noraisintsika io. Mitantara mantsy ny Vavolombelona any hoe nihabetsaka ny olona lasa nanompo an’i Jehovah noho ilay fanapahan-kevitra.
Novana ny fomba nitoriantsika
Ny hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra foana no tena nataontsika tany Meksika hatramin’izay. Nanahaka ny apostoly Paoly anefa isika, dia novantsika mifanaraka amin’ny zava-misy ny fomba nitoriantsika. (1 Korintianina 9:20-23) Rehefa nitory tamin’ny Atenianina teo amin’ny Areopago, ohatra, izy dia tsy niresaka mivantana momba ny Soratra Masina. (Asan’ny Apostoly 17:22-31) Rehefa nanombo-dresaka tamin’ny olona koa àry isika dia tsy nitondra Baiboly na niresaka zavatra avy ao.
Hoy i Isabel: “Teneninay ilay olona hoe avy amin’ny fikambanana anankiray ara-kolontsaina sady mampianatra olona izahay. Matetika no lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! no resahiko satria ireny no tsy miresaka mivantana momba ny Baiboly.” Rehefa liana amin’ny Baiboly ilay olona nitoriana vao niresahana zavatra avy ao. Nanazava i Aurora hoe: “Tsy maintsy nitadidy andinin-teny be dia be izahay satria tsy nitondra Baiboly rehefa nitory.” Faly koa ilay olona rehefa ny Baiboliny ihany no nampiasaina.
Narovana ny fitoriana isan-trano
Efa niomana mialoha isika hoe ahoana no havaly raha misy manontany hoe ara-dalàna ve sa tsia ny asantsika. (Filipianina 1:7) Tena nanampy koa ilay isika nanana karatra famantarana avy amin’ny fitondram-panjakana. a Hoy i María: “Nentinay niaraka taminay foana ilay karatra famantarana nisy ny sonian’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny.” Nilaza i Samuel hoe: “Iny karatra iny fotsiny no nasehonay rehefa nisy manam-pahefana nanakana anay sy nanadihady hoe inona no nataonay.”
Nanampy antsika koa ilay karatra famantarana rehefa nisy fanoherana. Izao, ohatra, no notantarain’i Jesús, rahalahy nanompo tany Jalisco: “Nisy mompera iray izay nitarika mpirotaka, dia nentin-dry zareo tany amin’ny manam-pahefana izaho sy ny mpivady Vavolombelona iray. Tsy tiany hitory intsony mantsy izahay. Nasehonay tamin’ny manam-pahefana ny karatra famantarana anay, dia tsy nisy naninona anay ry zareo. Nahazo fanampiana ara-pitsarana izahay dia mbola afaka nanohy nanampy ny olona tso-po tao amin’ilay faritra ihany avy eo. Lasa misy fiangonana be dia be izao any amin’izao.”
Fampianarana Baiboly sy fampianarana mamaky teny sy manoratra
Nampianatra ny olona hamaky teny sy hanoratra maimaim-poana koa isika, satria fikambanana sivily mpampianatra olona. b Hoy i Ariel: “Tena tonga ara-potoana ilay izy. Be dia be mantsy ny olona tsy nianatra tany an-tsekoly tamin’izany, nefa ry zareo mba tena te hamaky Baiboly. Nampianarinay hamaky teny sy hanoratra aloha ry zareo, dia vetivety taorian’izay dia be dia be no nanomboka nianatra Baiboly.”
Nitantara i Ruth hoe: “Faly be ry zareo rehefa lasa nahay namaky teny sy nanoratra, sady nahatsapa hoe nahavita zavatra goavana be. Vao nanomboka nahay nanonona teny fotsiny aza ry zareo dia tonga dia nandroso be ny fianarany Baiboly. Hitanay mihitsy ny nandrosoan-dry zareo sy ny nahatonga azy ho lasa akaiky an’i Jehovah.”
Nekena ara-dalàna ho fikambanana sivily sy ara-kolontsaina ny Vavolombelon’i Jehovah teo anelanelan’ny 1943 sy1993. Olona 127 000 mahery no nampiantsika hahay hamaky teny sy hanoratra teo anelanelan’ireo taona ireo, ary 37 000 no nampiantsika hanatsara ny fahaizany mamaky teny sy manoratra. Nidera antsika tamin’ireo zava-bitantsika ireo ny fitondram-panjakana. (Romanina 13:3) Nahazo mari-pankasitrahana manokana, ohatra, isika tamin’ny 2010, satria ‘niasa mafy mba hampianarana ny olona hamaky teny sy hanoratra nandritra ny am-polony taona, ka nahatonga ny fiainan’ny Meksikanina an’arivony hihatsara, tany Meksika sy tao amin’ilay firenena manontolo.’
Fivoriana
Nantsoina hoe Efitrano Fanaovana Fianarana Ara-kolontsaina ny toeram-pivoriana tamin’izany, satria isika fikambanana sivily. Natao hoatran’ny paozina efitrano fianarana any an-tsekoly ilay izy, dia tao no natao ny fivoriana sy ny fianarana mamaky teny sy manoratra.
Nanazava i Ángel hoe: “Tany an-tranon’ny rahalahy sasany no natao ireny efitrano fianarana ireny. Nahafinaritra ahy mihitsy ireny mpiara-manompo ireny. Tsy hoe nana-karena be mantsy ry zareo. Tsy vitan’izay fa nomen-dry zareo hanaovana fivoriana ny ampahan’ny tranony, dia ny ilany amin’ilay trano fotsiny no nipetrahan-dry zareo. Nihafy tao ry zareo nefa be dia be izy no tao an-trano.”
Tena nahafoy tena ireny mpiara-manompo ireny, ary nilaina be izany. Nitantara ihany mantsy i Ángel hoe: “Indraindray tena be dia be mihitsy no tonga mivory dia lasa betsaka no nijoro tany ivelany. Tsy maintsy nitsirika kely teo amin’ny varavarankely izahay rehefa namaly. Na izany aza dia tena nahafinaritra ireny fivoriana ireny.”
Tsy nihira ny Vavolombelona sady tsy nivavaka rehefa nivory, mba tsy hisian’ny olana. Hoy i Edmundo: “Matetika ilay rahalahy nanao Lahateny Ara-kolontsaina, na lahateny ho an’ny besinimaro amin’izao, no nanasongadina fampiharana andinin-teny ao amin’ny Baiboly mba hanampiana ny mpanatrika hanatsara ny fiainany sy ho lasa olom-banona.” Nisy fotoana aza isika tsy nampiasa anarana boky ao amin’ny Baiboly rehefa nivory. Dia ahoana no nahafantaran’ny mpanatrika hoe inona ilay andininy noresahin’ilay mpandahateny? Nanome ohatra i Manuel hoe: “Raha ny Apokalypsy toko faha-21, andininy faha-3 sy faha-4, ohatra, no tiany horesahina, dia niteny izy hoe Boky faha-66, 21, 3 sy 4.” Nilaza koa ny rahalahy iray antsoina hoe Moises hoe: “Tsy maintsy nianatra izahay hoe boky fahafiry avy ny boky ao amin’ny Baiboly, fa raha tsy izany dia tsy naharaka izahay hoe inona izany andinin-teny vakina izany.”
Inona no ianarantsika avy amin’ny tantarantsika tany Meksika?
Mitovitovy amin’ny zavatra nataon’ny fandaminana tany an-tany hafa ihany no natao tany Meksika, amin’ny ankapobeny. Niharihary hoe mitahy ny vahoakany i Jehovah, na dia ferana aza ny zavatra azontsika atao. Mpitory 1 565 no tany Meksika tamin’isika nosoratana ho fikambanana sivily tamin’ny 1943. Nekena ara-dalàna hoe fivavahana isika tamin’ny 1993. Nahatratra 366 177 ny salanisan’ny mpitory tamin’io taona io. Niasa mafy ireo mpitory ireo dia vao mainka nitombo ny vahoakan’i Jehovah. Lasa 864 633 mantsy ny salanisan’ny mpitory any Meksika tamin’ny 2021. Inona no lesona raisintsika avy amin’ny tantarantsika tany?
Rehefa misy zava-tsarotra dia manaova fanovana mifanaraka amin’izany. Izany no nataontsika tany Meksika, dia afaka nanao ny asantsika ara-dalàna foana isika tany nandritra ny 50 taona. Nilaza i Mario hoe: “Nisy fotoana aho lasa saina ihany hoe fa maninona izahay no tsy mba afaka nanompo an’i Jehovah hoatran’ny mpanompony tany an-tany hafa. Tsy mbola naheno mihitsy anefa aho hoe nisy nisalasala momba ny tari-dalana nomen’ny fandaminana tatỳ. Nankatò foana izahay satria natoky hoe nitarika ny vahoakany i Jehovah.”
Mifantoha amin’ny asan’i Jehovah. Nanazava i Guadalupe hoe: “Tsy dia nanahy firy izahay satria variana nampianatra ny olona momba an’i Jehovah. Tena faly izahay hoe afaka nanompo azy. Izay mantsy no tena zava-dehibe taminay.”
Miaraha foana amin’ny mpiara-manompo. Hoy i Anita: “Nataonay tany an-trano izay zavatra tsy azonay natao tany amin’ny Efitrano Fanaovana Fianarana Ara-kolontsaina, ohatra hoe nihira ny hiran’ilay Fanjakana. Niray saina foana izahay dia niara-nanao zavatra matetika. Rehefa niara-nivory koa izahay dia niresadresaka zavatra mampahery foana.”
Izao no namintinan’i Florentino an’ireny fotoana ireny: “Rehefa mandinika aho dia mahita hoe nandraisantsika soa ireny zava-nitranga ireny sady nianarantsika zavatra be dia be. Tena resy lahatra aho hoe nitarika antsika foana i Jehovah tamin’ireny fotoana ireny, na dia teo aza ny fanoherana ny asantsika.”
a Mba hamantarana antsika fotsiny no antony nangatahana an’ireny karatra ireny. Tsy milaza mihitsy ny Soratra Masina hoe mila mangataka alalana amin’ny fitondram-panjakana ny Kristianina tsirairay, izay vao mahazo miresaka momba ny Baiboly amin’olon-kafa. Tsy nangataka taratasy na fisoratana anarana hoatr’izany intsony ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay tatỳ aoriana.
b Milaza ny manam-pahaizana fa antsasaky ny mponina tany Meksika teo ho eo no tsy nahay namaky teny sy nanoratra, tamin’ny taona 1940 sy 1950 tany ho any.
Fianakaviana Vavolombelona any Chihuahua any Meksika, eo anoloan’ny toerana fanaovany fivoriana kristianina. Misy takelaka amin’ny teny espaniola eo hoe: “Efitrano Fanaovana Fianarana Ara-kolontsaina”, 1952
Vavolombelona vitsivitsy ao amin’ny biraon’ny sampana any Mexico. Misy takelaka amin’ny teny espaniola eo hoe: “Ny Tilikambo Fiambenana, Fikambanana Sivily”, 1947
Vavolombelona roa manolotra gazety Tilikambo Fiambenana iray amin’ny teny espaniola, any ambanivohitr’i Hidalgo any Meksika, 1959
Nahazo karatra famantarana avy amin’ny fitondram-panjakana ny Vavolombelona mba hampiasain-dry zareo teny am-pitoriana rehefa nilaina izany
Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena any Meksika ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2010, noho ny ezaka nataon’izy ireo mba hampianarana ny olona hahay hamaky teny sy hanoratra
Afaka nanao fivoriana lehibe hoatran’ilay Fivoriambe Ara-kolontsaina Iraisam-pirenena tamin’ny 1969 ny Vavolombelona satria fikambanana ara-kolontsaina no nahafantarana azy.