Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay radio WBBR, tamin’ny 1924

FANTARO NY TANTARANTSIKA

Fitoriana ny Vaovao Tsara Amin’ny Radio sy Tele

Fitoriana ny Vaovao Tsara Amin’ny Radio sy Tele

 Alahady harivan’ny 24 Febroary 1924 tamin’izay. Sambany vao nampita fandaharana ny radio WBBR. Radio vaovaon’ny Mpianatra ny Baiboly a izy io. Nanao ahoana ilay izy? Iza no naheno azy io? Ahoana no nampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny teknolojia farany mba hitoriana ‘maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana’?​—Matio 24:14.

Teknisianina iray mikirakira ny fitaovana fandefasana ny radio WBBR

“Lasa izao”

 Nanomboka tamin’ny 8:30 alina ilay fandaharana voalohany, ary naharitra adiny roa. Niainga avy tao amin’ilay studio vaovao naorina tao Staten Island, any New York, ilay izy. Nitantara ny Rahalahy Ralph Leffler, mpandrindra ny feo, hoe “nientanentana be” ry zareo tao amin’ilay studio. Lasa saina izy hoe: “Mba hisy haheno ihany àry ve izahay?” Izao koa no nolazainy: “Nalefako ilay fitaovana, dia lasa izao. Nanantena izahay hoe handeha tsara ny zava-drehetra.”

 Ny Rahalahy Victor Schmidt, mpiandraikitra an’ilay radio, no nanolotra an’io fandaharana voalohany io. Nanolotra mpanakanto nanan-talenta maromaro izy teo am-piandohan’ilay fandaharana, ary Mpianatra ny Baiboly daholo izy ireo. Nisy rahalahy iray aloha nitendry hira tamin’ny piano. Avy eo i Cora Wellman nanao an’ilay hira hoe “Ny Sivy Ambin’ny Sivifolo.” Niorina tamin’ilay fanoharan’i Jesosy momba an’ilay ondry very io hira io. (Lioka 15:4-7) Nisy mpihira hafa nampiseho ny talentany avy eo, ary anisan’izany i Frederick W. Franz. Nanao an’ilay hira hoe “Ilay Nibebaka” izy, ary momba an’ilay zanaka adala izy io.​—Lioka 15:11-25.

Votoatin’ilay fandaharana voalohany tao amin’ny radio WBBR

 Ny Rahalahy Joseph F. Rutherford no nitarika ny asa fitoriana tamin’izany. Nanao lahateny iray izy ho fitokanana an’ilay radio, mba ho “hampandrosoana ny asan’ny fanjakan’ny Mesia.” Hoy izy: “Matoa navelan’i Jehovah hamorona radio ny olombelona, dia azo antoka fa tiany hampiasa azy io isika mba hitoriana amin’ny olona ny fahatanterahan’ny faminaniany.”

“Tsy nisy banga ny teniny na iray aza”

 Olona maro tany amin’ny faritra avaratratsinanan’i Etazonia no naheno an’ilay fandaharana voalohany. Nisy mpihaino iray tany Morrisville, any Vermont, tany amin’ny 320 kilaometatra mahery avy teo amin’ilay radio. Hoy izy: “Faly be aho fa naheno tsara an’ilay fandaharana. … Nazava be koa ny feon’i Rutherford. … Tsy nisy banga ny teniny na iray aza.” Na ny mpihaino iray tany Monticello, any Floride, aza naheno an’ilay fandaharana koa! Nisy vokany tsara ilay radio vaovao, ary be dia be ny olona nandefa taratasy fankasitrahana.

Joseph Rutherford miteny ao amin’ny radio WBBR. Victor Schmidt no mpanolotra fandaharana

 Nandefa ny hafatra momba ilay Fanjakana foana ilay radio nandritra ny 33 taona, b ary tany amin’ny faritra avaratratsinanan’i Etazonia no tena naheno azy io. Nisy fotoana koa anefa nampifandraisina tamin’ny radio hafa ny WBBR, ka olona an-tapitrisany no naheno azy io tany Etazonia sy Kanada ary tany amin’ny faritra lavitra kokoa. Nitatitra hoatran’izao ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1975: “Ny taona 1933 no nahatratrarana tampon’isa betsaka indrindra. Radio 408 no nampiasaina mba hampitana an’ilay hafatra momba an’ilay Fanjakana nanerana ny kontinanta enina. Lahateny ara-baiboly 23 783 no nalefa. … Raha nanovaova onjam-pe ny olona iray tamin’izany, dia nety ho naheno ny radion’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny radio samihafa. Niely hatraiza hatraiza ny tenin’ny fahamarinana nanome voninahitra an’Andriamanitra.”

Lasa nahomby kokoa noho ny radio ny fitoriana isan-trano

 Nisy mpitory ilay Fanjakana 1 064 teo ho eo tany Etazonia, tamin’ny Mpianatra ny Baiboly nanomboka nampiasa ny radio WBBR. Tena nanampy an’ireo antokon’olona vitsy ireo ilay radio. Betsaka kokoa mantsy ny olona naheno an’ilay hafatra. Tamin’ny 1957 anefa, dia nisy mpitory 187 762 teo ho eo tany Etazonia ary 653 273 eran-tany. Vokatry ny fampiofanana nandritra ny fivorian’ny fiangonana koa, dia lasa nihanahay nitory isan-trano sy nanao karazana fanompoana hafa ireo rahalahy sy anabavy be zotom-po ireo.

 Be dia be ny fandrosoana, ka nandinika indray ireo rahalahy nanana andraikitra hoe mbola nahomby kokoa ve ny radio raha noharina tamin’ny fitoriana isan-trano. Inona no vokatr’izany? Nanapa-kevitra ry zareo hoe hamidy ny radio WBBR. Io ihany sisa no radio nampiasain’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tamin’izany. Lafo ilay radio tamin’ny 15 Aprily 1957. Nisy fandaharana farany ny omalin’io, dia nanontaniana tao i Nathan H. Knorr hoe nahoana no namidy ilay radio. Nanazava izy fa ny fitoriana isan-trano no tena nampitombo ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Betsaka aloha no nahita ny fahamarinana noho ny radio WBBR. Betsaka kokoa anefa ny fitomboana hita tany amin’ny faritra hafa eran-tany, raha noharina tamin’ny faritra nandehanan’ny radio WBBR.” Hitan’ireo rahalahy àry fa ny fitoriana isan-trano no nahomby kokoa noho ny radio. Tsy tapitra hatreo anefa ny fampiasana fampielezam-peo. Niverina nampiasa an’izany indray isika am-polony taona tatỳ aoriana, saingy tamin’ny endriny vaovao.

Tele indray izao no ampiasaina

 Nisy fandrosoana niavaka teo amin’ny fandaminan’i Jehovah, tamin’ny 6 Oktobra 2014. Tamin’io no nandeha voalohany ny Tele JW, ilay telentsika ao amin’ny Internet. Afaka mahita an’ilay fandaharana isam-bolana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olona hafa. Mety ho amin’ny alalan’ny programa fijerena Internet izany, programa JW Library, fitaovana fijerena fandaharana mivantana, na satelita. c Mbola mampiasa radio sy tele anefa ny mpanompon’i Jehovah any amin’ny faritra sasany. Ahoana izany?

Fandaharana voalohany tamin’ny Tele JW, tamin’ny Oktobra 2014

 Nampiasa radio sy telen’olona tsy Vavolombelona ny fandaminan’i Jehovah tato ho ato, mba handefasana ny fivorian’ny fiangonana isan-kerinandro sy ny fivoriambe, any amin’ireo faritra tsy misy na voafetra ny Internet. Be dia be ny olona tsy Vavolombelona afaka nanaraka an’ireny fandaharana ireny, anisan’izany ireo olona liana amin’ny fahamarinana. Izany, ohatra, no nitranga teo anelanelan’ny 2021 sy 2022. Betsaka ny mpiandraikitra radio niresaka tamin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Afrika Atsinanana fa olona maro, hono, no tena tia an’ireo fivoriantsika. Nisy tamin’ireo mpihaino tany Kenya, Soudan Atsimo, ary Tanzania mihitsy aza nangataka hianatra Baiboly.

 Na izany aza, dia ny fitoriana isan-trano, ny fampirantiana, ary ny tranonkala jw.org no tena ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana maneran-tany. Afaka mamaky Baiboly sy boky ara-baiboly amin’ny fiteny maherin’ny 1 080 ny olona liana, ao amin’ny tranonkalantsika. Maimaim-poana daholo izany. Hitany ao koa ny valin’ireo fanontaniana ara-baiboly sy ny toerana azo anatrehana ireo fivoriantsika. Inona no vokatr’ireny ezaka ireny? Lasa niely kokoa noho ny hatramin’izay ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra! Tanteraka tokoa ilay lazain’ny Baiboly mialoha hoe hotorina ‘maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.’​—Matio 24:14.

a Lasa nantsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1931.

b Nisy fotoana ny Vavolombelon’i Jehovah nanana radio tany an-tany hafa, anisan’izany i Aostralia sy Kanada.