Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANTARO NY TANTARANTSIKA

Natanjaka Ara-panahy Foana Ry Zareo na dia Tao Anatin’ny Sarotra Aza

Natanjaka Ara-panahy Foana Ry Zareo na dia Tao Anatin’ny Sarotra Aza

 Ravarava be i Eoropa taorian’ny Ady Lehibe II. Nahafaly anefa fa nafahana avy tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa tamin’izay. Na izany aza dia tena mafy be ny fiainan-dry zareo. Be dia be ny olona zara raha nanana sakafo sy akanjo ary zavatra hafa tena ilaina tamin’izany, sady tsizarizary ny trano nipetrahan-dry zareo. Anisan’ireny olona ireny koa ny vahoakan’i Jehovah. Nitantara ny Ranabavy Karin Hartung hoe: “Zara raha nisy trano azo nipetrahana tamin’izany, dia tsy maintsy hoe nampiantrano ny havany ny olona na nampanofa ny efitra sasany tao an-tranony.” Rehefa avy notazonina fito taona sy tapany tany amin’ny toby fitanana koa ny Ranabavy Gertrud Poetzinger, dia tao anaty efitra fampirimana fitaovana fiasana izy no nipetraka nandritra ny fotoana elaela, dia seza no natoriany tao. a

 Inona no nataon’ny fandaminan’i Jehovah mba hikarakarana an’izay tena ilain’ny mpiara-manompo tany amin’ny toerana ravaravan’ny ady? Ary inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ireo rahalahy sy anabavy niaina taorian’ny Ady Lehibe II?

Fikarakarana an’izay nilain’ny rahalahy sy anabavy

 Tsy niandriandry ny fandaminan’i Jehovah fa tonga dia nanampy ny vahoakan’Andriamanitra tany Eoropa. Nitsidika ny Vavolombelona tany ny Rahalahy Nathan Knorr sy Milton Henschel avy any amin’ny foibe, mba hamantarana hoe inona no ilain-dry zareo. Nandeha tany Angletera, Soisa, Frantsa, Belzika, Holandy, Danemark, Soeda, Failandy, ary Norvezy izy roa lahy, nandritra ny volana Novambra sy Desambra 1945. Hoy ny Rahalahy Knorr: “Izao izahay vao tena nahita an’i Eoropa ravaravan’ny ady.”

Nathan Knorr niresaka tamin’ny Vavolombelona tany Helsinki, any Failandy, tamin’ny 21 Desambra 1945

 Tsy mbola nahazo alalana hankany Alemaina ny Rahalahy Knorr tamin’izay. Tafavoaka tany Alemaina anefa ny Rahalahy Erich Frost, mpiandraikitra ny biraon’ny sampana tany, dia tafahoana tamin’ny Rahalahy Knorr. b Nitantara i Erich hoe: “Nomen’ny Rahalahy Knorr torohevitra tena azo nampiharina izahay. Nampanantena koa izy hoe hanome sakafo sy akanjo ho anay. Taoriana kelin’izay dia nisy sambo tonga tany Alemaina, nitondra entana be feno lafarinina, menaka, avoanina, ary sakafo hafa. Nandefa baoritra be maromaro nisy akanjo koa ny mpiara-manompo avy any am-tany hafa. Nisy kompile sy atinakanjo ary kiraro tao anatin’ireny baoritra ireny.” Tena latsa-dranomaso mihitsy ny rahalahy sy anabavy rehefa nahazo an’ireny fanampiana ireny. Araka ny tatitra anankiray voaray koa dia “tsy hoe indray mandeha fotsiny no nisy fanampiana hoatr’izay, fa nisy entana fanampiana tonga foana nandritra ny roa taona sy tapany!” c

Vavolombelona tany Etazonia nifantina akanjo nisy nanome mba halefa any Eoropa

Nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah foana ry zareo

 Nihatsara tsikelikely ny fiainan’ireo rahalahy sy anabavy ireo. Nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah foana ry zareo tao anatin’izany fotoana rehetra izany. Inona no nanampy an-dry zareo hahavita an’izany?

Jürgen Rundel (aloha ankavia) tamin’ny 1954 miaraka amin’ny rahalahy tao amin’ny fiangonana Spittal an der Drau, tany Aotrisy

 Nanana fahazarana ara-panahy tsara foana ry zareo. (Efesianina 5:15, 16) Sarotra be ny nahazo boky sy gazety ara-baiboly nandritra an’ilay ady. Tsy dia afaka nanao zavatra ara-panahy firy koa ny rahalahy sy anabavy tamin’izany. Rehefa vita anefa ilay ady, dia niverina tamin’ny laoniny tsikelikely ny fivoriana sy ny fitoriana. Nitantara i Jürgen Rundel, mipetraka any Aotrisy, hoe: “Nampirisika anay hanana fahazarana ara-panahy tsara foana ny Mpilaza Vaovao d sy ny mpiandraikitra mpitety faritany. Nifantoka tamin’i Jehovah sy Jesosy sy ny fianarana samirery ary ny fanompoana izahay. Tsy nisy zavatra nanelingelina tamin’izany, anisan’izany, ohatra, ny fahitalavitra.”

 Hoy ny Ranabavy Ulrike Krolop: “Tena faly be aho rehefa nanao fikarohana lalina momba ny foto-kevitra iray ao amin’ny Baiboly sy nisaintsaina an’ilay izy. Tena modely ho ahy ny vadiko, satria isaky ny nahazo gazety Tilikambo Fiambenana vaovao izahay dia navelany daholo izay zavatra nataony, dia lasa izy nianatra an’ilay izy.” Nitantara koa i Karin, ilay voaresaka tetsy aloha, hoe: “Hitanay nandritra an’iny ady iny hoe mety ho very ao anatin’ny indray mipy maso ny fananana. Nahazo an’izay nilainay ara-panahy foana anefa izahay, na dia hoe voafetra aza ny sakafo ara-panahy tonga tany aminay. Tena novalian’i Jehovah soa ny mpanompony tsy nivadika.”

Ulrike Krolop

 Nitory indray ry zareo. (Matio 28:19, 20) Tsy tena afaka nitory sy nampianatra ny vahoakan’i Jehovah nandritra an’ilay ady. Nitantara ny rahalahy iray antsoina hoe Friedhelm hoe “tonga dia niverina nitory sy nampianatra ny rehetra” rehefa tapitra ilay ady. Hoy indray i Ulrike: “Mbola ny fanamiana nanaovany tany amin’ny toby fitanana no teny an-koditr’ilay Vavolombelona nitory voalohany tamin’ny fianakavian’ny vadiko! Nazava be hoe vao niala avy tany izy dia tonga dia nitory.” Hoy i Jürgen: “Saika ny rehetra mihitsy no nazoto be nitory rehefa tapitra ilay ady. Be dia be ny rahalahy sy anabavy tanora lasa nanompo manontolo andro tamin’izany.”

 Hoy i Ulrike: “Tena ratsy be mihitsy ny fiainana tany amin’ny tanàna tratran’ny baomba nandritra an’ilay ady.” Be dia be ny olona nipetraka tany anaty trano ravaravan’ny ady tamin’izany! Ahoana no nataon’ny Vavolombelona mba hahitana an’ireny olona ireny? Nitantara i Ulrike hoe: “Notadiavinay hoe taiza ho aiza no nisy jiro na setroka.” Taorian’ilay ady ny fianakavian’i Ulrike no nahalala ny fahamarinana.

 Nifampahery ry zareo. (1 Tesalonianina 5:11) Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah nampijalina, nandritra an’ilay ady. Tsy nifantoka tamin’ny fampijaliana nahazo azy anefa ry zareo rehefa tapitra ilay ady, fa nifampahery. Tena faly be ry zareo satria “vita sedra” ny finoany. (Jakoba 1:2, 3) Efa mipetraka any Etazonia i Johannes amin’izao, fa hoy izy momba ny zavatra niainany tamin’izany hoe: “Efa voatazona tany amin’ny toby fitanana ny mpiandraikitra ny faritra nitsidika anay, dia be dia be mihitsy ny zavatra nampahery notantarainy anay momba ny nanampian’i Jehovah ny rahalahy sy anabavy tany. Tena nanatanjaka ny finoanay ireny tantara ireny.”

 Nilaza koa i Johannes hoe rehefa tapitra ilay ady dia nanampy ny rahalahy sy anabavy ho akaiky an’i Jehovah foana ny nitadidy “ny fomba nanampiany an-dry zareo tany amin’ny toby sy namaliany ny vavaka nataon-dry zareo.” Nanana fahazarana ara-panahy tsara foana koa ireny Vavolombelona ireny rehefa nafahana, anisan’izany ny hoe namaky Baiboly tsy tapaka, nanatrika fivoriana kristianina foana, ary nandray anjara tsy tapaka tamin’ny fanompoana. Nilaza i Elisabeth, nanatrika an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Nuremberg tamin’ny 1946, hoe “mbola nahia sy nalemilemy” ny fahitana an’ireo rahalahy sy anabavy avy nafahana. Hoy ihany izy: “‘Narehitry ny fanahy’ anefa ry zareo rehefa nitantara ny zavatra niainany taminay.”​—Romanina 12:11.

Karin Hartung

 Niaraka tamin’ny mpiray finoana taminy foana ry zareo. (Romanina 1:11, 12) Tsy dia afaka niaraka ny Vavolombelona nandritra an’ilay ady satria nenjehina be ry zareo tamin’izany. Hoy i Karin: “Tsy dia nifampitsidika firy ry zareo sao dia mampidi-doza ny rahalahy sy anabaviny.” Mazava ho azy fa niova izany rehefa tapitra ilay ady. Hoy i Friedhelm hoe: “Niarahan’ireo rahalahy natao daholo ny zava-drehetra, dia ny fivoriana sy ny fanompoana foana no nataon-dry zareo voalohany indrindra.”

 “Vitsy kely ny Vavolombelona nanana fiara” rehefa vita kelikely ilay ady, hoy i Dietrich, anti-panahy any Alemaina. Hoy izy hoe: “Nandeha an-tongotra niaraka daholo foana izahay isaky ny handeha hivory, dia nahatonga anay lasa nifanakaiky be ilay izy. Hoatran’ny hoe fianakaviana iray mihitsy izahay tamin’izany.”

Lesona ho antsika

 Be dia be ny mpanompon’i Jehovah mijaly amin’izao, vokatry ny hetraketraky ny natiora, ny aretina, ny ady, ny fanenjehana, ary ny olana ara-toe-karena. (2 Timoty 3:1) Tsy tokony hanahy be loatra anefa isika. Nahoana? Satria manome toky antsika ny tantaran’ireo rahalahy sy anabavintsika tsy nivadika tany Alemaina tamin’ny andron’ny Nazia hoe mbola hanohana antsika foana ilay Andriamanitsika amin’izao andro farany tsy mora atrehina izao. Te hanana toe-tsaina hoatran’ny an’ny apostoly Paoly isika. Izao no nosoratany: “Ho be herim-po isika ..., ka hilaza hoe: ‘I Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?’”​—Hebreo 13:6.

a Vakio ny tantaram-piainan’ny Ranabavy Poetzinger, “Tsy Nivadika Tamin’ilay Fanjakana Tany Alemaina Taorian’ny Ady.”

b Vakio ny tantaram-piainan’ny Rahalahy Frost, “Nafahana Tamin’ny Fitondrana Jadona Satria Nino An’Andriamanitra”, amin’ny teny frantsay.

c Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny fanampiana natao taorian’ny Ady Lehibe II ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Izay Tsara Indrindra no Nomen’izy Ireo”, miaraka amin’ireo efajoro ao amin’ny pejy 211 sy 218 ary 219 amin’ny boky Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!

d Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana izao no ampiasain’ny fiangonana.