Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANTARO NY TANTARANTSIKA

Niray Saina na dia Nisara-bazana aza ny Olona tao Amin’ny Firenena Nisy Azy

Niray Saina na dia Nisara-bazana aza ny Olona tao Amin’ny Firenena Nisy Azy

 Nampanjaka ny fanavakavaham-bolon-koditra ny fitondrana tany Afrika Atsimo, nanomboka tamin’ny 1948 ka hatramin’ny 1994. a Be dia be ny olona nanao ny tsy rariny tamin’ny olona tsy nitovy foko taminy, tamin’izany. Hoy i Kallie, anisan’ireo nosokajina hoe “metisy”: “Nifanavakavaka na dia ny olona samy tsy fotsy hoditra aza.”

 Avy amin’ny foko isan-karazany ny Vavolombelon’i Jehovah any Afrika Atsimo. Ahoana no nataon’izy ireo tamin’ny mbola nanjaka ny fanavakavaham-bolon-koditra? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny tantaran-dry zareo?

Toe-javatra nampidi-doza vokatry ny fanavakavahana

 Nanao fihetsiketsehana ny olona sasany tsy nanaiky ny fanavakavaham-bolon-koditra tany Afrika Atsimo. Be dia be no nogadraina satria nanohitra ny fitsipika napetraky ny fitondrana momba an’izany. Nisy aza novonoina ho faty mihitsy. Vao mainka nihanahery setra ny mpanohitra ny fitondrana, vokatr’izany. Nankatò ny lalàna anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy nandray anjara tamin’ny fihetsiketsehana na tamin’ny fanonganam-panjakana mihitsy. Nanahaka ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ry zareo rehefa nanao an’izany, izany hoe ‘nanaiky ny manam-pahefana’ foana.​—Romanina 13:1, 2.

 Imbetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah no nisy nandresy lahatra hoe homba ny atsy na ny aroa. Raha nomba ny atsy na ny aroa anefa ry zareo, dia mety ho nandray anjara tamin’ny ady ara-politika, na mety ho niady tamin’ny rahalahiny ara-panahy mihitsy aza. Nitantara, ohatra, i Thembsie hoe: “Be dia be ny mpianatry ny lise noterena handray anjara tamin’ny rotaka ara-politika, tamin’ny 1976. Nitety varavarana ny mpianatra mpirotaka, dia nitady mpianatra hafa hiaraka tamin-dry zareo. Raha vao mandà ianao tamin’izany dia mety hodorany ny tranonao, na ianao hovonoiny ho faty.” Nisy Vavolombelona atao hoe Theophilus koa notenenin’ny mpitarika ny antoko mpanohitra iray hoe: “Rehefa resinay io lehilahy fotsy hoditra io dia hovonoinay ianao satria ianao tsy mba niady ho an’ny firenenao.”

Fivoriana natao tao amin’ilay firenena nisara-bazana

 Na dia teo aza ny olana vokatry ny fanavakavaham-bolon-koditra, dia niara-nivory foana ny Vavolombelona tany Afrika Atsimo mba hanompo an’Andriamanitra. (Hebreo 10:24, 25) Tsy afaka nanorina Efitrano Fanjakana ny fiangonana sasany tamin’izany. b Vokatr’ilay fanavakavahana mantsy, dia be dia be ny olona nahantra be sady tsy mba afaka nanantena mihitsy hoe hihatsara ny fiainany. Hoy i Enver: “Aman-taonany izahay no tsy maintsy nanofa trano ratsy be. Nomen’i Dada hanaovana fivoriana ny tranonay, tatỳ aoriana. Navadikay mianakavy ho lasa Efitrano Fanjakana ilay trano, indroa isan-kerinandro. Indraindray nahatratra 100 mahery ny olona indray nankao an-tranonay. Falifaly erỳ izahay nandroso zava-pisotro sy tsakitsaky ho an’ny rehetra rehefa nirava.”

Vavolombelona mainty hoditra sy fotsy hoditra niara-nivory, Aprily 1950

Fivoriana nisy olona samy hafa fiaviana, tao amin’ny Rand Stadium, any Johannesburg, 1980

 Nahita hevitra ireo rahalahy rehefa nisy olana naterak’ilay fanavakavaham-bolon-koditra. Voatendry handaha-teny tamin’ny fivoriamben’ny faritra iray tany amin’ny Faritanin’i Limpopo, ohatra, ny rahalahy fotsy hoditra iray. Tsy nahazo alalana hiditra tany anefa izy satria faritry ny mainty hoditra ilay toerana. Nisy olona fotsy hoditra nanana toeram-piompiana teo akaiky teo, dia lasa ilay rahalahy nanatona an’ilay olona dia nifampiraharaha taminy. Afaka nanao an’ilay lahateny ihany ilay rahalahy. Tao ambadiky ny fefin’ilay toeram-piompiana no natao ilay fivoriambe, dia ilay rahalahy nanao lahateny tao amin’ny ilan’ilay fefy.

Fitoriana tany amin’ny faritany voazarazara

 Samy nanana ny faritra nipetrahany ny foko tsirairay, tamin’ny andron’ny fanavakavaham-bolon-koditra. Olona mitovy foko daholo àry no tao amin’ny faritanin’ny fiangonana, tamin’ny ankapobeny. Tsy maintsy natao mifanaraka tamin’ny zava-nisy ny fandaminana ny mpitory rehefa hanompo eny amin’ny saha. Be dia be, ohatra, ny olana nipoitra rehefa nitory tany amin’ny faritany tsy misy tompony ny Vavolombelona. Nitantara i Krish, anisan’ireo nosokajina hoe “Karàna”, hoe: “Matetika no tsy nisy toerana azon’ny olona tsy fotsy hoditra atoriana, dia tany anaty aotomobilina na teny ambany hazo teny izahay no natory. Nankany amin’ny fivarotan-dasantsy izahay rehefa maraina, dia tany amin’ny kabinen’ireny izahay no nisasa. Na ireny kabine ireny aza anefa indraindray nisy soratra hoe ‘Ho an’ny fotsy hoditra ihany.’ Na dia teo aza anefa izany, dia mbola nazoto ihany ny mpitory, sady falifaly erỳ nitory tamin’ny olona liana tany ambanivohitra.”

Vavolombelona samy hafa fiaviana nitory tany ambanivohitra, 1981

 Nihanitombo foana ny vahoakan’i Jehovah, na dia teo aza ireny olana ireny. Nisy 4 831 ny mpitory tany Afrika Atsimo, tamin’ny nekena ho ara-dalàna ny fanavakavaham-bolon-koditra, tamin’ny 1948. Efa nahatratra 58 729 anefa ny isan’ny mpitory tany, rehefa nifarana ny fanavakavahana, tamin’ny 1994. Mbola nihabetsaka foana ny mpitory taorian’izay. Nahatratra 100 112 ny tampon’isan’ny mpitory any Afrika Atsimo, tamin’ny 2021.

Nifankatia sy niray saina, na dia nifankahala aza ny manodidina

 Firenena nanjakan’ny fanavakavahana i Afrika Atsimo. Niezaka be anefa ny Vavolombelon’i Jehovah tany mba ho tia ny olona avy amin’ny foko rehetra sy hihavana tsara amin-dry zareo foana. Nampirisika ny olona hanao hoatran’izany koa ry zareo. Nampihatra ny torolalan’ny Baiboly mantsy ry zareo, sady nampianatra an’izany tamin’ny hafa koa. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Nifankatia sy niray saina ry zareo, na dia nifankahala aza ny manodidina azy.​—Jaona 13:34, 35.

 Nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra ho an’olona samy hafa fiaviana tany Afrika Atsimo ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1993. Nitsena ny solontena avy any an-tany hafa teny amin’ny seranam-piaramanidina ny Vavolombelona avy ao Afrika Atsimo tamin’izay, dia falifaly erỳ niarahaba sy namihina an-dry zareo. Hoy ny mpitarika ara-politika malaza iray, rehefa nahita an’izany: “Efa voavaha efa ela ny olana atrehintsika raha miray saina hoatr’anareo daholo ny olona.”

Milton Henschel, avy any amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandaha-teny tamin’ny fivoriambe iray nataon’ny Vavolombelona samy hafa fiaviana, 1955

Mpiasa mainty sy fotsy niara-niasa, tao amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Afrika Atsimo, 1986

Thomas Skosana (ankavia) sy Alfred Steynberg, Vavolombelona efa ela, tany amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra iray, 1985

Vavolombelona samy hafa fiaviana nandroso sakafo tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra iray, 1985

Vavolombelona samy hafa fiaviana be dia be niara-nivory tao amin’ny FNB Stadium, any Johannesburg, 2011

a “Apartheid” no niantsoana an’ilay lamina napetraka mba hanerena ny olona tsy mitovy foko hisaraka tanteraka. Arakaraka ny foko niavian’ny olona iray no namaritana ny fianarana sy ny asa azony natao, ny toerana azony nipetrahana, ary ny olona azony novadina. Raha te hahazo fanazavana bebe kokoa, dia jereo ilay hoe “Inona moa ny Apartheid?” ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2007.

b Ampiasaina mba hanorenana sy hanavaozana Efitrano Fanjakana any amin’izay ilana an’izany ny fanomezana ataon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, nanomboka tamin’ny 1999.