FANTARO NY TANTARANTSIKA
Be dia Be no Ampianarina Mamaky Teny sy Manoratra Eran-tany
Hoy i Agostinho, any Brezila: “Lehibe tany amin’ny toeram-pambolena iray izay aho, ary nahantra kely izahay. Tsy maintsy niala tamin’ny fianarana aho dia nitady asa mba hanampiana ny tao an-trano.” Efa 33 taona i Agostinho vao nahay namaky teny sy nanoratra. Hoy izy: “Lasa nahatsiaro ho misy vidiny kokoa aho rehefa nahay namaky teny sy nanoratra.”
Olona 250 000 mahery no efa nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah hamaky teny sy hanoratra tao anatin’ny 70 taona lasa, ary anisan’izany i Agostinho. Fa maninona izy ireo no manao an’izany? Inona no soa azon’ny olona tamin’ireny fianarana ireny?
Sarotra ny miana-javatra rehefa tsy mahay taratasy
Nitory tany amin’ny firenena 115 ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1935. Rehefa nitory tamin’ny olona nampiasa fiteny samihafa ny misionera, dia nandefa lahateny ara-baiboly noraisim-peo voadika tamin’ny fitenin’ilay olona na nanome boky tamin’ny fiteniny. Be dia be no liana tamin’ny Baiboly nefa sarotra tamin’ny ankamaroan-dry zareo ny niana-javatra noho izy ireo tsy nahay namaky teny sy nanoratra.
Tsy afaka namaky Baiboly ireny olona ireny, ka sarotra taminy ny nampihatra ny toro lalana ao. (Josoa 1:8; Salamo 1:2, 3) Tsy afaka namita ny andraikitra tokony hataon’ny Kristianina koa izy ireo. Nisy ray aman-dreny, ohatra, tsy nahay namaky teny, ka sarotra taminy ny nampianatra ny zanany an’izay lazain’ny Baiboly. (Deoteronomia 6:6, 7) Tsy dia afaka nampiasa Baiboly koa ireo mpitory vaovao rehefa nampianatra ny hafa, satria tsy nahay namaky teny.
Nisy ezaka manokana natao mba hanampiana an’ireo tsy mahay taratasy
I Nathan Knorr sy Milton Henschel no anisan’ny nitarika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1940 sy 1950 tany ho any. Nitety tany be dia be izy ireo mba handamina ny asa fitoriana. Be dia be ny olona tsy nahay taratasy tany amin’ny tany sasany. Nampirisihin’izy ireo àry ny biraon’ny sampana tany amin’ireny toerana ireny mba handamina kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra any amin’ny fiangonana.
Nomen’ny biraon’ny sampana toromarika ny fiangonana hoe ahoana no tokony hanaovana an’ilay fianarana. Efa nisy teknika na boky fampianarana ny olona tany amin’ny firenena sasany, dia ireny ihany no nampiasain’ny Vavolombelona tany. Nomen’ny fanjakana fitaovana sy boky, ohatra, ny sampan’i Brezila, ka nalefa tany amin’ny fiangonana izy ireny. Ny tany an-tany hafa kosa, ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no tsy maintsy nitady teknika hampianarana ny olona.
Natao ho an’ny rehetra ilay kilasy fianarana na lehilahy izy na vehivavy, ary na tanora na antitra. Nampiana ilay olona mba hahay hamaky amin’ny fitenin-drazany. Lasa fiteny maromaro àry indraindray no tsy maintsy nampianarina tao amin’ny fiangonana iray.
Mahasoa ny olona ilay fianarana
Inona no soa noraisin’ny olona avy tamin’ilay fianarana? Hoy ny Vavolombelona iray any Meksika: “Lasa azoko tsara izao izay lazain’ny Baiboly, dia manohina ny foko ilay izy. Lasa sahy miresaka amin’ny mpiara-monina amiko koa aho rehefa nahay namaky teny, dia afaka nitory an’izay lazain’ny Baiboly tamin’ny olona betsaka kokoa.”
Tsy hoe manampy ny olona hahalala an’izay lazain’ny Baiboly fotsiny anefa ilay fianarana. Hoy i Isaac, avy any Burundi: “Lasa afaka nianatra momba ny fanamboarana trano aho rehefa nahay namaky teny sy nanoratra. Dia lasa mpanamboatra trano aho. Manara-maso izao no asako rehefa misy tetikasa ngezabe hatao.”
Efa 49 taona i Jesusa tamin’izy nanomboka nianatra namaky teny sy nanoratra. Hoy izy: “Mikarakara tokantrano aho dia mila mijery vidin’entana sy ny anaran’ny zavatra amidy eny an-tsena. Sarotra be tamiko izany taloha. Soa ihany fa nisy an’ilay kilasy fianarana. Lasa matoky tena kokoa aho izao rehefa miantsena.”
Efa nandritra ny taona maro ny manam-pahefana any amin’ny tany samihafa no nidera ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny ezaka vitan’izy ireo mba hampianarana ny olona hamaky teny sy hanoratra. Mbola mampianatra ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izao, ary mihatsara foana ny fomba fampianatr’izy ireo sy ny fitaovana ampiasainy. Nanamboatra bokikely mba hanampiana ny olona tsy mahay mamaky teny na tsy dia nianatra koa izy ireo. Efa ho 224 tapitrisa no natao pirinty tamin’izy ireo, amin’ny fiteny 720. a
a Misy amin’ny fiteny 123, ohatra, ilay bokikely hoe Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra, ary amin’ny fiteny 610 ilay bokikely hoe Mihainoa An’Andriamanitra.