Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANTARO NY TANTARANTSIKA

Kristianina Mafana Fo sy Tia Fihavanana ny Vavolombelon’i Jehovah any Nouvelle-Zélande

Kristianina Mafana Fo sy Tia Fihavanana ny Vavolombelon’i Jehovah any Nouvelle-Zélande

 Nambaran’ny fitondrana tany Nouvelle-Zélande, tamin’ny 21 Oktobra 1940, hoe fikambanana mpanakorontana sy mampidi-doza ny fiaraha-monina ny Vavolombelon’i Jehovah. Niteraka olana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay fanambarana nataon’ny fitondram-panjakana, nefa tsy kivy izy ireo. Mbola niara-nivory foana, ohatra, izy ireo na dia mety hanaovan’ny polisy bemidina sy ho voasambotra aza.

 Tsy Vavolombelon’i Jehovah i Andy Clarke vadin’i Mary. Hitany hoe tapa-kevitra ny hivory foana i Mary na dia norahonana aza. Natahotra izy hoe mety ho voasambotra ny vadiny rehefa mivory. Niaraka nivory tamin’i Mary àry i Andy na dia tsy mpandeha mivory aza. Hoy izy tamin’i Mary: “Raha misambotra anao ry zareo, dia tsy maintsy misambotra ahy koa!” Nanomboka teo dia nivory niaraka tamin’ny vadiny foana i Andy. Lasa Vavolombelona vita batisa izy rehefa nandeha ny fotoana. Betsaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Nouvelle-Zélande no tapa-kevitra hoatran’i Mary hoe tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy, na dia nenjehina aza izy ireo nandritra ny Ady Lehibe II.

Nandroso foana tany am-pigadrana

 Nosamborin’ny polisy i John Murray, 78 taona, tamin’izy nitory isan-trano. Nomelohin’ny fitsarana izy hoe mandray anjara amin’ny asan’ny fikambanana mpanakorontana fitondrana. Be dia be koa ny Vavolombelona niakatra fitsarana. Nasaina nandoa lamandy ny sasany fa ny hafa kosa nogadraina hatramin’ny telo volana.

 Mampihatra an’izay lazain’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah ka tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretany ny manao miaramila. (Isaia 2:4) Voantso hanao miaramila anefa izy ireo. Vavolombelona 80 teo ho eo àry no nogadraina tany amin’ny toby fihazonana nandritra ny ady, satria tsy nety nanao raharaha miaramila. Na dia niaritra ririnina mamirifiry sy nampijalina aza ireny rahalahy ireny tany, dia mbola faly nanompo an’i Jehovah foana.

 Tonga dia nandamina fivoriana sy fanompoana ny Vavolombelona tany amin’ireny toby ireny. Nivory tsy tapaka hoatran’ny fiangonana mahazatra izy ireo, ary nanao fandaharana mba hitoriana amin’ny voafonja hafa. Afaka nanao fivoriambe mihitsy aza ny Vavolombelona tany amin’ny toby sasany fa nisy mpiambina fotsiny. Nisy voafonja nianatra Baiboly tany amin’ireny toby ireny ary tany no natao batisa.

Nanao Sekolin’ny Fanompoana ny Vavolombelona tany amin’ny toby

 Faralahin’i Mary sy Andy, ilay voaresaka teo aloha, i Bruce. Nohararaotiny hianarana momba an’Andriamanitra ny fotoana nijanonany tany amin’ny toby. Hoy izy: “Amiko hoatran’ny hoe nandeha tany am-pianarana aho. Afaka niresaka ela be tamin’ireo rahalahy ampy traikefa tao amin’ny toby aho, dia niana-javatra be dia be tamin-dry zareo.”

 Nieritreritra ny hanafaka olona sasany tany amin’ireny toby ireny ny fitondram-panjakana, tamin’ny 1944. Tsy nanaiky anefa ny manam-boninahitry ny tafika satria resy lahatra ry zareo hoe raha hafahana ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy maintsy hiresaka ny zavatra inoany amin’ny hafa foana. Izao no tatitra nalefany: “Mety ho voafehy kely ihany ireo olona ireo raha mbola tazonina ato amin’ny toby, nefa tsy hanova an’ireo mafana fo tafahoatra ireo mihitsy izany.”

Tsy mampidi-doza ho an’ny fiaraha-monina

 Lasa te hahafantatra momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona sasany rehefa fantatry ny olona hoe norarana ny asan’izy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana dia betsaka no niaiky hoe tsy mampidi-doza ho an’ny fiaraha-monina ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitan’izy ireo hoe tia fihavanana ny Vavolombelona fa tsy misy atahorana. Nitombo àry ny Vavolombelona tany Nouvelle-Zélande satria raha 320 izy ireo tamin’ny 1939, dia lasa 536 tamin’ny 1945.

 Nisy manam-pahefana niaiky ihany hoe tsy rariny ny fandrarana atao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nofaranan’ny mpitsara iray, ohatra, ny raharaha rehefa avy nihaino ny fiampangana natao tamin’ny rahalahy iray nandray anjara tamin’ny fitoriana izy. Hoy izy: “Raha ny zavatra fantatro sy ny fahazoako ny lalàna aloha, dia tsy azo lazaina hoe heloka bevava mihitsy ny mizara Baiboly.”

 Vao mainka tapa-kevitra ny hampianatra ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelona, rehefa tsy nisy intsony ny fandrarana, taorian’ny ady. Nandefasan’ny biraon’ny sampana taratasy ny fiangonana rehetra tany Nouvelle-Zélande, tamin’ny 1945, hoe: “Miezaha hahay handanjalanja sy ho sariaka ary ho tsara fanahy. Aza miady hevitra sy mifamaly amin’ny olona. Tadidio hoe mpivavaka be ny olona itoriantsika ary miezaka mampihatra an’izay inoany. ... Betsaka amin’izy ireo no ‘ondrin’ny’ Tompo ka tsy maintsy ampiantsika ho lasa mpanompon’i Jehovah sy ho vahoakan’ny fanjakany.”

 Mbola mitory amin’ny mponina any Nouvelle-Zélande sy amin’ny mpizaha tany ny Vavolombelon’i Jehovah any, amin’izao. Tao anatin’ny ora vitsivitsy fotsiny, ohatra, dia nahavita nitory tamin’ny vahiny 67 avy any amin’ny firenena 17 ny mpitory 4 tany Turangi.

 Miaiky ny olona any Nouvelle-Zélande hoe Kristianina mafana fo sy tia fihavanana ny Vavolombelon’i Jehovah. Manaja ny Baiboly izy ireo sady iainany mihitsy ny zavatra voalaza ao. Olona an-jatony isan-taona no vita batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Vavolombelona 14 000 mahery no faly manompo an’i Jehovah any Nouvelle-Zélande, raha ny tatitra tamin’ny 2019.

Olona mivory mba hianatra Baiboly, taoriana kelin’ny nampiharana an’ilay fandrarana tamin’ny 1940

Trano figadrana tao amin’ny toby iray any amin’ny Nosy Avaratra, any Nouvelle-Zélande

Toby fihazonana any Hautu, any amin’ny Nosy Avaratra, any Nouvelle-Zélande

Vavolombelona maromaro nogadraina tao amin’ny toby, tamin’ny 1949, satria tsy nety nanao miaramila