Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Fanampiana Tra-boina Tamin’ny 2021: Tsy Hadino Ireo Rahalahy sy Anabavintsika

Fanampiana Tra-boina Tamin’ny 2021: Tsy Hadino Ireo Rahalahy sy Anabavintsika

1 JANOARY 2022

 Mbola nampitondra faisana an’izao tontolo izao ilay valanaretina COVID-19, tamin’ny taom-panompoana 2021. a Araka ny nohazavaina tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Fizarana Fanampiana Maneran-tany Mandritra ny Valanaretina”, dia an-tapitrisany dolara b ny vola lanintsika mba hanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy. Komitin’ny Vonjy Rano Vaky miisa 950 mahery koa no natsangana.

 Efa tena nampijaly an’ireo rahalahy sy anabavintsika maneran-tany ilay valanaretina, nefa mbola tratran’ny loza araka ny natiora sy vokatry ny ataon’ny olombelona koa izy ireo. Nisy 200 mahery ireny loza ireny. Mba hiatrehana azy ireny, dia nanaiky ny Komitin’ny Mpandrindra ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana fa hanokana 8 tapitrisa dolara fanampiny, ankoatra an’ilay fanampiana mifandray amin’ny COVID-19. Diniho hoe ahoana no nampiasana ny fanomezanao mba hanampiana ny tra-boina tamin’ny loza roa nitranga vao haingana.

Nipoaka ny volkano Nyiragongo

 Nanomboka nipoaka ny volkano Nyiragongo, any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, tamin’ny 22 Mey 2021. Betsaka ny trano sy sekoly ravan’ny ranoka volkano, ary nisy siniben-drano iray koa simba. Tsy ilay ranoka volkano ihany anefa no nampidi-doza. Nandritra ny andro maromaro taorian’ilay fipoahana, dia nisy vovoka avy amin’ilay volkano nilatsaka teo amin’ny tanànan’i Goma sady imbetsaka no nisy horohoron-tany kely. Ny antsasany mahery tamin’ny mponina no nasaina niala tao amin’ilay tanàna. Olona ana hetsiny no nitsoaka, ary nisy tamin’izy ireo nankany Rwanda.

Komitin’ny Vonjy Rano Vaky mizara voamadinika nandrahoina, eo ivelan’ny Efitrano Fanjakana

 Anisan’ireo nafindra toerana ny Vavolombelon’i Jehovah niisa 5 000 teo ho eo. Ravan’ilay volkano ny tranon’ny sasany, dia ny an’ny hafa indray nisy namaky taorian’ny nifindrany. Niara-niasa ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky tany Rwanda sy ny tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Izao ny tatitra nataon’ny sampan’i Congo (Kinshasa) momba ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky iray: “Efa nanomboka nizara sakafo, rano, lamba firakotra, ary akanjo ilay komity, na dia mbola sahotaka be aza ny tao amin’ilay tanàna sady mbola tsy nasaina niala tao ny olona.” Nisy rahalahy sy anabavy 2 000 mahery tafangona tao amin’ny tanàna iray. Nanome lay sy arovava ho azy ireo ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky, sady nanazava hoe ahoana no atao mba ho voaro amin’ny COVID-19 sy ny kôlerà.

Gony misy sakafo lanjaina alohan’ny hizarana azy amin’ireo Vavolombelona nafindra toerana

 Tao anatin’ny telo volana, dia fara fahakeliny vary enina taonina, koban-katsaka enina taonina, menaka telo taonina, ary rano telo taonina no nozarain’ireo rahalahintsika. Mba hitsitsiana vola, dia teo an-toerana ihany ny sakafo no novidina sady tonga dia novidina ambongadiny. Lafo kokoa mantsy ny manafatra sakafo avy any ivelany.

 Ravan’ilay volkano ny trano vaovaon’ny anabavy iray. Hoy izy: “Kivy be izahay sady nalahelo.” Nahazo fanampiana sy fampaherezana anefa ny fianakaviany avy eo. Izao no nolazainy: “Mbola manana an’izay ilainay foana izahay satria manampy anay i Jehovah. Tsapanay mihitsy hoe entin’i Jehovah ny enta-mavesatray, dia lasa mora aminay ny mizaka an’ilay izy.”

Nitotongana ny toe-karena any Venezoelà

 Efa an-taonany maro izao i Venezoelà no tratran’ny krizy ara-toe-karena lehibe. Mafy be ny fiainan’ireo rahalahintsika any, tsy ampy ny sakafo, ary mitombo be ny heloka bevava. Tsy manadino azy ireo anefa ny fandaminan’i Jehovah.

Vary amin’ny kitapo ampiakarina ao anaty kamiao mba halefa any amin’ny faritra samihafa any Venezoelà

 Tamin’ny taom-panompoana lasa, dia 1,5 tapitrisa dolara mahery no lany mba hividianana sy hitaterana sakafo sy savony ho an’ireo fianakaviana sahirana. Izao ny tatitra nataon’ny sampan’i Venezoelà: “Tena tsy mora ilay hoe mitatitra sakafo 130 taonina isam-bolana manerana an’ilay firenena. Tsy maintsy atao azo antoka koa hoe tena tonga any amin’ireo rahalahy sahirana ilay izy.” Sakafo tsy mora simba matetika no alefan’ireo rahalahy. Nilaza koa ilay sampana hoe: “Vidinay ambongadiny ny ankamaroan’ny sakafo. Amin’ny fotoana fahavokarany koa izahay no mividy, satria amin’izay ilay izy no mora. Izay fitaterana tsy mandany vola indrindra avy eo no ampiasainay.”

Mandeha bisikileta 18 kilaometatra mandroso sy miverina ny rahalahy sasany rehefa manatitra sakafo any amin’ny fiangonany. Zara raha misy mantsy ny solika sady vitsy koa ny aotomobilina miasa

 Anisan’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky any Venezoelà i Leonel, ary tena tiany ny andraikiny. Hoy izy: “Hafa mihitsy ilay hoe manampy tra-boina. Matin’ny COVID-19 ny vady malalako, dia tena nampahery ahy io andraikitra io hatramin’izay nahafatesany izay. Be atao foana aho sady tsapako hoe mahasoa an’ireo rahalahy sahirana ny zavatra ataoko. Hitako hoe tena mitana ny teniny i Jehovah ka tsy manadino ny mpanompony.”

 Anisan’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny rahalahy iray taloha. Hoy izy: “Izaho indray izao no nila fanampiana. Tsy hoe nahazo an’izay zavatra nilainay fotsiny izahay, fa nampian’ireo rahalahy koa izahay mivady mba ho tony foana. Nikarakara anay ry zareo, nampionona anay, dia nampahery anay.”

 Mamely tampoka ny loza indraindray na zara raha mampiomana. Matetika anefa ny fandaminan’i Jehovah no afaka mandefa fanampiana haingana, noho ny fanomezana ataonareo ho an’ny asa maneran-tany. Hita ao amin’ny donate.pr418.com ny fomba sasany azo anaovana fanomezana. Misaotra betsaka anareo izahay satria tia manome ianareo.

a Nanomboka tamin’ny 1 Septambra 2020 ny taom-panompoana 2021, ary nifarana tamin’ny 31 Aogositra 2021.

b Dolara amerikanina ny dolara voaresaka ato.