Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Fanampiana Tra-boina Tamin’ny 2022: Hita hoe Tena Mifankatia Isika

Fanampiana Tra-boina Tamin’ny 2022: Hita hoe Tena Mifankatia Isika

1 JANOARY 2023

 Efa nilaza ny Baiboly hoe hisy ady, horohoron-tany, areti-mandringana ary “zavatra mampahatahotra” hafa, amin’izao androntsika izao. (Lioka 21:10, 11) Tanteraka io faminaniana io nandritra ny taom-panompoana 2022. a Nitohy foana, ohatra, ny ady any Ukraine, ary nisy vokany tamin’ny fiainan’olona an-tapitrisany izany. Mbola mizaka ny vokatry ny fiparitahan’ny COVID-19 koa ny ankamaroan’ny olona eran-tany. Ankoatra izay, dia betsaka no mijaly noho ny loza araka ny natiora, anisan’izany ny horohoron-tany tany Haïti sy ny rivo-doza tany Amerika Afovoany sy tany Philippines ary tany atsimoatsinanan’i Afrika. Ahoana no nanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona tratran’ireny loza ireny?

 Nanampy tra-boina vokatry ny loza 200 teo ho eo ny fandaminantsika nandritra ny taom-panompoana 2022! Raha atambatra, dia nandany 12 tapitrisa dolara teo ho eo isika mba hanampiana tra-boina. b Horesahina ato ny fomba nampiasana ny fanomezana an-tsitrapo mba hanampiana tra-boina vokatry ny loza roa.

Horohoron-tany tany Haïti

 Nisy horohoron-tany mahery vaika namely ny faritra atsimon’i Haïti tamin’ny 14 Aogositra 2021. Nampalahelo fa anabavy roa sy rahalahy iray no maty tamin’ilay loza. Izay tsy maty indray tsy maintsy nizaka ny vokatr’ilay izy satria very fananana sady kivy be. Nilaza ny rahalahy iray atao hoe Stephane hoe: “Be dia be mihitsy ny olona maty tao an-tanàna, dia nisy fandevenana maromaro foana isan-kerinandro nandritra ny roa volana mahery.” Hoy koa ny rahalahy iray atao hoe Éliézer: “Be dia be ny Vavolombelona tsy nanan-kialofana sady tsy nanana akanjo na kiraro na izay zavatra hafa ilaina andavanandro. Betsaka koa no mbola nitebiteby foana nandritra ny volana maromaro satria mbola nihovitrovitra tsindraindray ihany ny tany taorian’ilay horohoron-tany ngezabe.”

 Vetivety dia nanampy ny fandaminantsika. Nanome sakafo 53 taonina mahery ny sampan’i Haïti, sady nanome tranolay, labasy, kidoro ary fitaovana famahanana telefaonina mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Ankoatra izay, dia trano 100 mahery nisy simba no namboarina na naverina naorina, nandritra ny taom-panompoana 2022. Vola maherin’ny iray tapitrisa dolara no nolanina mba hanampiana tra-boina.

Mizara sakafo, Haïti

 Tena nankasitraka ny fanampiana azy ny rahalahy sy anabavintsika any. Hoy i Lorette: “Potika tanteraka ny tranonay sy ny asanay vokatr’ilay horohoron-tany, dia tsy nanan-kohanina izahay. Nanampy anay anefa ny fandaminan’i Jehovah dia nahazo an’izay rehetra nilainay izahay.” Nilaza indray i Micheline hoe: “Potika ilay trano hazo nipetrahanay sy ny zanako roa lahy. Tsy nisy azoko natao afa-tsy ny nivavaka, dia nampiasa ny fandaminany i Jehovah mba hamaliana ny vavaka nataoko. Lasa manana trano mety tsara hipetrahana izao izahay. Tapa-kevitra aho hoe hanao izay rehetra azoko atao mba hampisehoana hoe mankasitraka an’izay nataon’i Jehovah ho anay.”

 Tsikaritry ny manam-pahefana tany ny fanampiana tra-boina nataontsika. Nilaza ny mpitantana ny lapan’ny tanànan’i L’Asile hoe: “Tena vetivety kely ianareo dia tonga nanampy, sady mendri-piderana satria nanaja tsara ny manam-pahefana. Mahafinaritra ahy koa ny mahita hoe tsy ny hangoron-karena no mahamaika anareo fa tena te hanampy olona ianareo. Ny fitiavanareo no nahatonga anareo hanampy.”

Namely an’i Malawi sy Mozambika ny rivo-doza Ana

 Namely an’i Mozambika ny rivo-doza Ana tamin’ny 24 Janoary 2022, dia avy eo nankany andrefana, tany Malawi. Nahatratra 100 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehan’ilay sikilaonina, dia sady avy be ny orana no nisy rivotra mahery be rehefa nandalo ilay izy. Nianjera ny tariby mitondra herinaratra, potipotika ny tetezana, sady nisy tondra-drano be vokatr’ilay izy.

 Nisy vokany tamin’ny Vavolombelona 30 000 mahery tany Malawi sy Mozambika ilay rivo-doza. Nandray anjara tamin’ny fanampiana tra-boina i Charles. Hoy izy: “Tena nijaly be ny mpiara-manompo sady be dia be ny zavatry ry zareo very. Nalahelo be aho rehefa nahita an’izany sady nahatsapa hoe tsy afaka manampy akory.” Nampalahelo be ny zava-nisy satria potipotik’ilay rivo-doza ny tahirin-tsakafo sy ny fambolen-dry zareo. Be dia be koa no tsy nanana trano intsony. Ny rahalahy iray aza namoy ny vadiny sy ny zanany roa vavy. Nivadika mantsy ny sambokely nanavotra an-dry zareo dia maty an-drano izy telo mianaka.

Tranon’ny mpivady Vavolombelona iray, simba be, Mozambika

Ilay trano rehefa voaorina indray

 Nampatahotra be ilay rivo-doza. Mipetraka ao Nchalo any Malawi, ohatra, ry Sengeredo mianakavy. Naheno rano be nampatahotra nanatona ry zareo, tamin’ny iray maraina. Hay renirano roa no indray tondraka! Nanapa-kevitra ny Rahalahy Sengeredo hoe aleo miala ao an-trano. Soa ihany ry zareo fa niala tao satria nazeran’ny rano ilay trano taoriana kelin’izay. Nandeha an-tongotra nankany amin’ny Efitrano Fanjakana izy mianakavy. Antsasak’adiny foana no anaovan-dry zareo an’izany, nefa adiny roa ry zareo vao tonga tamin’io. Lena be sady reraka ry zareo rehefa tonga. Efa tsy natahorana intsony anefa ny ainy.

 Vetivety dia nanampy ny sampan’i Malawi sy Mozambika. Nasain-dry zareo nijery ny zavatra nilain’ny mpiara-manompo tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy, sady nasainy nampahery an-dry zareo. Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) maromaro no nasaina nanara-maso ny fanampiana tra-boina. Tonga ireo komity ireo dia nanampy ny mpiara-manompo mba hahazo sakafo sy izay zavatra hafa nilainy. Vola 33 000 dolara no nolanina mba hanampiana olona ary 300 000 dolara mba hanorenana indray na hanamboarana ny trano nisy simba.

 Nampiasa tsara ny vola tany am-pelatanany ny KVRV, ary tena nety tsara ny nataon-dry zareo satria nisondrotra be ny vidim-piainana. Niakatra 70 isan-jato teo ho eo, ohatra, ny vidin’ny koban-katsaka nandritra ny fito volana voalohany nanampiana ny tra-boina, nefa anisan’ny foto-tsakafo any Malawi izy io. Nisondrotra be koa ny vidin’ny solika. Mba hitsitsiana vola dia tany ihany ireo rahalahy no nividy sakafo sy fitaovana fanorenana, sady tonga dia be dia be no indray novidin-dry zareo. Nahazo fihenam-bidy ry zareo noho izany, sady tsy nandoa vola be hitaterana entana.

 Nanohina ny fon’ny vahoakan’i Jehovah ny fanampiana azy ireo. Hoy i Felisberto, rahalahy any Mozambika: “Tsy mbola nahita fikambanana nanome zavatra be dia be hoatr’izao aho. Nomeny daholo na fitaovana fanorenana, na fitaterana, na olona hanao fanorenana, na sakafo, na tari-dalana tsara. Tena hita tamin’ireny fanampiana natao taminay ireny mihitsy ilay fitiavana noresahin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 13:34, 35.” Rava ny tranon’ny anabavy iray maty vady atao hoe Ester, any Malawi. Nilaza izy hoe: “Tena namoy fo aho satria tsy nanam-bola hanamboarana trano vaovao indray. Dia rehefa nanamboatra trano ho ahy ireo anadahy, dia hoatran’ny hoe efa tany amin’ny Paradisa ny fahitako ny tenako.”

 Vao mainka izao hihabetsaka ny loza, satria efa mihamanakaiky ny tontolo vaovao. (Matio 24:7, 8) Matoky anefa isika fa hahazo ny fanampiana ilainy foana ny vahoakan’i Jehovah, satria malala-tanana ianareo dia manao fanomezana an-tsitrapo. Hazavaina ao amin’ny donate.pr418.com ny fomba isan-karazany azo anaovana fanomezana. Misaotra betsaka fa tena malala-tanana ianareo.

a Nanomboka tamin’ny 1 Septambra 2021 ny taom-panompoana 2022, ary nifarana tamin’ny 31 Aogositra 2022.

b Dolara amerikanina daholo ny dolara resahina ato amin’ity lahatsoratra ity.