FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO
Fanampiana Tra-boina ao Anatin’ny Ady
27 MEY 2022
Amin’izao andro farany izao, dia ampoizintsika hoe “haheno ady” isika, ary ‘hisy hilaza koa hoe misy ady any an-toeran-kafa.’ (Matio 24:6) Miatrika zava-tsarotra vokatry ny ady ireo rahalahintsika, kanefa mahazo fanampiana araka izay ilainy izy ireo. Nampahery antsika ilay Vaovao Farany avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana (2022) #3. Noresahina tao mantsy ny fanampiana an’ireo tra-boina any Eoropa Atsinanana vokatry ny ady any Ukraine. Inona no natao mba hanampiana ny tra-boina na dia mbola mafotaka aza ny ady tao amin’ilay faritra? Inona no vokatr’izany tamin’ireo rahalahintsika any Ukraine?
Inona no nilaina, dia ahoana no nanaterana azy?
Nipoaka ny ady tany Ukraine tamin’ny 24 Febroary 2022. Ny androtr’iny ihany dia neken’ny Komitin’ny Mpandrindra ny hamoahana vola hanampiana an’ireo rahalahintsika any Ukraine. Tonga dia nividy an’izay azo novidina teo an-toerana ny sampan’i Ukraine ka nanomboka nizara fanampiana. Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 27 no notendren’ny sampana hanao izany.
Ankoatra izany, dia nanao zavatra avy hatrany koa ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nijery an’izay fanampiana azo omena mifanaraka amin’ny zava-misy any Ukraine. Nilaza àry ny Komitin’ny Mpandrindra sy ny Komitin’ny Fampanontana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana fa mila miara-miasa amin’ny solontenan’ny sampan’i Ukraine sy Polonina ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana Maneran-tany. Natao izany mba hitondrana fanampiana sy handaminana ny asa hatao. Nivory isan’andro mba handamina ny asa ireo rahalahy tao amin’ireo sampana ireo, izany hoe ireo avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana sy ny Fandefasana Entana ary ny Lalàna, miaraka amin’ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Ukraine sy ny rahalahy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana Maneran-tany.
Hoy i Jay Swinney, avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana Maneran-tany: “Nofantarinay aloha hoe inona no nilaina. Tianay ny hanome sakafo sy kojakoja fidiovana efa fampiasan’ireo rahalahy. Nofantarinay hoe inona no nilaina, nefa vao lafiny iray fotsiny amin’ilay olana izany. Tsy maintsy nojerenay koa hoe ahoana no hanaterana an’ilay entana any Ukraine mandritra ny ady mba ho tonga any haingana ilay izy sady ho voaro ny ain’izay mitondra azy.
Tamin’ny 9 Martsa 2022, dia fantatra hoe inona avy ny fanampiana ilaina. Sakafo toy ny hena am-bifotsy, saridinina, vary, ary tsaramaso no homena, ary eo koa ny kojakoja fidiovana toy ny savony sy taratasy fitondra any an-kabine. Natao tao anaty baoritra ireny fanampiana ireny. Notombanana ho 270 000 ariary isan’olona tamin’izay fotoana izay ny fanampiana maharitra iray volana. An’arivony anefa ny rahalahintsika mila fanampiana, ka neken’ny Komitin’ny Mpandrindra ny hamoahana vola be mba hanampiana ny tra-boina. Inona anefa no azo atao mba ho voaro ny ain’ny rahalahy hanatitra an’ireo fanampiana ireo?
Tamin’ny 13 Martsa, dia nisy andrana natao ka rahalahy roa avy ao amin’ny sampan’i Polonina no nanatitra fanampiana tany amin’ny trano iray fanatobiana entana any akaikin’i Lviv, any Ukraine. Nanampy azy mirahalahy hanomana ny diany ny rahalahy ao amin’ny sampan’i Polonina sy Ukraine, andro vitsivitsy talohan’ny hiaingany. Vitan’ny sampan’i Polonina ny nikarakara ny taratasy ilaina mba hiampitana ny sisin-tany mankany Ukraine. Tsy maintsy nasiana soratra mazava koa ny fiara mba ho fantatra hoe fiara mpitondra fanampiana. Niara-niasa tamin’ireo rahalahy tao Ukraine ny sampan’i Polonina mba hahitana an’izay lalana haingana indrindra raha vao tafiditra ao Ukraine izy mirahalahy. Niomana tsara àry ny rehetra, ary notahin’i Jehovah koa ny ezaka nataony, ka tsy ampy iray andro taorian’ny nahatongavany tao Lviv dia voatsinjara tany amin’ireo Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ilay fanampiana. Tafaverina soa aman-tsara tany Polonina koa izy mirahalahy.
Marina fa nizotra tsara iny andrana iny, saingy fanampiana tsy ampy iray taonina no naterina tamin’iny. Tombanana ho 200 taonina anefa ny fanampiana mbola hilaina. Inona no azo atao mba ho voatatitra sy ho voazara haingana araka izay azo atao izany fanampiana be dia be izany?
“Hanolo-tena an-tsitrapo ny vahoakanao”
Noresahina tao amin’ny jw.org ny manjo an’ireo rahalahintsika any Ukraine ka olona maro eran-tany no te hitondra ny anjara birikiny. Olona maro avy lavitra no nanao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria fantatr’izy ireo fa hampiasaina araka ny tokony ho izy ny vola homeny. Afaka nanome ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany koa ny hafa avy amin’ireo firenena manodidina. Ireto misy ohatra:
Fonosan’entana an’aliny no nokarakarain’ny mpiasa an-tsitrapo tany Polonina, ary ny ankizy kosa nanao karta kely nisy sary natao tanana. Hoy i Bartosz Kościelniak, izay miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana ao amin’ny sampan’i Polonina: “Efa imbetsaka aho no namaky an’ilay Salamo 110:3 hoe ‘hanolo-tena an-tsitrapo’ ny vahoakan’i Jehovah. Rehefa izaho mihitsy anefa no nahita an’ireo mpiasa an-tsitrapo an-jatony tonga avy hatrany sy vonon-kiasa, dia hitako hoe tena marina ny voalazan’io andininy io.”
Manana orinasa lehibe ny Vavolombelon’i Jehovah iray ka nomeny hampiasaina ireo kamiaony ary mbola izy koa no niantoka ny solika. Hoy izy: “Tiako i Jehovah sy ireo rahalahiko ka fotoana hampisehoako an’izany izao. Fifaliana ho ahy ny manampy.” Vinavinaina ho 7 700 litatra mahery ny solika natao fanomezana. Nampiasa ny fotoanany sy ny heriny koa ireo rahalahy ka lalana efa ho 48 000 kilaometatra no vitan’ny fiara nentin’izy ireo mba hitondrana fanampiana.
Nahafoy tena sy be fitiavana ireo rahalahy sy anabavintsika ka fanampiana 100 taonina no efa tonga tany Ukraine tamin’ny 28 Martsa, izany hoe 15 andro monja taorian’ilay andrana voalohany. Sakafo sy kojakoja fidiovana ary fanafody sy fitaovam-pitsaboana no naterina tany. Tena nalala-tanana ireo rahalahy sy ny mpamatsy entana, ka tena nihena be ny vola nilaina hividianana sy hanaterana an’ireo fanampiana ireo. Fanampiana 190 taonina mahery no nalefan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine hatramin’izao. Inona no vokatr’izany tamin’ireo rahalahintsika?
“Tao koa ny fitiavanareo!”
Raha vao tonga tany Lviv ireny fanampiana ireny, dia nozarain’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky tamin’ireo tra-boina. Tanàna maro no nanaterana fanampiana, ary nisy aza tany amin’ny 1 300 kilaometatra avy ao Lviv. Mbola fotoana be no lany tamin’izany asa izany na dia efa nalamina tsara aza ny asa. a
Hoy ny Rahalahy Markus Reinhardt, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Ukraine: “Tao anatin’ity ady ity no tena nahatsapan’ny rahalahy maro hoe tia azy i Jehovah ary mahasoa foana ny manaraka ny tari-dalana omen’ny fandaminany, na mbola tsy mitranga aza ny loza. Nampirisihina, ohatra, ny rehetra mba hitahiry sakafo sy rano azo ampiasaina mandritra ny herinandro vitsivitsy. Izao no nolazain’i Anton, anti-panahy ao Kiev, momba an’io tari-dalana io: ‘Manomana antsika hiatrika zava-tsarotra ny fandaminan’i Jehovah, ary tena mankasitraka an’izany izahay. Tena namonjy ny ainay ilay hoe nanana sakafo sy rano ary radio.’ Soa fa nanaraka an’io tari-dalana io ireo rahalahy dia nanana fotoana nandaminana ny fanampiana tra-boina ny biraon’ny sampana.”
Inona no tsapan’ireo rahalahintsika rehefa tonga ireny fanampiana ireny? Nilaza ny tao am-pony i Mykola sy Zinaida, izay mipetraka ao Kharkiv. Hoy izy ireo: “Tena tsapanay tao am-ponay lalina tao ny fiahianareo anay. Misaotra betsaka tamin’ny sakafo sy ny fanafody. Ny tanan’i Jehovah mihitsy no nikarakara an’izay nilainay.” Hoy koa i Valentyna, izay mipetraka ao Kharkiv koa: “Nisy filaharam-be teny amin’ny mpivarotra raha vao nipoaka ny ady. Matetika ianao no tsy afaka mividy an’izay ilainao. Hitan’i Jehovah sy fantany anefa izany. Nanendry an’ireo anadahy hizara fanampiana isan-tokantrano izy, ary izay tena nilainay mihitsy no tao anatin’ireo baoritra! Rehefa hoatran’ny hoe tapi-dalan-kaleha hoatr’izao mihitsy ianao no mahatsapa hoe tena miahy anao manokana i Jehovah sy ny fandaminany. ... Tonga ara-potoana sy ao amin’ny tena ilana azy mihitsy ny fanampiana omeny!”
Izao no nolazain’i Yevhen sy Iryna ary Mykyta, izay nandositra avy tao Mariupol: “Tena mankasitraka anareo izahay satria nikarakara sy nanampy ny fianakavianay ianareo. Tena tonga ara-potoana mihitsy ilay izy. Nieritreritra izahay tamin’ny voalohany hoe entana nilainay fotsiny ny tao anatin’ireny baoritra ireny. Rehefa nosokafanay anefa ilay izy, dia hay tao koa ny fitiavanareo!”
‘Maheno ady’ ianao ary ‘misy milaza koa hoe misy ady any an-toeran-kafa.’ Na eo aza anefa izany, dia azo antoka fa ny fanahin’i Jehovah no nitarika ny vahoakany ka afaka nitondra an’izany fanampiana rehetra izany izy ireo. Anisan’ny nahafahana nanao an’izany koa ny fanomezana nataonao ho an’ny asa maneran-tany, izay matetika no nalefa tamin’ny alalan’ny donate.pr418.com. Malala-tanana ianao ary tena ankasitrahanay izany!
Fanampiana Tra-boina: Haingana Araka Izay Azo Atao Sady Misoroka Loza
24 Febroary 2022: Neken’ny Komitin’ny Mpandrindra ny hamoahana vola hanampiana an’ireo rahalahy any Ukraine, ka afaka nanomboka nitondra fanampiana ny tao amin’ny sampana
24 Febroary–8 Martsa 2022: Nividy zavatra sasany tany an-toerana ny sampan’i Ukraine, ka nanomboka nizara fanampiana tamin’ny alalan’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky. Niomana handray sy hizara ny fanampiana avy any Polonina koa ny biraon’ny sampana
9 Martsa 2022: Neken’ny Komitin’ny Mpandrindra ny handefasana fanampiana ho an’ireo tra-boina any Ukraine
10-12 Martsa 2022: Fanomanana an’ilay dia andrana hanaterana sakafo sy fanampiana hafa avy tao Polonina ho any Lviv, any Ukraine
13 Martsa 2022: Natao ny andrana hanaterana sakafo sy fanampiana hafa avy tao Polonina ho any Lviv, any Ukraine
14-16 Martsa 2022: Nampiasa ny Efitrano Fivoriambe any akaikin’i Poznań any Polonina ny mpiasa an-tsitrapo anisan’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana, mba hikarakarana an’ireo baoritra hasiana sakafo sy kojakoja fidiovana
17 Martsa 2022: Efatra andro taorian’ilay dia andrana, dia fanampiana 13 taonina no nanomboka nentina tany amin’ny sisin-tanin’i Ukraine
21-27 Martsa 2022: Toy ny efa natao teo aloha, dia nangonina tao Polonina ny fanampiana tonga tatỳ aoriana ary nalefa tany Ukraine. Nozaraina tany amin’ireo faritra tra-boina izany ny androtr’iny ihany
28 Martsa 2022: Tao anatin’ny 20 andro taorian’ny nahazoana fanekena tamin’ny Foibe dia nahatratra 100 taonina ny sakafo sy kojakoja fidiovana ary ny fanafody sy fitaovam-pitsaboana tonga tany Ukraine
Nandefa fanampiana 190 taonina mahery tany Ukraine ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izao.
a Raha te hahazo fanazavana fanampiny momba izay natao mba hitondrana fanampiana ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Rahalahy Be Herim-po Manatitra Fanampiana sy Mamonjy Olona any Amin’ny Faritra Rotiky ny Ady any Ukraine.”