Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Fanorenana Vita Talohan’ny Valanaretina

Fanorenana Vita Talohan’ny Valanaretina

1 NOVAMBRA 2020

 Ana hetsiny isan-taona ny olona atao batisa, dia vao mainka be dia be ny trano ilaintsika mba hampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Vokatr’izany dia nanapa-kevitra ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana maneran-tany hoe trano 2 700 mahery ampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah no haorina sy havaozina, mandritra ny taom-panompoana 2020. a

 Nampalahelo anefa fa voasakantsakan’ilay valanaretina COVID-19 izany tetikasa izany. Mba hiarovana ny rahalahy sy anabavy sy hanajana ny fepetra ara-pahasalamana napetraky ny fanjakana, dia nanapa-kevitra ny Komitin’ny Fampanontana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana hoe haato daholo aloha ny ankamaroan’ireo tetikasa lehibe atao maneran-tany. Na izany aza anefa, dia trano 1 700 mahery no efa voaorina sy nohavaozina talohan’ilay valanaretina, nandritra ny taom-panompoana 2020. Ankoatra izay, dia tetikasa lehibe 100 mahery no vita tanteraka, tany amin’ny tranon’ny sampana. Andao hojerentsika ny soa noraisin’ny rahalahy sy anabavy rehefa vita tanteraka ny roa tamin’ireo tetikasa ireo.

 Sampan’i Cameroun. Kely loatra ilay sampana taloha tany Douala, sady betsaka ny fanovana nila natao. Nieritreritra ny hanavao an’ilay izy ny Komitin’ny Fampanontana, nefa mbola lafo kokoa noho ny vidiny azo ivarotana azy amin’izao ny vola ho lany amin’ilay fanavaozana. Nodinihin’izy ireo koa sao dia hoe azo atao ny mividy tany dia manamboatra trano vaovao, na mividy trano efa vita dia havaozina fotsiny. Samy tsy nisy nety anefa ireo safidy roa ireo.

 Henon’ireo rahalahy anefa tamin’izay hoe hamboarin’ny fanjakana ny lalana any avaratr’i Douala, izany hoe ny lalana mankany amin’ny iray amin’ireo Efitrano Fivoriambe ampiasaintsika. Tsy hanahirana intsony amin’izay ny mankany amin’ilay Efitrano Fivoriambe sady ho azo ampiasaina tsara ilay tany any. Nitady toko ny sampana tany ka sendra vato! Neken’ny Filan-kevi-pitantanana àry ny hanorenana sampana vaovao eo amin’ilay tany eo akaikin’ny Efitrano Fivoriambe.

 Vavolombelon’i Jehovah sy orinasa nokaramaina no niara-nifarimbona tamin’ilay tetikasa, ary nitsitsy vola sy fotoana izany. Tsy araka ny noeritreretina mantsy fa mbola nisy roa tapitrisa dolara mahery ny ambin’ny vola nanamboarana an’ilay sampana vaovao. Afaka nifindra tany amin’ilay sampana vaovao ny fianakavian’ny Betela, taloha kelin’ny niparitahan’ilay valanaretina COVID-19.

Vita talohan’ny niparitahan’ny valanaretina COVID-19 ny sampan’i Cameroun

Rahalahy sy anabavy manampy amin’ny fanorenana an’ilay biraon’ny sampana vaovao any Cameroun

 Faly erỳ ny Betelita any Cameroun satria sady mipetraka amin’ny trano tsara tarehy no miasa amin’ny toerana malalaka tsara. Tena tsapan’izy ireo hoe fanomezana avy amin’i Jehovah ilay sampana vaovao. Hoy ny mpivady anankiray: “Tena vonona ny hiasa mafy izao izahay satria sarobidy aminay io fanomezana io.”

Rahalahy sy anabavy miasa ao amin’ny birao vaovao, talohan’ny nisian’ilay valanaretina

 Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana (BFM) ho an’ny teny tojolabal any Meksika. Niasa tao amin’ny sampan’i Amerika Afovoany, any akaikin’i Mexico, foana ny ekipa mpandika teny amin’ny teny tojolabal, nandritra ny taona maro. Any Altamirano sy Las Margaritas anefa no tena ampiasaina io fiteny io. Efa ho 1 000 kilaometatra miala eo amin’ilay sampana no misy an’ireo tanàna ireo, ka tsy dia naharaka ny fivoaran’ilay fiteny ny mpandika teny. Sarotra koa ny nitady rahalahy sy anabavy mahafeno fepetra handika teny na halaina feo.

Rahalahy sy anabavy mandray anjara amin’ilay tetikasa mifandray amin’ilay BFM

 Izany indrindra no nahatonga ny Komitin’ny Fampanontana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana hanapa-kevitra hoe hafindra any amin’ny toerana ampiasana ny teny tojolabal ilay ekipa mpandika teny. Nanapa-kevitra àry ny sampana fa hividy trano anankiray, dia havaozina ilay izy. Mora kokoa mantsy izany raha oharina amin’ny hoe manorina trano vaovao na manofa birao.

 Hoy ny mpandika teny anankiray: “Nandritra an’izay folo taona niasako tao amin’ny sampana izay, dia mbola tsy nahita fianakaviana niteny tojolabal teo akaiky teo mihitsy aho na dia iray aza. Atỳ amin’ny tanàna miteny an’ilay fiteny mihitsy anefa izao ny biraonay, dia miresaka amin’ny olona miteny tojolabal foana aho isan’andro. Lasa be dia be ny voambolana haiko sady mihatsara ny fandikan-teniko.”

Ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana ho an’ny teny tojolabal, taloha sy taorian’ny nanavaozana azy

Tetikasa ho an’ny taom-panompoana 2021

 Misy 75 izao ny BFM sy trano fanaovana sekoly ara-baiboly eritreretintsika haorina na hohavaozina mandritra ny taom-panompoana 2021, raha tsy misy ny olana. Eo am-pamitana ny fanorenana sy fanavaozana ny sampana valo koa isika izao, anisan’izany ilay tetikasa vaovao an’ny foibe atao any Ramapo, any New York, sy ny fanorenana ny biraon’ny sampana vaovao any Arzantina sy Italia. Ankoatra izay, dia Efitrano Fanjakana vaovao 1 000 mahery no ilaina, toerana fivoriana 6 000 mahery no tsy tokony hivoriana intsony, ary Efitrano Fanjakana 4 000 no mila havaozina.

 Avy aiza daholo no ahazoantsika an’ireny vola hanorenana sy hanavaozana trano ireny? Hoy ny Rahalahy Lázaro González, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany, tamin’izy niresaka momba an’ilay tetikasa mifandray amin’ny BFM ho an’ny teny tojolabal: “Mahantra ny olona atỳ aminay, ka raha tsy manampy anay ny mpiara-manompo maneran-tany, dia tsy ho vitanay mihitsy ny hanamboatra biraon’ny fandikan-teny hoatran’io. Ny vola fanomezana avy amin’ny rahalahy sy anabavy rehetra maneran-tany no nahatonga an’ireo mpandika teny ireo ho afaka hifindra any amin’ny toerana ampiasana ny fiteny adikan’izy ireo. Misaotra betsaka ny mpiara-manompo rehetra izahay satria malala-tanana izy ireo.” Vita soa aman-tsara tokoa ireny tetikasa ireny noho ny fanomezana ataonareo ho an’ny asa maneran-tany, ary betsaka no mandefa azy io amin’ny alalan’ny donate.pr418.com.

a Ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana no manao ny asa rehetra tafiditra amin’ny fanorenana ny Efitrano Fanjakana ao amin’ny faritra iandraiketan’ny sampana iray. Ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana Eran-tany any amin’ny foibe kosa no manapa-kevitra hoe aiza no mila hanaovana fanorenana maika, sady mandamina ny fomba hanatanterahana an’izany.