Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Fepetra Noraisina mba ho Azo Ivoriana ny Efitrano Fanjakana na eo aza ny COVID-19

Fepetra Noraisina mba ho Azo Ivoriana ny Efitrano Fanjakana na eo aza ny COVID-19

1 OKTOBRA 2022

 ‘Nanapa-kevitra ny Filan-kevi-pitantanana hoe tokony hanomboka hivory mivantana daholo ny fiangonana rehetra manomboka amin’ny herinandron’ny 1 Aprily, raha tsy misy fameperana apetraky ny fanjakana manakana an’izany.’ Faly be ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany rehefa nahita an’io fampandrenesana io tao amin’ny jw.org tamin’ny voalohandohan’ny Martsa 2022. Mbola tsy tapitra anefa ny COVID-19 tamin’izay. a Inona avy ny fanovana sy ny fitaovana ary ny zavatra nilaina mba hiarovana ny mpanatrika fivoriana amin’ny virosy? Mbola ho azo ampiasaina ve ny Efitrano Fanjakana na dia efa roa taona teo ho eo aza isika no tsy nivory nivantana intsony?

 Efa amam-bolana maromaro ny rahalahintsika, raha ny marina, no nanomana an’ilay hoe hiverina hivory mivantana any amin’ny Efitrano Fanjakana.

Samy nanana ny zavatra nilainy sy ny vahaolana nety taminy

 Vao iray volana taorianan’ny nijanonantsika tsy nivory nivantana, tamin’ny 2020, dia efa nanomboka nandinika ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana Eran-tany (SFE), any Warwick, any Etazonia hoe inona no mety ho vokatry ny COVID-19 amin’ny fomba hampiasantsika ny Efitrano Fanjakana. Nodinihin’izy ireo koa hoe inona avy no azo atao mba hahatonga antsika ho voaro rehefa mivory any amin’ny toeram-pivoriantsika.

 Tsy nitovy matetika ny zavatra nilaina tany amin’ny toerana tsirairay eran-tany. Nilaza i Matthew De Sanctis, miasa amin’ny SFE, hoe: “Ny olana tany amin’ny tany sasany izao hoe tsy ampy ny fitaovana fanasana tanana. Rehefa tsy nisy rano tao amin’ny Efitrano Fanjakana, dia tsy maintsy nividy na nantsaka tany amin’ny renirano teny amin’ny manodidina na tany amin’ny lavadrano. Tany amin’ny tany hafa indray, dia novan’ny fanjakana ny fepetra napetrany momba ny fivezivezen’ny rivotra ao an-trano sy momba ny afisy famantarana mifandray amin’ny fahadiovana sy ny fahasalamana.”

 Inona àry no vahaolana hitan’ny rahalahintsika? Nilaza i Matthew hoe “vahaolana tsotra sy tsy mandany vola no hitan’ny rahalahintsika nefa tena nandaitra” tamin’ny Efitrano Fanjakana be dia be. Tany Papouasie-Nouvelle-Guinée, ohatra, dia nisy fitaovana fanasana tanana namboarina tamin’ny siô plastika mahazaka rano 20 litatra. Nasian’izy ireo raobine fotsiny ilay siô. Efapolo dolara amerikanina (170 000 ariary eo ho eo) fotsiny àry no lanin’ny rahalahintsika tamin’ny fitaovana nampiasaina tany amin’ireny Efitrano Fanjakana any ambanivohitra ireny. Nohafarana tany amin’ny mpivarotra iray tany Azia ny fitaovana fanasana tanana nampiasaina tany amin’ny Efitrano Fanjakana tany Afrika, ka fitaovana nanara-penitra maherin’ny 6 000 no nohafarana.

Manome modely tsara ho an’ny zanany momba ny fahadiovana ny ray aman-dreny

 Nisy fanavaozana sasany koa natao tany amin’ny Efitrano Fanjakana, anisan’izany ohatra hoe nasiana fitaovana fanafanana sy fampangatsiahana rivotra tao amin’ny Efitrano Fanjakana mba ho ampy rivotra tsara ao, na koa novana ny efa tao. Betsaka ny fiangonana nividy tahona mikrô lava, amin’izay tsy voatery ampitampitaina amin’ny tanana ny mikrô. Natao vitsy araka izay azo atao ny zavatra kitihin’ny tanana matetika, dia nodiovina foana koa izy ireny anisan’izany ny hidim-baravarana sy ny raobine. Nanao an’izany izy ireo mba tsy hifindran’ny virosy. Nampiasa raobine mandeha ho azy koa ny fiangonana sasany ao amin’ny kabinen-dry zareo. Teo amin’ny 1 400 dolara amerikanina teo ho eo (enina tapitrisa ariary teo ho eo) ny fanavaozana lany tamin’ny Efitrano Fanjakana tsirairay tany Silia.

Tsy ampitampitaina amin’ny tanana ny mikrô

 Niezaka mafy mba hitsitsy ny fanomezana an-tsitrapo koa ny rahalahintsika na dia tena zava-dehibe tamin’izy ireo aza ny fikarakarana ny Efitrano Fanjakana. Nampiasa ny fanampiana tany amin’ny fanjakana, ohatra, ny rahalahy tany amin’ny tany sasany mba hividianana na hanamboarana fitaovana fanasana tanana sy tahona mikrô. Nifanaraka koa ny biraon’ny sampana maromaro hoe hiara-mividy fitaovana betsaka kokoa noho ny mahazatra, mba hitsitsiana vola. Tonga dia tany amin’ny orinasa mpamokatra no nividy entana ny sampana sy ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana Maneran-tany. Mora kokoa mantsy ny vidiny any sady vetivety koa dia tonga.

Fitaovana fanadiovana tanana

“Nahatsapa hoe voaro aho dia izany mihitsy no nilaiko”

 Vokatr’ireny fandaminana natao mba hikarakarana ny Efitrano Fanjakana ireny, dia lasa voaro ny mpanatrika mivantana ny fivoriana sady nahatsapa ho tsy nanana ahiahy. Notsorin’ny Anabavy Dulcine, any Peroa, hoe natahotra kely izy rehefa nahafantatra hoe hiverina any amin’ny Efitrano Fanjakana indray isika. “Vao nanomboka niparitaka” mantsy, hono, “ilay valan’aretina” dia voa izy. Hoy koa izy: “Dia natahotra kely aho hiverina any amin’ny Efitrano Fanjakana sao dia tratran’ilay aretina indray. Rehefa tonga tany anefa aho dia tsikaritro hoe nanao zavatra be dia be ny anti-panahy mba hiarovana anay. Nisy fitaovana fanadiovana tanana, ohatra, tany dia nasiana tahony lava be koa ny mikrô. Nanao fandaharana koa ry zareo dia nodiovina sy novonoina ny mikraoba, taloha sy taorian’ny fivoriana tsirairay. Nahatsapa hoe voaro aho dia izany mihitsy no nilaiko.” b

Diovina sy vonoina ny mikraoba ao amin’ny Efitrano Fanjakana

 Niatrika olana hafa i Sara, anabavy any Zambia. Hoy izy: “Matin’ny COVID-19 ny vadiko, volana maromaro lasa izay. Nanahy be aho hoe inona ny zavatra ho tsapako rehefa hanatrika fivoriana voalohany tsy misy an’azy.” Inona anefa no tsapany rehefa nanatrika fivoriana izy? Hoy indray izy: “Rehefa manatrika fivoriana mivantana aho, dia tsapako hoe tsy mandao antsika i Jehovah amin’izao andro farany izao. Tia sy mampahery ary manohana ahy mihoatra noho ny hatramin’izay aza ny anti-panahy sy ny mpiara-manompo rehetra amin’izao.”

Faly be rehefa niverina nivory nivantana indray

 Faly be ny mpiara-manompo malalantsika satria tombontsoa ilay hoe miverina any amin’ny Efitrano Fanjakana. Misaotra betsaka tamin’ny fanomezana nomenareo. Natao tamin’ny alalan’ny donate.pr418.com ny ankamaroan’ireny fanomezana ireny. Ireny fanomezana ireny no nahafahantsika nikojakoja ny foiben’ny fivavahana marina, amin’izay mba mampahazo aina tsara sady tsy atahorana amin’ny aretina ny mivory any amin’ireny toeram-pivoriantsika ireny.

a Mbola afaka manatrika fivoriana amin’ny vidéoconférence sy amin’ny telefaonina ihany ny olona mila an’izany.

b Nampirisihina mafy hanao aro vava orona koa izay rehetra manatrika fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana.